JW subtitle extractor

Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy

Video Other languages Share text Share link Show times

Eritrereto hoe milamina be ny fiainana.
Tsy misy olona mijaly,...
... manana sakafo be dia be daholo ny olona,...
... sady salama tsara daholo.
Tena hahafinaritra be hoatr’izany ve anefa ny fiainana?
Ie,
noho ny zavatra nataon’i Jesosy.
Tonga tetỳ an-tany izy...
... dia nanome ny ainy satria tiany ny olona.
Ny alina talohan’ny nahafatesany,
dia nasain’i Jesosy nahatsiaro ny sorona hataony isika.
Be dia be ny olona mivory maneran-tany mba hahatsiaro azy,
isaky ny mitsingerina ilay andro nahafatesany.
Manasa anao sy ny fianakavianao ny Vavolombelon’i Jehovah,
mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy.
Ho hitanao any hoe
nahoana no tena ilaina ny sorona nataony,
ary nahoana no mahakasika anao koa ny zavatra nampanantenainy.
Raha tianao ho fantatra ny toerana hanaovana azy eny akaikinareo,
dia raiso ny fanasana omen’​ny Vavolombelon’​i Jehovah
na fenoy ilay fikarohana fivorian’ny fiangonana,
ao amin’ny jw.org/mg.