JW subtitle extractor

Henoy Tsara ny Torohevitra mba ho Hendry Ianao

Video Other languages Share text Share link Show times

Nahafinaritra ny andro androany.
Fa rehefa avy nivory teo aho vao
hoatran’ny voadona kely ny foko.
Nanasa mpiara-manompo hiara-mijery filma
izahay tamin’ity herinandro ity.
Dia naheno an’izay resaka izay
ilay anti-panahy tanora sady vaovao iny.
Dia nanome torohevitra ahy izy taorian’ny fivoriana hoe
tokony hotandremako ihany, hono, ny filma jereko.
Hoatran’ny tsy tiako ilay fomba nitenenany ahy.
Vao 27 taona ange izy e!
Mbola zaza mihitsy.
Nanao fotoana hiara-manompo
amin’ny Rahalahy Kang mivady izahay ny ampitson’iny.
Fa tsy vonona mihitsy ny saina sy ny fo e.
Niresaka nitokana tamin’ny Rahalahy Kang aho.
Nolazaiko azy izay nitranga,
sy ny hoe hoatran’ny tsy mihatra aminay ilay torohevitra.
Azoko ihany aloha hoe
maninona ianao no mahatsapa an’izany.
Fa izao, lazao ahy izay tena ao am-ponao.
F’angaha tena tsy marim-pototra mihitsy
ilay torohevitra nomeny anao?
Nisy ampahany kely hoatran’ny
nahery setra ihany aloha ilay filma e.
Fa ilay fomba nitenenany ahy
mihitsy no tsy azoazoko.
Izy aza ange tsy nanontany ny hevitro akory e!
Hono hoy aho, Byong Soo,
avy amin’iza ihany isika
no mety hahazo torohevitra lavorary?
-Avy amin’olona lavorary.
-Marina izany.
I Jesosy no olombelona lavorary.
Fa eto an-tany ve izy izao?
Marina ny teniny.
Tsy misy torohevitra tsy azo kianina izany
raha tsy olona lavorary no manome azy.
Na izany aza,
nety ho mora noraisina kokoa
iny torohevitra momba ny filma nofidinay iny,
raha olona zokiny kokoa,
na za-draharaha kokoa
hoatran’ny Rahalahy Kang no nanome azy.
Nety ho azony an-tsaina angamba
ny tao an’eritreritro,
satria nampahatsiahiviny zavatra
avy ao amin’ny Baiboly aho.
Nandia fitsapana mafy i Joba,
nefa i Eliho tanora no nanampy azy
hanitsy ny fomba fisainany.
Tsy maintsy nanetry tena i Joba
vao afaka nihaino olona tanora kokoa
sy tsy za-draharaha kokoa toy izany.
Novakiny avy eo ny Ohabolana 19:20.
Nazava ilay hevitra:
Mifantoha amin’ilay torohevitra,
fa tsy amin’ilay mpanoro hevitra.
Noresahiko tamin’ny vadiko
ny tenin’ny Rahalahy Kang.
Takatray hoe tokony horaisinay tsara daholo
ny torohevitra rehetra avy amin’i Jehovah.
Natao hahasoa antsika mantsy izy ireny.
Azoko antoka hoe nila herim-po be
ilay anti-panahy tanora
mba hiresahana an’ilay izy tamiko.
Faly anefa aho hoe nanao an’izany izy.
Hitako mantsy hoe fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra,
raha ny marina, ilay toroheviny.