JW subtitle extractor

“Izao no Nahatongavako ho Amin’izao Tontolo Izao”

Video Other languages Share text Share link Show times

Tonga teto an-tany i Jesosy mba “hanambara ny marina.”
Tsy natahotra mihitsy izy
rehefa notsaraina teo anatrehan’i Pontio Pilato.
Hoy izy, araka ny Jaona 18:37:
“Izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao,
dia ny hanambara ny marina.
Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.”
Niezaka nampianatra ny marina momba
an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany i Jesosy,
nandritra ireo telo taona sy tapany nanompoany teto an-tany.
Nihaino azy tsara ny olona
‘niandany tamin’ny marina’, ary te hianatra foana.
Nisy kosa hita hoe fahavalon’ny fahamarinana,
satria tsy nandray ny vaovao tsara.
Mbola ‘nanambara ny marina’ foana i Jesosy
na dia efa hifarana aza ny fanompoany teto an-tany.
Sahy nanohitra mivantana an’ireo fahavalony izy tamin’izany.
Tantaraina ao amin’ny Matio 21 sy 22
ireo zava-nitranga maromaro ireo.
Ianarantsika ao fa be herim-po i Jesosy,
nahay nampianatra, ary nanana fikirizana.
Hanahaka ny toetrany isika raha mianatra an’ireo toko ireo.
Hojerentsika aloha ny Matio 21.
Resahin’ny andininy 12-14
ny zava-nitranga tamin’ny 10 Nisana taona 33.
Noroahin’i Jesosy daholo tamin’io ireo mpivarotra
sy mpividy biby hatao fanatitra tao amin’ny tempoly,
sady nazerany ny latabatr’ireo mpanakalo vola.
Nanontany azy ny lehiben’ny mpisorona ny ampitson’iny,
hoe fahefana avy aiza moa no nanaovany an’izany.
Inona no navalin’i Jesosy?
Hovakintsika manomboka eo amin’ny andininy 23:
MATIO:
Rehefa nankao amin’ny tempoly izy,
dia nanatona azy ny lehiben’ny mpisorona
sy ny anti-panahin’ny vahoaka, raha mbola nampianatra tao izy.
Dia hoy izy ireo:
LEHIBEN’NY MPISORONA SY ANTI-PANAHY:
Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao?
Ary iza no nanome anao an’izany fahefana izany?
JESOSY:
Izaho koa mba hanontany zavatra iray aminareo.
Raha valianareo izany, dia holazaiko aminareo
hoe avy aiza ny fahefana anaovako an’izao:
Avy aiza no nahazoan’i Jaona fahefana hanao batisa?
Avy any an-danitra sa avy amin’ny olona?
LEHIBEN’NY MPISORONA:
Raha hoy isika hoe: “Avy any an-danitra”,
dia hilaza amintsika izy hoe:
“Koa nahoana ianareo no tsy nino azy?”
ANTI-PANAHY:
Fa raha hoy isika hoe: “Avy amin’ny olona”,
dia ny vahoaka indray no atahorantsika,
satria mihevitra izy rehetra fa mpaminany i Jaona.
LEHIBEN’NY MPISORONA SY ANTI-PANAHY:
Tsy fantatray.
Tsy fantatray.
JESOSY: Izaho koa tsy hilaza aminareo hoe
fahefana avy aiza no anaovako an’izao.
Ahoana ny hevitrareo ny amin’izao?
Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy.
Nankeo amin’ny voalohany izy ka niteny hoe:
‘Mandehana, anaka, miasa any
an-tanimboaloboka androany.’
Ary namaly io hoe: “Eny, tompoko, handeha aho”,
nefa tsy nandeha izy.
Dia nankeo amin’ny faharoa ilay lehilahy
ka niteny hoatr’izany koa.
Fa hoy ny navalin’io: “Tsy handeha aho.”
Nanenina anefa izy nony avy eo, ka nandeha ihany.
Iza amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy?
LEHIBEN’NY MPISORONA SY ANTI-PANAHY:
Ilay faharoa.
JESOSY:
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa mialoha anareo
ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra
ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena.
Fa tonga teo aminareo i Jaona
nampianatra ny lalan’ny fahamarinana,
kanefa tsy nino azy ianareo,
fa ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena kosa nino azy.
Ary na nahita an’izany aza ianareo,
dia tsy nanenina avy eo, mba hahafahanareo hino azy.
Henoy indray izao fanoharana izao:
Nisy lehilahy iray nanan-tany.
Nanao tanimboaloboka izy ka namefy azy manodidina
sy nihady lavaka famiazam-boaloboka teo
ary nanangana tilikambo.
Nampanofainy tamin’ny mpamboly izy io,
ary lasa nankany an-tany hafa izy.
Rehefa akaiky ny fotoam-piotazana,
dia nirahiny ho any amin’ireo mpamboly
ny mpanompony mba handray ny vokatra.
Nosamborin’ireo mpamboly anefa ireo mpanompo,
ka ny iray nokapohiny, ny iray novonoiny ho faty,
ary ny iray notorahany vato dia maty.
Naniraka mpanompo hafa indray izy,
maro noho ny teo aloha,
kanefa mbola nataon’ireo hoatr’izany koa.
Farany, dia nirahiny tany amin’ireo ny zanany lahy,
fa hoy izy: “Hanaja ny zanako ireo.”
Nony nahita ny zanany anefa ireo mpamboly,
dia nifampiresaka hoe:
“Iny ny mpandova.
Andao hovonointsika izy dia ho azontsika ny lovany!”
Dia nosamborin’ireo izy ka noroahiny
ho eny ivelan’ny tanimboaloboka, dia novonoiny ho faty.
Rehefa tonga àry ny tompon’ny tanimboaloboka,
hataony ahoana ireo mpamboly ireo?
LEHIBEN’NY MPISORONA SY ANTI-PANAHY:
Tsy maintsy haringany ireo, satria ratsy fanahy.
Ilay tanimboaloboka kosa hampanofainy
amin’ny mpamboly hafa,
izay hanome azy ny vokatra
amin’ny fotoam-piotazana.
JESOSY:
Mbola tsy novakinareo tao amin’ny
Soratra Masina mihitsy ve ny hoe:
“Ny vato nolavin’ny mpanao trano
no tonga vato fehizoro lehibe indrindra,
ary i Jehovah no nahatonga izany,
ka mahagaga eo imasontsika”?
Izany no antony ilazako aminareo hoe:
Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra
ka izay firenena mamokatra voa
mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.
Dia ho potipotika izay mianjera eo amin’izany vato izany,
ary ho torotoro izay ianjerany.
MATIO:
Nony nandre ireo fanoharana ireo
ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo,
dia takatr’izy ireo fa izy no noresahin’i Jesosy.
Na te hisambotra azy aza anefa ireo,
dia natahotra ny vahoaka,
satria nihevitra an’i Jesosy ho mpaminany ny vahoaka.
Hita tamin’ny tenin’ny lehiben’ny mpisorona
sy ny anti-panahy, eo amin’ny andininy 23,
fa tena tsy nanaja an’i Jehovah izy ireo,
sady nanazimbazimba
ny tempoliny sy ny Tenin’ny Fahamarinana.
Nilaza mantsy izy ireo hoe:
“Fahefana avy aiza no anaovanao an’izao?
Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?”
Nametrahan’i Jesosy fanontaniana koa izy ireo
ka tsy nahateny,
satria tonga dia hita hoe mpamitaka sy fetsifetsy.
Mbola tsy nahita havaly akory
ireo mpitondra fivavahana ireo,
dia efa nanaovan’i Jesosy fanoharana roa.
Nampitahainy tamin’ny zanaka maditra izy ireo,
satria nampanantena hoe hanao ny sitrapon’Andriamanitra
nefa tsy nitana ny teniny akory.
Noharin’i Jesosy tamin’ny mpamboly ratsy toetra koa izy ireo,
satria tsy nikarakara tsara ny tanimboalobok’i Jehovah,
sady tsy nino ny Zanak’Andriamanitra.
Tena nahay nanao fanoharana i Jesosy,
ka ireo mpitondra fivavahana ireo ihany
no nanameloka ny tenany.
Romotra be izy ireo ary te hamono an’i Jesosy.
Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo, ka nataony indray
izay hamandrihana an’i Jesosy tamin’ny teniny.
Ahoana no nataon’i Jesosy?
Araho ny Matio 22:15-33:
MATIO:
Ary lasa nikaon-doha mba hamandrihana
an’i Jesosy amin’ny teniny, ny Fariseo.
Nirahiny ho any amin’i Jesosy àry ny mpianatr’izy ireo,
niaraka tamin’ireo mpomba an’i Heroda,
hiteny hoe:
FARISEO: Mpampianatra ô, fantatray
fa milaza ny marina foana ianao,
sady marina ny fampianaranao ny lalàn’Andriamanitra, ...
MPOMBA AN’I HERODA:
Tsy mba miangatra koa ianao satria tsy mba matin-kenamaso olona.
FARISEO:
Ahoana ny hevitrao?
Azo atao ve sa tsia ny mandoa
ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?
MATIO:
Fantatr’i Jesosy anefa ny haratsiam-panahin’ireo, ka hoy izy:
JESOSY:
Nahoana ianareo no mamandrika ahy, ry mpihatsaravelatsihy?
Asehoy ahy ny vola madinika andoavana ny hetra isan-dahy.
MATIO:
Koa nitondran’ireo denaria iray izy.
Dia hoy izy tamin’ireo:
JESOSY:
Sarin’iza io ary an’iza io soratra eo io?
FARISEO SY MPOMBA AN’I HERODA:
An’i Kaisara.
JESOSY: Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara,
fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.
MATIO:
Gaga ireo nony nandre izany, ka lasa nandao azy.
Nanatona azy tamin’iny andro iny koa ny Sadoseo,
izay milaza fa tsy hisy fitsanganan’ny maty.
Nanontanian’ireo izy hoe:
SADOSEO:
Mpampianatra ô, nilaza i Mosesy hoe:
“Raha misy lehilahy maty tsy niteraka,
dia tsy maintsy mampakatra ny vady navelany
ny rahalahiny mba hiteraka hamelo-maso ny maty.”
Nisy fito mirahalahy teto aminay.
Nanambady ilay voalohany, dia maty.
Tsy niteraka anefa izy
ka namela ny vadiny ho an’ny rahalahiny.
Hoatr’izany koa ny faharoa sy ny fahatelo,
hatramin’ny fahafito.
Ary maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany.
Koa rehefa hitsangana ny maty,
ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy ravehivavy?
Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy rehetra.
JESOSY:
Diso hevitra ianareo, satria samy tsy fantatrareo
na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra.
Fa rehefa hitsangana ny maty,
dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina,
fa hitovy amin’ny anjely any an-danitra.
Raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty indray,
dia tsy novakinareo ve
izay nolazain’Andriamanitra taminareo hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama
sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?
Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.
MATIO:
Rehefa nandre izany ny vahoaka,
dia tena gaga tamin’ny fampianarany.
Ny mpomba an’i Heroda sy ny mpianatry ny Fariseo
no nanatona an’i Jesosy voalohany.
Tsy nitovy hevitra mihitsy ireo olona ireo,
nefa nifanaraka ry zareo
tamin’io satria samy tsy tia an’i Jesosy.
Mody nandoka azy aloha izy ireo
vao nanontany hoe:
“Azo atao ve sa tsia ny mandoa
ny hetra isan-dahy amin’i Kaisara?”
Fandrika ilay izy, raha ny marina.
Raha namaly mantsy i Jesosy hoe: “Ie, azo atao”,
dia ho tezitra ny vahoaka
satria hoatran’ny hoe tsy nampaninona an’i Jesosy
ny fampijalian’ny Romanina azy ireo.
Raha niteny anefa izy hoe:
“Tsy azo atao”,
dia mety ho voasambotra izy
satria toy ny nampirisika ny olona hikomy.
Nampiasa vola madinika iray àry i Jesosy
mba hamaliana an’ilay fanontaniana.
Tena nandaitra ilay fampianarany
satria nampiasa zavatra hita maso izy,
ka gaga izay nihaino azy.
Ny Sadoseo indray avy eo no nitady tetika
hanalana baraka an’i Jesosy.
Nilaza tantara iray izy ireo, mba hanaporofoana
fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty.
Hevitra hoatran’ny mbola tsy noeritreretin’izy ireo
mihitsy anefa no namalian’i Jesosy azy.
Nanonona an’ilay tenin’i Jehovah
ao amin’ny Eksodosy 3:6 izy, hoe:
‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama
sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba.’
Efa maty efa ela i Abrahama sy Isaka ary Jakoba,
tamin’i Jehovah niteny an’io.
Tsy nilaza anefa i Jehovah hoe
taloha izy no Andriamanitr’ireo olona ireo,
fa hoe mbola Andriamanitr’izy ireo foana izy.
Toy ny hoe mbola velona àry
ireo mpanompony ireo taminy,
na dia efa maty efa ela aza,
satria tsy maintsy hatsangany.
Nilaza tamin’ny Sadoseo koa i Jesosy
fa “rehefa hitsangana ny maty,
dia tsy hampaka-bady izy na havoaka hampakarina,
fa ho tahaka ny anjely any an-danitra.”
Mety ho ny fitsanganana any an-danitra
no tiany horesahina tamin’io.
Misy amin’ireo mpianany teo mantsy
mety ho anisan’ireo hatsangana ho any an-danitra.
Gaga ny vahoaka satria tena nahay nampianatra i Jesosy.
Farany dia ny Fariseo sy ny Sadoseo mihitsy
no niray hina mba hamandrika an’i Jesosy.
Hoy ny iray tamin’izy ireo, izay tena “nahay Lalàna”:
“Inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”
Nampisy adihevitra be io fanontaniana io tamin’izany.
Mbola ho hain’i Jesosy ve ny hamaly azy io?
Harahintsika izao ny Matio 22:34-46,
ary hojerentsika izay azo ianarana avy amin’izany.
Matio toko 22, manomboka eo amin’ny andininy 34:
MATIO:
Nony ren’ny Fariseo fa nataon’i Jesosy tsy nahateny ny Sadoseo,
dia niara-nivory avokoa izy ireo.
Ary namandrika azy ny iray taminy,
izay nahay Lalàna, ka nanontany hoe:
FARISEO:
Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao ny Lalàna?
JESOSY:
“Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo
sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.”
Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany.
Mitovy amin’izany ihany koa ny faharoa, dia hoe:
“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”
Ireo didy roa ireo no fototry ny Lalàna manontolo
sy ny Mpaminany.
MATIO:
Raha mbola tafangona teo ny Fariseo,
dia nanontanian’i Jesosy hoe:
JESOSY:
Ahoana ny hevitrareo momba an’i Kristy?
Zanak’iza moa izy?
FARISEO:
Zanak’i Davida.
JESOSY:
Nahoana àry i Davida no niantso azy hoe Tompo,
araka ny nambaran’ny fanahy masina taminy, ka nilaza hoe:
“Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: ‘Mipetraha eto ankavanako
mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao’ ”?
Koa raha niantso azy hoe Tompo àry i Davida,
ahoana no maha zanany azy?
MATIO:
Dia tsy nisy nahavaly azy, sady tsy nisy sahy nanontany azy
intsony nanomboka tamin’iny andro iny.
Nisy lalàna sy fitsipika 600 mahery
tao amin’ny Lalàn’i Mosesy,
nefa tsy nisalasala i Jesosy nilaza
fa didy roa no “fototry ny Lalàna manontolo.”
Momba ny fitiavana ireo didy roa ireo,
satria ny fitiavana no takina ao amin’ny fivavahana marina.
Hita tamin’ny valin-tenin’i Jesosy hoe lovantsofina fotsiny
no arahin’ireo mpanohitra azy fa tsy ny Tenin’Andriamanitra.
Nifarana teo ilay adihevitra.
I Jesosy indray avy eo no
nanontany an’ireo mpanohitra azy hoe:
‘Raha “zanak’i Davida” i Kristy,
nahoana àry i Davida no niantso azy hoe “Tompoko”,
ao amin’ny salamo?’
Tsy nahita havaly izy ireo ka hita hoe
tena tsy nahay ny Soratra Masina.
Tsy sahy nanontany an’i Jesosy intsony izy ireo.
Ahoana àry no anahafantsika an’i Jesosy
rehefa manambara ny marina?
Voalohany, miezaha hanana herim-po toa an’i Jesosy.
Tena nanam-pinoana izy, ka izay no
nahatonga azy ho be herim-po.
Mila manatanjaka ny finoantsika koa àry isika.
Ahoana no hanaovana an’izany?
Mila mangataka ny fanahy masina isika,
misaintsaina ny tantaran’ireo mpanompon’Andriamanitra
be herim-po fahiny,
ary mifantoka tsara any am-pivoriana
mba ho tafalatsaka ao am-pontsika izay ianarantsika.
Faharoa, miezaha hahay hampianatra toa an’i Jesosy.
Hanohina ny fon’ny olona isika
raha mahay mametraka fanontaniana,
manao fanoharana, mampiasa zavatra hita maso,
mahay mampisaintsaina,
ary mampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra.
Fahatelo, manàna fikirizana toa an’i Jesosy.
Aza kivy na dia tsy mandray aza ny olona
rehefa mitory sy mampianatra ianao.
Mety hiova ihany izy ireny,
na dia nanohitra aza tamin’ny voalohany.
Milaza ny Asan’ny Apostoly
fa nisy Jiosy an’arivony, tatỳ aoriana,
lasa nandray ny vaovao tsara notorin’i Jesosy.
Anisan’izany ny “mpisorona maro be” sy ny Fariseo sasany.
Tsy nanao zavatra noho ny tsy fahalalana
intsony izy ireo fa nibebaka,
ka lasa nankasitrahan’Andriamanitra.
Aoka àry ianao ho tapa-kevitra
ny hanambara ny marina foana toa an’i Jesosy,
na miatrika fanoherana mivantana ianao, na an-kolaka.