JW subtitle extractor

Nehemia: “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo”—Fizarana 1

Video Other languages Share text Share link Show times

Araka ny tantara ara-baiboly henoina
dia nody ny Jiosy tamin’ny 537 T.K, mba hanorina indray ny tempoly.
Vita ilay izy tamin’ny 515 T.K.
Mbola rava anefa ny manda tamin’izay.
Tian’i Jehovah haorina indray ny manda.
I Nehemia no nasainy hitarika ny asa.
Asa be ilay izy, nefa ry zareo koa nisy nanohitra.
Hoy i Nehemia tamin’ny Israelita:
“Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.”
Ahoana no nanampiany azy ireo ho faly foana na teo aza ny fanoherana?
Inona no ianarantsika avy amin’izy ireo?
Ireto misy lesona telo. Saintsaino izany rehefa mijery an’ilay filma ianao.
Nahoana ny vavaka no nanampy an’i Nehemia ho be herim-po?
Ankoatra ny fanafihana mivantana, inona koa no tetika nampiasain’ny mpanohitra?
Inona no nanampy an’i Nehemia ho faly foana na teo aza ny olana?
Tadidinareo ve izy teo?
Makà toerana àry, dia ankafizo ilay filma hoe:
“Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo.”
Faly aho fa anisan’ireo namerina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina.
Fantatry ny olona hoe nanorina an’ilay manda izahay.
Tsy hainy anefa ny zavatra sasany tamin’ilay tantara.
Aleo hotantaraiko hatramin’ny voalohany.
Taona faha-20 nanjakan’i Artaksersesy tamin’izay.
Tao an-dapany tany Sosana aho,
dia mpandroso zava-pisotro ho an’ny mpanjaka no asako.
Tena natoky ahy izy.
Lavitra an’i Jerosalema aho.
Faly anefa aho satria nino hoe nanompo an’i Jehovah ry zareo tany.
Niova anefa izany rehefa nitsidika ahy i Hanany rahalahiko.
Niova be ny fiainako nanomboka teo.
Fa misy inona ry Hanany?
Manahoana ny any?
Mahakivy.
Mampalahelo fa esoin’ny olona ny vahoakan’i Jehovah.
Rava ny mandan’i Jerosalema, dia ny vavahady kilan’ny afo.
Ary ny tempoly?
Mbola ao, fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fanompoana ao.
Tsy miraharaha ny Lalàn’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona sy ny mpisorona.
Tokony hiaraka aminay ianao.
Nanenjika ahy foana ny eritreritro taorianan’iny.
Nanota ny vahoakan’i Jehovah, satria tsy nanaraka ny lalàny.
Toy ny hoe manota koa anefa aho, satria tsy mba manampy azy ireo.
Havelan’ny mpanjaka ho any ve anefa aho?
Nitalaho tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy.
Nehemia! Maninona ianao no hoatr’izao nefa tsy marary akory?
Misy zavatra mampalahelo anao ve?
Rariny aho raha malahelo.
Henoko hoe ny tanàna misy ny fasan-drazako simba, dia kilan’ny afo ny vavahadiny.
Hazavao tsara hoe!
Lazao amiko izay tianao hatao.
Tonga aho dia nivavaka tamin’ilay Andriamanitry ny lanitra.
Raha sitraky ny mpanjaka,
ary raha ankasitrahanao ny mpanomponao,
dia alefaso any Joda aho, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanorina azy indray.
Mandehana àry!
Tena nanampy anay i Jehovah.
Nomen’ny mpanjaka an’izay nilaiko aho.
Nandefa miaramila koa izy hiaraka amiko.
Dia notendreny ho governora aho.
Dia nankany Jerosalema izahay mba hanorina indray ny manda.
Nahita ampahany tamin’ilay tanàna aho tamin’ny vao tonga.
Nijery an’ilay manda anefa aho rehefa alina ny andro, dia hitako hoe simba be ilay izy.
Andraso eto aho.
Tsy nampino ahy ny zavatra hitako.
Mila resahina amin’izay ny zavatra tian’i Jehovah hatao amin’i Jerosalema.
Nasaiko nivory ny mpitarika rehetra.
Fa iza io?
Nehemia, mpandroso zava-pisotro ho an’ny Mpanjaka.
Dia maninona atỳ, hono, izy?
Azafady!
Tsy voaro mihitsy ny tanàna masina, satria simba ny manda.
Andao isika hanorina ny manda, amin’izay tsy afa-baraka intsony.
- Dia ahoana hozy ny manodidina?
- Be dia be koa ny fahavalo.
Nirahin’i Artaksersesy aho, mba hanorina ny tanàna sy ny manda.
Tsy hitanareo ve ny miaramila nalefany sy ny hazo nomeny?
I Jehovah no nahatonga an’izany.
Izy no tokony hatahorantsika. Dia izy no hitahy antsika.
Tsy ny olona rehetra anefa no faly tamin’ilay zavatra hataonay.
Izay izany no tian’ilay Nehemia iny hatao?
Gasema a, voa amin’izany isika.
Raha tsy misy manda, dia ho voafehintsika ry zareo.
Raha voaorina ny manda, dia tsy hila fanampiana intsony ry zareo.
Fikomiana anie izany e!
Sakanantsika izy. Andao hanao zavatra. Isika rehetra. Manaiky ve ianareo?
- Mety amiko.
- Izaho koa vonona foana.
Tsara izany. Andao ho any Jerosalema hanara-maso an’i Nehemia.
Mbola te hifehy sy hanararaotra anay ny mpanohitra.
Tonga dia nanao izay hampitahorana anay ry zareo.
Iza iretsy?
Izy no Sanbala, governoran’i Samaria.
Ilay eo akaikiny i Tobia, manam-pahefana amonita.
Tompon’ny tany hofan’ny ankamaroan’ny Jiosy izy.
Izy no Gasema. Arabo izy, manankarena be, ary namana akaikin’i Sanbala.
Nehemia! Ianareo toa mikomy amin’ny mpanjaka?
- Ny mpanjaka no nandidy anay.
- Hoe hanorina ny tanàna sy ny manda?
Ie. Nasainy nanorina ny tanàna sy ny manda izahay.
Maninona ianareo no tsy manontany ahy? Izaho anie no governoran’i Samaria e!
Fa i Nehemia notendren’ny mpanjaka ho governoran’i Joda.
Afaka manampy anareo izahay.
Izahay koa manompo an’i Jehovah sady manao fanatitra ho azy.
Sady manao fanatitra ho an’ny andriamani-kafa.
Ilay Andriamanitry ny lanitra ihany no hanampy anay.
Tsy maintsy hanorina ny manda izahay satria mpanompony.
Ny resaka fivavahana tsy tokony hampisaratsaraka firenena.
Tsy manana anjara na zo eto Jerosalema ianareo.
Sanbala a! Sao dia ianao no mikomy amin’ny Mpanjakan’ny tany manontolo?
Niasa mafy ny vahoaka na teo aza ny fanoherana.
Nehemia a, iretsy mila afindrantsika toerana.
Tsy ilay fanorenana ihany anefa no nanahirana azy ireo.
Nanatanjaka ny finoako ny ohatr’i Ebera.
Mino aho hoe hitan’i Jehovah ny ezaka nataony.
- Ebera!
- Ahoana?
Ahoana io asa io? Hoatran’ny tsy ho vita mihitsy an.
- Efa mba miezaka aloha isika e!
- Hmm! Io indray ianao.
Fa tara indray ny hofan-tranonareo. Impiry izay!
Tena miala tsiny e! Mba miandrasa kely. Ny asa amin’ilay manda koa moa...
Tsy te hahalala an’izany aho. Miala ao ianareo amin’ny faran’ny volana raha tsy voaloa io.
Tsy misy vahaolana mihitsy ve?
Sao dia mba misy asa azoko atao any aminao?
Tsy manam-potoana amin’izany ianao.
Ahoana raha ny zanakao vavy, dia mipetraka any aminay izy?
-Ho andevo?
-An an an. Hanampy an’i Azoba izy, handoavana ny trosanao.
Efa mba manampy aho. Izay no vahaolana tsara indrindra. Eritrereto izay.
- Niresaka tamiko i Rahama androany.
- Hoe ahoana?
Tiany halaina, hono, i Simka hanampy an’i Azoba.
Hokarakarainy hoatran’ny zanany mihitsy, hono, izy.
Imma a, haiko tsara i Rahama sy Azoba hatramin’ny nahatongavako teto Joda.
Nanampy antsika i Rahama, sady an’azy ity trano ity.
Hafahafa izany. Halainy ve i Simka dia hipetraka any aminy?
- Imma a...
- Ahoana ilay didy hoe ny ray aman-dreny ihany no tokony hitaiza ny zanany?
Ho tsara kokoa ange ny fiainany raha any izy e!
Tsy mampaninona ahy isika na ho sahirana sy hitsimpona sakafo aza, fa tsy ekeko izany.
Hahavelona antsika ve izany?
Ka i Jehovah eo foana mikarakara an’ireo tia sy mankatò azy!
Niantehitra tamin’i Jehovah i Ebera sy ny Jiosy hafa, ka nanohy an’ilay asa.
Nanorina toby teo ivelan’i Jerosalema i Sanbala mba hahitany an’izay ataonay.
-Dia ahoana? Misy vaovao?
-Ie, misy.
-Inona?
Efa eo amin’ny antsasaky ny haavony ny manda.
Efa lasa lavitra ry zareo. Gasema a, angony ny miaramila dia andao hanafika.
Hanafika ahoana?
- Raha manafika isika, dia mikomy amin’ny mpanjaka.
- Mikomy ahoana e?
- Marina izany. I Artaksersesy anie no naniraka an’i Nehemia e!
- Be dia be koa ny miaramila nalefany.
- Ho sahy hanafika ve ianao raha mbola teo ny miaramilany?
- Ary raha miverina izy?
Tsy raharahako! Tsy misy atahoranareo an’izany.
Faritaniko ity, dia afaka manao izay tiako aho!
Mila ampitahorintsika ry zareo.
Gasema a, ento ny miaramila avy any Samaria, dia avy atỳ ianareo no manafika.
- Hanafika antsika, hono, ry zareo!
- Ahoana no ahalalanareo an’izany?
Henoko ny resany.
- Milamìna aloha. Efa nisy notafihiny?
- Mety ho efa nisy! Izy nahita ny nataon-dry zareo.
- Nehemia a, avelanao ho faty eto izany izahay?
- Izaho tsy hanao an’izany.
Hanany a, zarazarao isam-pianakaviana ny olona, dia asaivo miambina eny ivelan’ny manda.
- Eny àry.
- Izany ve dia hety!
Tadidio izao: Raha matahotra isika dia ho tratrany ny tanjony.
- Ka tsy tian’ny olona anie isika manao an’io asa io e!
- Tsy niara-niaina tamin-dry zareo teto ianao!
- Manàna finoana. Sitrapon’i Jehovah ny hanamboarantsika an’io!
- Maninona àry isika no misy manohitra?
- Ary raha ajanona kely aloha?
- Sady mafy loatra ilay asa. Reraka izahay!
Inona koa moa no ilantsika manda e?
Hiarovana ny vahoakan’i Jehovah.
Aza matahotra an-dry zareo.
Matokia an’i Jehovah. Ho fialofantsika izy satria izy tena mahery.
Arovy ny rahalahinareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny vadinareo, ary ny tranonareo.
Rehefa maneno ny anjombona, dia mivoria daholo.
Hiady ho antsika ilay Andriamanitsika.
Henoy fotsiny ny anjombona.
Tsy matahotra antsika ry zareo!
Ho hitantsika izay ataony rehefa tena manafika isika.
Efa niresaka isika hoe fikomiana amin’ny mpanjaka izany. Sady ry zareo efa afaka miaro tena.
Sanbala a, marina ny teniny. Isika no ho voa raha manafika.
Tsy olona tsotsotra no naniraka an’i Nehemia, fa ny mpanjakan’i Persa.
Mitady ho mpanjaka iny Nehemia iny.
Maninona raha izy no endrikendrehintsika ho mpikomy?
Tsara be izany hevitra izany!
Ie! Dia hila ny fanampiantsika i Nehemia. Andao isika hiverina any Samaria.
Hanany!
- Mihosina mihitsy ialahy izany!
- Mba miasa mafy, hono.
- Ie! Miasa mafy ialahy ka.
- **[Mihomehy]**
Azafady, tena kely sisa dia ho vitantsika ny manda.
Manampy antsika i Jehovah, fa isika mila manao ny anjarantsika.
Manomboka izao dia ambenantsika i Jerosalema.
Hifandimby isika amin’ny alina. Handamina azy i Hanany.
Misaotra tamin’ny androany.
Niasa mafy daholo ny olona.
Mbola niatrika olana hafa anefa izahay.
Maninona ianareo no tonga atỳ? Inona no azoko anampiana anareo?
Nehemia a! Be dia be ny zanakay, nefa izahay tsy manana sakafo.
Nataonay antoka ny sahanay sy ny tranonay, tamin’ny fotoana tsy nisian’ny sakafo.
Nindram-bola izahay, dia ny fanananay no nataonay antoka, mba handoavana hetra.
Ny zanakay sasany aza lasa andevo mihitsy.
Tsy misy azonay atao. Lasan’ny olona mantsy ny sahanay.
Misaotra anareo nilaza an’izay tamiko. Hodinihiko tsara izay.
- Misaotra Nehemia a.
- Misaotra anao.
Hanany a, asaivo mankatỳ amiko daholo ny olona ambony sy ny solontenam-panjakana rahampitso maraina.
Hanampy antsika handamina an’io olana io i Jehovah.
Mba henoy kely. Samy maka zanabola amin’ny rahalahinareo ianareo. Tsy mba menatra ve ianareo?
Tokony hatahotra an’i Jehovah ianareo, mba tsy handatsa antsika ireo firenena manohitra antsika.
Izao àry: Aza mitaky zanabola intsony.
Avereno amin’ny rahalahinareo ny sahany, ny tanimboliny, ny sahan’olivany, ary ny tranony.
Avereno aminy koa ny zanabola nalainareo.
Nehemia a, ao fa hampihariko izay androany. Haveriko izay nalaiko.
Izahay rehetra mihitsy no hanao an’izany.
Eo anatrehan’i Jehovah, mianiana ve ianareo hoe hanao an’izany?
Ie!
Hosazin’Andriamanitra anie izay olona tsy manatanteraka an’izany teny izany.
Amena!
Mesolama a, mila resahintsika amin’i Tobia izao.
Aza matahotra rahalahy a, hitahy antsika i Jehovah.
Rahama! Misy vaovao.
- Hay?
- Ie. Ao ny hofan-trano.
Angaha?
Tongava maka an’ilay izy.
Dia... ahoana izany i Simka?
Mijanona ao aminay izy.
Ary toa vetivety ianareo dia nahita?
Mikarakara an’ireo tia sy mankatò azy i Jehovah.
Be dia be ny zavatra nihatsara hatramin’ny nahatongavan’i Nehemia.
Heverin’i Nehemia fa mbola tanora foana isika.
Izaho anefa niasa mafy.
Mieritreritra angamba i Nehemia hoe azoazo teny fotsiny ireny fananantsika ireny.
- Niasa mafy ange aho vao nahazo an’ireo e!
- Marina izany.
Raha averiko ny tanimboly, dia inona no hohaniko? Inona no hosotroiko?
Inona no maharatsy ny mampindrana sy ny maka zanabola?
Tian’i Jehovah ho tsara fanahy amin’ny hafa fotsiny isika.
Tsy henonao ve ny teniko teo? Efa manampy an-dry zareo aho!
- Dia maninona ianao no tezitra?
- Tsy tezitra izany aho!
- Maninona àry ianao no masiaka amiko?
- Mahatsiaro ho voafitaka aho!
- Tsy azoko!
- Voafitak’ireny olona nampiako ireny!
- **[Misento]**
- Ka inona àry no azoko atao eo?
Ny adidy tokony hataonao! Omeo zanakalahy aho, fara faharatsiny zanakavavy!
Manome tsiny ahy ianao, nefa tsy miankina amintsika izany.
Zanaka ihany ny ahy, fa tsy raharahako izany.
- Andao isika hanoratra amin’ny mpanjaka.
- Aleo aloha handrasantsika izay lazain’ilay zalahy iny.
- Azafady tompoko.
- Nanahoana ny tany?
- Tampina daholo ny banga amin’ny manda.
- Angaha?
Fa ahoana ry zareo no haingana be hoatr’izany?
Dia ity, hono, ho an’i Tobia.
- Teren’i Nehemia izahay hamerina ny tanimboly amin’ny tompony. Andao hanao zavatra haingana.
- Aoka izay!
Ilazao i Nehemia hoe: “Andao isika hifanao fotoana any amin’ny tanàna kelin’ny lemak’i Ono.”
Te hanisy ratsy ahy fotsiny ry zareo.
Izao tenenina azy: “Asa lehibe no ataoko, ka tsy afaka mankany aho.
Tsy afaka hanajanona ny asa aho mba handehanana any.”
Imbetsaka ry zareo no nandefa an’ilay hafatra tatỳ amiko.
Nitovy foana koa anefa ny navaliko azy.
Azafady! Faninefany izay izy no nanda.
**[Misento]**
Gasema a, andao harahina amin’izay ny teninao.
Tobia, soraty izao:
“Malaza any amin’ireo firenena fa miray tetika ny hikomy ianao sy ny Jiosy, ary izany koa no nolazain’i Gasema.
Izany no antony anorenanao ny manda.”
Ahoana?
Intỳ omeo an’i Nehemia.
Teneno i Sanbala hoe: “Tsy nisy akory izany zavatra lazainao izany, fa noforomporoninao tao an-tsainao fotsiny.”
Mandainga ry zareo. Tiany hampitahorina isika, amin’izay manajanona ny asa.
Fantany hoe tsy hanova an’ilay didy ny mpanjaka.
Fa ireo tsy hijanona izany. Jereo ange e!
Jehovah, miangavy anao aho, mba ampaherezo aho.
Inona no hataontsika? Efa kely sisa ny fotoana. Kely sisa dia ho vitan-dry zareo ny manda.
Sanbala a, izaho manana soso-kevitra.
Semaia a, tonga izahay.
Ho avy! Midira haingana!
- Misy mitady hamono anao, dia izaho koa satria fantatro ilay izy.
- Semaia a, hazavao tsara.
Hisy hamono ianao. Androany alina.
Mila mankao amin’ny tempoly isika, dia mijanona ao.
- Semaia a, olona hoatr’ahy ve dia handositra?
- Ka tsy azonao!
- Ho kivy ny vahoaka raha mahafantatra an’izany.
- Ka ao ihany ny toerana azo antoka.
Tadidio koa fa izaho tsy mpisorona.
Mendrika ny ho faty aho raha miditra ao amin’ny tempoly.
- Izaho tsy hiditra ao.
- Hadalana izany ataonao izany.
Azoko. Miray tetika amin’i Tobia sy Sanbala ianao. Mpihatsaravelatsihy!
Enga anie hosazin’i Jehovah ry zareo, sy ianareo mpaminany sandoka mampitahotra ahy ireo.
Hanany a, andao isika hiasa.
Tsss!
Niasa andro aman’alina izahay.
Tsy hitahitanay akory dia vitanay hatramin’ny farany ny manda.
Toa tsy ho vita ilay izy, nefa nampian’i Jehovah izahay.
Tena reraka izahay. Falifaly indray anefa izahay. Efa ela izahay no tsy nahatsapa an’izany.
Nehemia a, vita ny manda!
Oeeee!
Vita ihany!
Ie, 52 andro fotsiny dia vita!
Azafady, intỳ misy taratasy avy any amin’i Semaia.
Ahoana, hono?
Vita ny manda.
Ny vavahady sisa.
- Mila manao zavatra haingana isika. Sanbala a...
- Tobia a, aoka izay.
Mbola manam-potoana isika.
Andao hanoratra any amin’ny mpanjaka.
Tobia a, mbola tsy hitanao ihany ve hoe ampian’Andriamanitra ry zareo?
Tsy misy azo atao intsony.
Tsy ho afaka hifehy an-dry zareo intsony isika.
Andao hanao zavatra.
Vitanay ny nanorina ny manda.
Mbola nila ny fanampian’i Jehovah anefa izahay tamin’ny zavatra nitranga taorian’izay.