JW subtitle extractor

“Mahereza sy Matanjaha, ka Ataovy Ilay Asa”!

Video Other languages Share text Share link Show times

‎Sarobidy amin’i Jehovah ny herim-pon’ny mpanompony tsy mivadika.
‎Miseho amin’ny atao anefa ny tena herim-po,
‎hoatran’ny toetra tsara hafa ihany.
‎“Ny finoana” izao a,
‎‘raha tsy aseho amin’ny atao dia maty.’
‎Hoatr’izay koa ny fitiavana,
‎tsy aseho amin’ny teny ihany
‎fa amin’inona koa moa hozy ny Baiboly?
‎“Amin’ny atao sy amin’ny fahamarinana.”
‎Tsy misy hafa amin’izany ny herim-po.
‎Rehefa miatrika zava-tsarotra isika,
‎dia mila matoky an’i Jehovah.
‎Tsy ampy anefa izany fa tsy maintsy manao zavatra koa isika.
‎Tsy be herim-po mantsy isika raha mipetra-potsiny,
‎na tsy manapa-kevitra,
‎na kamo.
‎Tokony ho sahy hiteny sy hanao zavatra isika raha be herim-po.
‎I Jehovah indray avy eo no hitahy ny herim-pontsika
‎sy hanampy antsika.
‎Ahitana tsara an’izany ny tantaran’i Davida ao amin’ny Baiboly.
‎Tena be herim-po i Davida rehefa nanao ny sitrapon’i Jehovah
‎ary tsy nipetrapetraka mihitsy.
‎Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy mandra-pahafatiny,
‎na dia nanao zavatra tsy nety sy niaritra fahoriana maro aza.
‎Nankininy tamin’i Solomona zanany
‎ny fanorenana ny tempolin’i Jehovah,
‎taloha kelin’ny nahafatesany.
‎Eritrereto izay tsapan’i Solomona
‎rehefa natolotr’i Davida azy ny planin’ny tempoly,
‎izay avy amin’i Jehovah!
‎Azo antoka fa tsapan’i Solomona hoe
‎tena goavana ilay asa.
‎Nampahery azy anefa ny tenin’i Davida rainy,
‎ary mety hampahery antsika koa izany rehefa miatrika olana isika.
‎Asaina ianareo rehetra, anisan’izany ianareo tanora sy ankizy,
‎mba hanokatra ny Baibolinareo ao amin’ny 1 Tantara 28:1-20.
‎Ao fa andrasana ianareo.
‎Araho ange ny famakiana azy e!
‎1 Tantara 28,
‎manomboka eo amin’ny andininy voalohany.
‎Eritrereto ange ny asa niandry an’i Solomona e!
‎Nasaina nanorina trano hampiasaina amin’ny fivavahana marina izy,
‎sady amin’izay ilay trano tsy maintsy “faran’izay kanto”
‎ary “tsy hisy trano tsara noho izy io any amin’ny tany rehetra.”
‎Mbola tsy nanorina trano mihitsy anefa i Solomona.
‎Nanao zavatra mialoha àry i Davida.
‎Mety hisy hanakantsakana koa i Solomona,
‎na avy ao amin’ny fianakaviany izany na avy amin’ny olon-kafa.
‎Nampirisihin’i Davida hankatò an’i Jehovah
‎sy tsy hivadika aminy àry izy.
‎Noteneniny koa i Solomona hoe:
‎“Mahereza sy matanjaha,
‎ka ataovy ilay asa.”
‎Raha natahotra i Solomona dia mety ho tsy nahavita na inona na inona.
‎Raha nieritreritra izy hoe sarotra loatra ilay asa,
‎dia mety ho nangataka andro izy
‎na tsy nataony mihitsy ilay izy.
‎Tena tsy ho faly amin’izany anefa i Jehovah.
‎Izay no nahatonga an’i Davida hamerina an’ilay hoe:
‎“Ataovy ilay asa.”
‎Fantany fa tsy ampy ny hoe
‎be herim-po sy mitoky amin’i Jehovah,
‎fa ilaina koa ny manao zavatra.
‎Efa niainany mantsy izany.
‎Andao hojerentsika hoe oviana i Davida no nila herim-po.
‎Rehefa vakina ilay tantara, dia saintsaino hoe
‎olona mpangataka andro ve i Davida,
‎na mpisalasala,
‎na tsy mahavita na inona na inona rehefa misy olana lehibe.
‎Eritrereto, ohatra, hoe
‎inona no nitranga tamin’ny fotoana nanosorana azy
‎ho mpanjakan’ny Israely.
‎Mbola mpanjaka i Saoly nefa efa nolavin’i Jehovah
‎satria tsy nankatò azy.
‎Sokafy indray ny Baibolinareo
‎fa hovakintsika ny 1 Samoela 16:1-23;
‎1 Samoela 16:1-23.
‎Azonareo sary an-tsaina angamba
‎i Davida kely sy ny dadany ary ny zokiny lahy
‎mitsangana eo anatrehan’i Samoela mpaminany.
‎Dia avy eo i Davida nosinganin’i Jehovah
‎mba hosoran’i Samoela ho mpanjaka.
‎Mbola i Saoly ihany anefa no fantatry ny besinimaro hoe
‎mpanjaka ara-dalàna teo amin’ny Israely.
‎Azo antoka fa tena nila herim-po i Davida tamin’izany.
‎Ahoana tokoa moa raha fantatr’i Saoly hoe
‎i Davida ange ka nohosorana ho mpanjaka?
‎Tsy maintsy hovonoin’i Saoly izy.
‎Izao anefa izy nampanantsoina ho any an-tranon’i Saoly
‎mba hanompo azy!
‎Ahoana re no mety ho tsapany e?
‎Tsy maintsy mba natahotra ihany izy, fara faharatsiny.
‎Ary ahoana ny amintsika?
‎Mety hanahy koa isika raha manana olana ara-pianakaviana,
‎na tsy salama,
‎na manana olana ara-bola,
‎na enjehina,
‎na manana fahalemena.
‎Tsy tokony hanakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah
‎na tsy hifandray aminy anefa izany.
‎Rehefa tojo olana hoatr’ireo isika,
‎dia tokony hangataka ny fanampian’i Jehovah

amin’ny alalan’ny vavaka
‎sy ny Teniny
‎ary ny fiangonana.
‎Ireo matetika no manampy antsika
‎hahita fomba hampihenana an’ilay olana,
‎na dia tsy miala tanteraka aza ilay izy.
‎Afaka miezaka ny ho be atao foana anefa isika
‎amin’ny fanompoana an’i Jehovah,
‎na dia miatrika loza aza.
‎Izany no atao hoe tena herim-po!
‎Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra i Davida
‎rehefa nantsoina ho any amin’i Saoly.
‎Nampiseho herim-po izy,
‎ary nanao zavatra.
‎Nekeny ilay asa nampanaovina azy,
‎satria fantany hoe
‎hataon’i Jehovah mahay an’ilay asa izy.
‎Lasa tian’i Saoly be mihitsy i Davida
‎rehefa nandeha ny fotoana,
‎ary lasa mpitondra ny fitaovam-piadiany.
‎Araho indray izao ny famakiana ny 1 Samoela 17:1-51.
‎Toko manarakaraka an’ilay teo izany:
‎1 Samoela 17,
‎manomboka eo amin’ny andininy 1.
‎Io ilay tantaran’i Davida sy Goliata.
‎Ho hitantsika amin’io tantara io hoe
‎ahoana no nampisehoan’i Davida fa
‎nahay nampiasa ny sainy izy sady be herim-po.
‎Tsy hoe mampianatra antsika momba ny herim-po fotsiny
‎ilay tantaran’i Davida sy Goliata.
‎Hitantsika koa hoe
‎ilaina ny mahay mampiasa saina
‎ary mila aseho amin’ny atao ny finoana.
‎Mbola teo am-perinasa i Davida tamin’izy nirahin’ny dadany
‎hitondra vatsy ho an’ireo zokiny lahy nandeha niady.
‎Zavatra roa izany no tokony hataony indray miaraka:
‎Tokony hiandry ondry izy
‎nefa asaina manatitra vatsy ho an’ny zokiny koa.
‎Dia ahoana no hanaovany an’izany?
‎Nahay nampiasa ny sainy izy.
‎Nasehony koa hoe azo itokisana izy.
‎Milaza ny Baiboly hoe:
‎“Nifoha maraina i Davida,
‎dia nampiandraiketiny olon-kafa ireo ondry.
‎Ary nalainy ny entana ka lasa izy,
‎araka izay nandidian’i Jese azy.”
‎Somary nampahatahotra anefa ny zavatra hitany avy eo.
‎Hijery an’ireo zokiny lahy no anton-diany,
‎nefa inona hozy ianareo no hitany?
‎Ireo ny miaramilan’ny Israely fa nihorohoro daholo
‎nahita ny haben’i Goliata.
‎Kivy koa ry zareo naheno azy nihantsy ady.
‎Hita tamin’ny fihetsik’i Davida anefa hoe be herim-po izy.
‎Tonga dia nanontany izy hoe
‎fa naninona no mbola tsy nisy namono ihany
‎io lehilahy sahy nihantsy an’i Jehovah io.
‎Nanambany an’i Davida teo imason’olona anefa i Eliaba zokiny,
‎sady niteny hoe ratsy saina izy,
‎sahisahy ratsy,
‎ary nanao tsirambina ny ondrin’ny dadany.
‎Na izany aza, dia nanolo-tena hifanandrina tamin’i Goliata i Davida.
‎Tsy niraharaha azy koa anefa i Saoly Mpanjaka,
‎fa niteny hoe
‎tsy haharesy an’i Goliata mihitsy izy satria mbola “zaza.”
‎Mahakivy izany.
‎Dia inona no hataon’i Davida?
‎Nasehony hoe be herim-po izy.
‎Herim-po no nahatonga ny sainy sy ny fony hatanjaka
‎ka tsy nipetra-potsiny izy.
‎Tadidiny izay efa nataon’i Jehovah taminy taloha.
‎Tsy hadinon’i Davida mihitsy ny namonjen’i Jehovah azy
‎tamin’ny orsa sy liona.
‎Matanjaka sy haingana kokoa noho ny olona anefa ireo biby ireo.
‎Tsy hoe novonjen’i Jehovah fotsiny i Davida fa nampiany koa,
‎ka nahafaty an’ireo biby masiaka ireo.
‎Tsy nisalasala mihitsy àry i Davida niteny hoe:
‎“I Jehovah izay namonjy ahy teo an-tanan’ny liona sy ny orsa,
‎no hamonjy ahy eo an-tanan’io Filistinina io.”
‎Mety ho kivy na ho ketraka tanteraka mihitsy isika, indraindray.
‎Azontsika atao amin’izay ny misaintsaina
‎ny fomba efa nanampian’i Jehovah antsika hiatrika olana lehibe.
‎Be herim-po i Davida ary nanao zavatra.
‎Nahay nanapa-kevitra tsara izy dia nahomby.
‎Rehefa nomen’i Saoly an’i Davida, ohatra, ny akanjo fitondrany miady,
‎dia nandraman’i Davida aloha ilay izy.
‎Hitany anefa hoe
‎nanelingelina azy fotsiny ilay fiarovan-doha varahina sy ilay akanjo vy
‎ary ilay sabatra.
‎Dia inona no nataony?
‎Notsoriny ny fiainany,
‎dia nesoriny daholo ireo fa nanavesatra azy.
‎Inona no ianarantsika avy amin’izany?
‎Mety ho hoatran’ny teritery be koa ny fiainantsika hatramin’izay
‎satria be dia be amin’ny fananantsika
‎na ny zavatra ataontsika no tsy ilaina akory.
‎Mety hanelingelina ny fanompoantsika an’i Jehovah ireny.
‎Raha izany no iainanao, dia manaova zavatra.
‎Ataovy lisitra ny fanananao sy ny zavatra fanaonao,
‎dia esory izay manavesatra anao.
‎Rehefa tsorintsika mantsy ny fiainantsika
‎dia mora amintsika ny mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
‎Hoatr’antsika ihany i Davida,
‎tsy lavorary izy.
‎Naman’i Jehovah akaiky anefa izy
‎satria be herim-po sy manao zavatra avy hatrany.
‎Izany no nahatonga an’i Davida ho sahy hiteny an’izao tamin’ny zanany,
‎rehefa akaiky ho faty izy:
‎“Mahereza sy matanjaha,
‎ka ataovy ilay asa”!