JW subtitle extractor

Olona Tsy Ampoizinao no Mety ho Lasa Namanao

Video Other languages Share text Share link Show times

Aina no anarako.
Nifindra trano izahay tamin’izaho 18 taona.
Tena mafy tamiko ny nandao an’ireo namako.
Tsy haiko aho izao raha hahita namana indray.
Hoatran’ny faly be i Dada sy Neny.
Tsy tiako haseho amin-dry zareo
hoe malahelo aho.
Tsy nahafinaritra ahy koa ny nianatra
tao amin’ilay sekoly vaovao.
Fa nihaona tamin’i Mika aho,
dia izay vao niova ilay izy.
Hoatran’ny mahafinaritra izy sady malala-tsaina.
Dia lasa namako avy eo ny namany.
... natoky i Davida fa tsy hiova mihitsy
ny fifandraisany tamin’ilay namany.
Resahin’ny Baiboly fa tena niavaka
ny fifandraisan’i Davida sy Jonatana.
Tena mpinamana akaiky ry zareo.
Inona no nampitovy an’i Davida sy Jonatana?
Tsy ny taonany aloha e!
Ianao toa nandefa message tao am-pivoriana?
Tsy tokony ho nandefa SMS aho.
Azafady!
Fa i Mika ange
olona tsara e!
Mety hianatra Baiboly aza izy.
Azoko tsara izany ka!
Fa mila mitandrina isika sao be loatra ny fotoana
iarahantsika amin’ny olona tsy tia an’i Jehovah.
Hafa mantsy ny fitsipika arahin-dry zareo.
Tadidin’ialahy ve ny Ohabolana 13:20
hoe: ‘Miaraha amin’ny hendry.’
Ka maninona raha mitady namana tia an’i Jehovah
dia amin’izay ianareo ho mpinamana mandrakizay?
Ahoana no hahavitako an’izany?
Tsy misy mitovy taona amiko mihitsy
ange ao amin’ny fiangonana e!
Aina a, olona tsy ampoizina ange
no mety ho lasa namana e!
Neny a!
Nanana namana tsara aho taloha,
tany amintsika.
Nalahelohelo daholo izahay tamin’izay.
Nasehon’i Mika anay ny sary tany amin’ny
fety nataony, ny ampitson’iny.
Marina ny tenin’i Dada sy Neny.
Tsy nifandray tamin’i Mika sy ny namany intsony aho.
Nefa mbola tsy nanana namana ihany.
Ahoana Aina?
Efa misy namana hanompo angaha
ianao amin’ny asabotsy?
Ah, tsisy!
Isika izany no miaraka.
Any amin’ny fivoriana alohan’ny
fanompoana izany ny fotoana?
Nasain’i Max nankany an-tranony ny mpitory
rehefa vita ny fanompoana.
Ianao ve no naka an’ireo?
Tsara ve?
Ie.
Ny vadiko, ... ny vadiko no tena mpaka sary.
Sady tena tiany ilay izy.
Dia nomeny fakan-tsary aho indray mandeha
tamin’ny fahatsiarovana ny mariazinay,
dia hatramin’izao tsy afaka intsony e.
Mandeha be ny fotoana.
Efa 12 taona sahady izay no nahafatesany.
Azafady.
Tsy maninona kah.
Dia mbola maka sary ve ianao?
Ie.
Tena tiako ny maka sary.
Hoatran’ny mahatonga ahy ho tia kokoa
ny zavaboarin’i Jehovah ilay izy.
Amin’izay tsaroako hoe
tsy irery mihitsy isika,
sa ahoana?
Mety ho olona tsy ampoizinao no ho lasa namanao
sady tsy mitovy taona aminao.
Rehefa nifandray elaela tamin’i Max aho
dia lasa tsapako hoe hoatr’izany mihitsy
i Davida sy Jonatana.
Tsy niankina tamin’ny taona ny fifandraisan-dry zareo
fa tamin’ny fitiavany an’i Jehovah.
Dia nifanampy ry zareo.
Lasa zatra nanao zavatra ara-panahy tsy tapaka aho,
noho ny fanampian’i Max.
Tsy mitovy taona izahay nefa lasa namako izy.
Tsy nila nitady lavitra akory aho.