JW subtitle extractor

Sarobidy Tamin’izy Ireo ny Baiboly: Ampahany (William Tyndale)

Video Other languages Share text Share link Show times

Nalaina avy tao amin’ny efitra nigadrany
tao an-dapan’i Vilvorde i William Tyndale
tamin’ny faramparan’ny taona 1536,
mba hoentina hovonoina ho faty.
Nisy tsato-kazo efa nomanina hamonoana azy teo.
Nofatorana tamin’ny rojo izy,
dia nokendaina mandra-pahafatiny,
ary nodorana teo imasom-bahoaka teo ny fatiny.
Fa inona no heloka vitany?
Hitan’i Tyndale fa tsy nifanaraka
tamin’ny zavatra hitany tao amin’ny Baiboly
ny fampianaran’ny fiangonana.
Maty izy, nefa nino foana hoe
Tenin’Andriamanitra ny Baiboly.
I William Tyndale no nandika ny Baiboly
tamin’ny teny anglisy voalohany
avy tamin’ny fiteny nanoratana azy io tany am-piandohana.
Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-15
i Tyndale no teraka.
Tany amin’ny faritr’i Gloucestershire no nahaterahany,
fa nankany Oxford izy dia lasa pretra.
Hevitra nalaza be tamin’ny taonjato faha-15 ilay hoe
tokony hahazo ny hevitry ny tenin’Andriamanitra
ny sarambabem-bahoaka.
Ny pretra no mba nandika
an’izay voalaza tao amin’ny Baiboly
tamin’ny teny latinina tany am-piangonana,
fa tsy afaka namaky azy io mivantana ny mpivavaka.
Tsy navela hanao an’ity fandikan-teny ity
tany Angletera i Tyndale.
Nandeha tany amin’ny evekan’i Londres izy,
mba havela handika ny Testamenta Vaovao
avy amin’ny teny grika ho teny anglisy.
Tsy navela hanao an’izany anefa izy.
Mafy be ny fanoherana ny fandikana ny Baiboly,
ka nanoratra i Tyndale hoe
tsy nisy toerana nahafahana
nanao izany eran’i Angletera.
Nisy mpivarotra nanampy an’i Tyndale
mba handositra ho any Alemaina,
ka tany izy no afaka nandika
tamin’ny teny anglisy ny Testamenta Vaovao.
Vita tamin’ny 1525 ilay fandikana,
ary efa azo natao pirinty.
Ny Tranomboky Britanika eto Londres
no mahay ny tohin’ny tantara.
Hanampy antsika amin’izany ny Dr. Karen Limper-Herz,
lehiben’ilay tranomboky.
Ity izao natao pirinty tamin’ny 1525, tany Cologne.
Ity sisa no dikan-teny misy tamin’ny fanontana voalohany
ny Testamenta Vaovao nadikan’i Tyndale.
Ity izao no fantatra fa natao pirinty tamin’ilay
ampahany nadikan’i Tyndale tany Cologne.
Tsy maintsy hoe nampidi-doza be ny nanao an’izany
matoa ampahany ihany no vitany.
Mamo ilay mpanao pirinty dia niteny hoe
nanao pirinty ny Testamenta Vaovao
amin’ny teny anglisy izy,
ho an’olona loteranina mafana fo antsoina hoe Tyndale.
Lasa fantatry ny manam-pahefana ilay izy
dia notafihin-dry zareo ilay toerana fanaovana pirinty.
Nitsoaka nankany Worms ry Tyndale sy ny namany
dia mba tsy simba ity dikan-teny ity.
Ny bokin’i Matio ihany no vitan-dry zareo tamin’izay.
Tena nampidi-doza ny nandika an’ilay izy.
Vita pirinty tany Alemaina ihany, tamin’ny 1526,
ny voalohany tamin’ny fandikan-tenin’i Tyndale
ny Soratra Grika Kristianina.
Nisy 3 000 na mahery tamin’izy io no natao pirinty.
Niala tany Alemaina i Tyndale, ary nifindra ho eto Anvers.
Tena tiany ity tanàna be olona ity.
Nandroso be ny fanontam-pirinty teto,
sady betsaka no nifamezivezy teto amin’ny seranan-tsambo,
ka mora ny nandefa ny bokiny ho any Angletera.
Faly ny Profesora Guido Latré
hiresaka an’ilay tantara eo amin’ireo lalana
nandehanan’i Tyndale, tamin’ny 500 taona lasa.
Hitany hoe navela hanana Baiboly
tamin’ny teny holandey ny olon-tsotra teto.
Tiany koa raha mba hoatr’izany
ny olona tany Angletera.
Raha te hanondrana an-tsokosoko Baiboly
be dia be ho any Angletera ianao tamin’izany
dia ity seranan-tsambo lehibe indrindra
tany Eoropa Avaratra ity
no nahafahana nanao izany.
Sarotra ny manondrana Baiboly raha ngeza ilay izy.
Nosaratsarahina ny pejin’ireo Baiboly nataon’i Tyndale
dia natsofoka teny anelanelan’ny
pejin’ireo boky lehibe tsy voarara.
Rehefa tonga tany Londres ilay izy
dia tonga dia fantatra hoe: ‘Ay!
Ireto izao misy marika fa aleo hojereko
amin’ireto ny pejin’ilay Baiboly nataon’i Tyndale.’
Nisy 30 000 teo ho eo ny Baibolin’i Tyndale
vita talohan’ny nahafatesany.
Lehilahy be herim-po tokoa izy.
Izany hoe sady nanana fahasahiana
no nanokana ny fotoanany ho an’ny Baiboly.
Ary tsy azo atao tsinontsinona izany.
Nogadraina teto Vilvorde,
atỳ avaratr’i Bruxelles, i William Tyndale.
Tao nandritra ny herintaona izy,
ary azo antoka fa hitany ny fahafatesana
nampihoron-koditra niandry azy.
Malaza i Tyndale satria nisy heriny
eo amin’ny teny anglisy ny zavatra nataony.
Tsy izay anefa no tena tanjony.
Tian’i Tyndale ny Baiboly.
Nety ho nitovy fihetseham-po
tamin’ilay mpanao salamo angamba izy,
rehefa nilaza ilay mpanao salamo hoe:
“Tiako erỳ ny lalànao!”
Maro ny fanoherana ny Baiboly.
Mbola eo hatramin’izao anefa izy io.
Mbola voaraintsika ny fahendrena raketiny,
sy ireo teny nosoratan’ireo
mpanoratra tany am-boalohany.
Tsy mahagaga raha sarobidy amin’ny
olona maro ankehitriny koa ny Baiboly.