JW subtitle extractor

Rafika Morris: Tiako Hanjaka ny Rariny

Video Other languages Share text Share link Show times

Lehibe tany amin’ny
faritra atsimon’i Etazonia aho.
Mbola nanjaka ny fanavakavahana
ny mainty hoditra tamin’izany.
Nisy famantarana mihitsy aza hoe
atỳ ihany no azonao aleha.
Tsy azoko hoe maninona izahay
sy ny fotsy hoditra no tsy nifankahazo.
- Dimampolo.
- Eny tompoko.
Misaotra tompoko.
Ankizikely ’nge io e!
Maninona izy no
ataon’i Bebe hoe “Tompoko”?
Mangina ’ndrỳ!
Fotsy izy dia tsy maintsy hajaina.
Hozy aho taminy,
rehefa hody izahay:
“Izaho tsy hanaiky hambanimbanina izany,
na mainty aza!”
Mbola kely aho dia efa tia Baiboly,
dia namaky Baiboly foana.
Tsisy azoko anefa izay novakiko.
Nivavaka foana aho hoe:
“Fa inona no tsy mampitovy anay?
Dia maninona izahay no tsy afaka miaraka?”
Nisy fikambanana iray izay
hoatran’ny nahaliana ahy.
Niditra tamin’ny politika ry zareo.
Nilaza ry zareo hoe:
“Te hanafoana ny tsy rariny izahay.”
Faly be aho raha vao naheno an’izany.
Hozy aho:
‘Ity mihitsy ny fikambanana tiako hidirana.
Mba mitondra fanovana,
mampiray saina ny olona.’
Dia niditra tamin’ilay izy aho,
satria nitovy ny tanjonay.
Nanao fihetsiketsehana hanoherana
ny herisetra ataon’ny polisy aloha izahay,
satria izany no tena nampitaraina ny olona.
Tiako ny zavatra sasany nataonay,
fa tsy azoazoko ilay izahay nampianarina niady
sy nampianarina hampiasa fitaovam-piadiana.
Dia lasa saina aho hoe:
‘Fa angaha moa izao ilay notadiaviko?
Tsy izao mihitsy no tiako hatao.’
Dia niverina namaky Baiboly aho
satria hoatran’ny tsy hitako akory izay niova.
Ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques no novakiko.
Tena nazoto namaky an’ilay izy aho,
nefa tsisy n’inona n’inona azoko.
Nandeha kely tany Jamaika izahay,
dia nahita Baiboly
Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
Dia novakiko ilay izy, dia tonga dia azoko!
Tsisy teny ntaolo be tao.
Hozy aho hoe:
‘Izay ahay!
Tiako aho raha mahazo hoatr’ity.’
Nisy vehivavy roa
nandondòna tao aminay, indray andro.
Tsy fantatro hoe
Vavolombelon’i Jehovah ry zareo.
Fa tonga dia tany amin’ilay
Baibolin-dry zareo ny masoko.
Hozy aho:
“Taiza no nahazoanareo an’iny?”
Hozy ry zareo avy eo:
“Aleo fa hitondranay ianao.”
Dia nitondrany tokoa aho.
Fa tsy nampoiziko hoe
hampianarin-dry zareo Baiboly koa aho.
Nisy mpanatrika 10 000 teo ho eo ilay
fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah natrehiko voalohany.
Feno olona samy hafa fiaviana sy volon-koditra tao.
Hoatran’ny niteny tamiko
i Jehovah tamin’izay hoe:
“Rafika a, nisy fotoana ianao
nangataka tamiko hoe
tianao raha mba tafaray
sy miray saina daholo ny olona,
na dia samy hafa fiaviana aza.
Izany izao ireo hitanao ireo.
Hitanao amin’izao fa tsy manavakavaka aho.”
Tsy omby tratra ny hafaliako.
Hitako ihany ilay fikambanana notadiaviko!
Mitovy daholo ny olona
fa tsisy ambony sy ambany.
Afaka mitory sy minamana
amin’ny karazan’olona rehetra aho.
Sambatra aho izao satria
fantatro avy tao amin’ny Baiboly hoe
Andriamanitra sy ny Fanjakany ihany
no hitondra fiadanana eto an-tany.
Jehovah izao mampiray saina ny vahoakany.
Dia te hanao ny anjarako koa aho,
dia hanampy ny olona hahafantatra azy.
Faly aho fa novaliany ny vavaka nataoko.