00:00:08
Volana Tisry tamin’izay.00:00:11
00:00:11
Be dia be ny fety natao tamin’io volana io.00:00:15
00:00:15
Vao avy nanorina ny manda mihitsy izahay.00:00:18
00:00:18
Nila nampiana hifandray tsara tamin’i Jehovah indray ny olona.00:00:23
00:00:25
Betsaka no tsy nahafantatra ny Lalàn’Andriamanitra.00:00:29
00:00:29
I Ezra no tena afaka nanampy anay.00:00:32
00:00:32
Efa tany Jerosalema izy talohan’ny nahatongavako.00:00:36
00:00:38
Izao no fitsipika sy didim-pitsaran’i Jehovah.00:00:41
00:00:42
Namaky mafy ny Lalàn’i Mosesy izy sy ny Levita.00:00:45
00:00:46
Sady namaky izy ireo no nanazava.00:00:51
00:00:55
Hay tena nampalahelo an’i Jehovah ny zavatra nataonay.00:01:00
00:01:00
Nisy taminay niasa nandritra ny Sabata,00:01:04
00:01:04
na nanolotra sorona nisy kilema,00:01:06
00:01:06
na nisaraka tamin’ny vadiny dia nanambady hafa firenena.00:01:11
00:01:11
Tena nalahelo izahay hoe tsy nankatò ny Lalàna.00:01:14
00:01:14
Lasa fantatray anefa ny fomba hampifaliana an’i Jehovah.00:01:18
00:01:19
Aza mitomany na malahelo.00:01:21
00:01:22
Efa fantatrareo izao ny zavatra tsy tian’Andriamanitra,00:01:25
00:01:25
dia miezaha hampifaly azy.00:01:27
00:01:28
Mandehana àry,00:01:29
00:01:29
hano ny matavy, sotroy ny mamy, ary anatero anjara izay tsy manana.00:01:36
00:01:36
Aza malahelo àry,00:01:38
00:01:38
fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.00:01:42
00:01:49
Nanaraka ny tenin’i Jehovah izahay,00:01:51
00:01:51
dia nankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.00:01:54
00:02:08
Tena nifaly izahay nandritra ny andro maromaro,00:02:11
00:02:11
ary nisaotra an’i Jehovah noho ny fitahiany.00:02:14
00:02:14
Nivory izahay tamin’ny faha-24-n’ny volana,00:02:17
00:02:18
mba hamaky ny Lalàn’Andriamanitra,00:02:20
00:02:20
hiaiky ny fahotanay,00:02:24
00:02:24
ary hitomany noho ny tsy nety nataonay.00:02:27
00:02:34
Nanao fianianana an-tsoratra izahay.00:02:40
00:02:55
Nianiana izahay hoe hankatò ny Lalàn’i Jehovah.00:02:58
00:02:59
Amena!00:03:00
00:03:00
Amena!00:03:02
00:03:03
Vetivety anefa ny sasany dia nanadino ny fianianany.00:03:07
00:03:08
Ebera!00:03:09
00:03:11
Ahoana Rahama a!00:03:12
00:03:16
Intỳ ny hofan-tranonao.00:03:17
00:03:18
Sarotra ny mitondra an’ity fa ataovy anaty gony.00:03:20
00:03:24
Henonao ve ny baikon’i Nehemia farany?00:03:26
00:03:27
Ilay hoe asiana mponina indray ao Jerosalema?00:03:30
00:03:30
Ilay hoe izay tratran’ny antsapaka dia terena hifindra any Jerosalema.00:03:35
00:03:37
Ie, henoko.00:03:38
00:03:38
Izaho anisan’ny voafidy. Tsy azoko.00:03:41
00:03:42
Tsy raharahainy mihitsy ve ny olona manana tany hoatran’ahy?00:03:45
00:03:45
Aiza kosa e! Dia rahoviana ianareo no hifindra?00:03:50
00:03:51
Maninona a? Izaho tsy hifindra izany.00:03:54
00:03:54
Tsy misy azony terena na izaho na ianao.00:03:56
00:03:57
Izaho tsy voafidy.00:03:59
00:03:59
Hatreto aloha!00:04:00
00:04:00
Fa rehefa voafidy ianao, dia izay ataoko arahina.00:04:03
00:04:05
Rahama a!00:04:06
00:04:09
Ny mpanjaka no naniraka an’i Nehemia hanorina ny tanàna.00:04:12
00:04:15
I Nehemia no governora.00:04:16
00:04:16
Tsy raharahako izany. Tsy maintsy hiala eo izy.00:04:18
00:04:19
Hiverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra rehefa lasa izy.00:04:23
00:04:23
Na tsy eo intsony aza i Nehemia, dia i Jehovah mahita antsika.00:04:27
00:04:28
Sitrapony ilay hoe aorina indray i Jerosalema.00:04:31
00:04:32
Tsy ekenao ve izany?00:04:33
00:04:33
Manohana an’i Nehemia izany ianao?00:04:36
00:04:36
Izaho ange no nanampy anao e!00:04:39
00:04:42
Rahama!00:04:43
00:04:46
Ny entanao.00:04:47
00:04:59
Inona no noresahinareo teo?00:05:01
00:05:01
Tsy mety mifindra any Jerosalema i Rahama.00:05:04
00:05:08
Dia tiany hanao hoatran’azy isika.00:05:10
00:05:10
Dia ahoana hoy ianao?00:05:12
00:05:13
Hoe manao ny sitrapon’i Jehovah i Nehemia.00:05:17
00:05:18
Tena ho sambatra anefa i Rahama raha manao ny sitrapon’i Jehovah.00:05:24
00:05:27
Dia ahoana?00:05:28
00:05:28
Hifindra isika raha voafidy?00:05:30
00:05:31
Ie.00:05:32
00:05:35
Aleoko manahaka an’i Nehemia, toy izay i Rahama.00:05:39
00:05:40
Ianareo koa ve?00:05:41
00:05:41
Ie.00:05:41
00:05:42
Izaho koa.00:05:44
00:05:51
Notokanana ilay manda.00:05:53
00:05:53
Nanakoako eran’i Jerosalema ny hira fiderana sy fisaorana.00:05:58
00:06:04
Heno hatrany amin’ny tanàna lavitra be ilay izy.00:06:09
00:06:11
Tadidiko foana iny andro iny rehefa niverina teto Persa aho.00:06:16
00:06:16
Tahaka izay anefa aho tsy niala tany, satria lasa nisy olana be dia be.00:06:22
00:06:33
Nisy olona nasain’i Jehovah nanoratra ny zava-nitranga tany Jerosalema, tamin’izaho tsy tany.00:06:40
00:06:41
Malakia no anarany.00:06:43
00:06:48
Tsy Jiosy i Tobia,00:06:50
00:06:50
nefa nahita fomba ahazoana efitra tao amin’ny tempoly.00:06:53
00:06:56
Nanana havana jiosy mantsy izy.00:07:00
00:07:01
Maninona atỳ ianao? Ela izany a.00:07:04
00:07:04
Mba te hahita anao aho.00:07:06
00:07:06
Oay! Intỳ misy zavatra kely ho anao.00:07:09
00:07:10
**[Misento]** Tobia a, tena tsara fanahy mihitsy ianao.00:07:14
00:07:14
Zavatra kely fotsiny iny.00:07:16
00:07:16
Misy zavatra azoko atao ho anao ve?00:07:19
00:07:19
Misy mihitsy ka.00:07:21
00:07:21
Misy zavatra kely mba angatahako.00:07:23
00:07:23
Hay. Inona no azoko atao ho anao?00:07:25
00:07:26
- Isika moa mpihavana ihany.
- Ie.00:07:28
00:07:29
Rehefa tonga atỳ ny havantsika avy any Samaria,00:07:32
00:07:32
dia tsara raha mba misy toerana ahafahantsika miara-misakafo aminy.00:07:36
00:07:36
Ie.00:07:37
00:07:37
Ohatra hoe ato amin’ny tempoly.00:07:39
00:07:40
Ry zareo ange manompo an’i Jehovah e...00:07:42
00:07:42
matetika...00:07:44
00:07:44
Eny e, ... indraindray.00:07:46
00:07:47
Efitra iray ato amin’ny tempoly?00:07:49
00:07:49
Tsy afaka manome an’izany aho.00:07:51
00:07:52
Sady... ampiasaina daholo ange ireo efitra ireo e!00:07:56
00:07:56
Izany ve? Iretsy àry fampirimana entana fotsiny!00:08:00
00:08:00
Sakafon’ny Levita ireo.00:08:02
00:08:04
Eo rangahy mba omeo iray a.00:08:06
00:08:06
Iray fotsiny!00:08:07
00:08:08
Iray ihany no ilaiko.00:08:09
00:08:09
Dia ahoana hoy Nehemia amin’izany?00:08:12
00:08:12
Tsy misy iraharahako an’izany.00:08:15
00:08:15
Izy aza any Sosana lavitra be any!00:08:17
00:08:18
Dia ahoana raha fantany ilay izy?00:08:20
00:08:20
Tsy fantany izany io.00:08:21
00:08:21
Sa ianao no hiteny aminy?00:08:23
00:08:23
An an an!00:08:24
00:08:24
Dia aza matahotra àry.00:08:26
00:08:38
Nanaiky hotambazan’i Tobia indray ny mpisoronabe.00:08:43
00:08:45
- Hatao aiza ity vary ity?
- Eto malalaka.00:08:47
00:08:47
- Moramora an!
- Hay!00:08:49
00:08:52
Iny Tobia.00:08:53
00:08:57
Mba haingankaingana ianareo.00:08:59
00:08:59
Rehefa lasa ireo, dia aleo ny latabatra ataontsika eto00:09:05
00:09:05
dia ny seza aankintsika amin’ny rindrina.00:09:07
00:09:07
Tobia! Aiza izany izao no hampirimanay ny entanay?00:09:11
00:09:11
Tsy haiko! Anareo izany.00:09:13
00:09:13
Mandehana amin’izay ianareo mandeha.00:09:16
00:09:16
Mandehana! Mandehana!00:09:18
00:09:25
Maninona àry i Eliasiba no manao an’izao? Tsy azoko!00:09:29
00:09:29
Olona hoatran’i Tobia ve no omena efitra ato amin’ny tempoly.00:09:32
00:09:33
Nehemia aza efa niezaka be mba ho masina foana ny tempoly.00:09:37
00:09:38
Ny olona koa efa tsy manome ampahafolon-karena intsony!00:09:41
00:09:41
Mila mamboly sy miompy isika raha te hihinan-kanina.00:09:43
00:09:44
Matiantoka fotsiny isika manompo an’i Jehovah.00:09:46
00:09:47
Aiza kosa e! Isika tokony ho faly foana.00:09:49
00:09:50
Aza atao mahakivy anareo izay zavatra tsy mety ataon’ny hafa.00:09:52
00:09:53
Nahoana moa izahay no tsy ho kivy.00:09:54
00:09:54
Inona izao ny tombony azontsika amin’ny fanompoana?00:09:56
00:09:56
Izany mihitsy!00:09:56
00:09:56
Ny Soratra Masina koa miteny hoe: ‘Karakarao tsara ny ondrinao’?00:10:00
00:10:02
Fa resahiny koa hoe: “Hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana.”00:10:06
00:10:06
Mila miandry an’i Jehovah izany isika.00:10:09
00:10:09
Tsy maintsy hanitsy an’izay tsy mety izy any aoriana any.00:10:12
00:10:14
Hitan’i Malakia hoe tsy niraharaha ny lalàn’i Jehovah intsony ny olona.00:10:19
00:10:20
Nanampy ny olona hanompo an’i Jehovah koa ny Levita taloha,00:10:23
00:10:23
nefa lasa tsy nihevitra ny fanompoany ho sarobidy intsony.00:10:27
00:10:53
Ahoana tovolahy!00:10:55
00:10:56
Tsy aleonao manolotra ondry?00:10:58
00:10:59
Raha ngeza ange ny fanatitra, dia hoatran’izay koa ny fitahiana e!00:11:02
00:11:04
Sady mba hitan’ny olona hoe manam-bola e!00:11:08
00:11:10
Misaotra fa efa manana fanatitra aho.00:11:13
00:11:14
Ianao anie mbola afaka miady varotra e!00:11:16
00:11:17
Ao fa tena ataoko mora be.00:11:19
00:11:19
Mihoatra kely noho ny nividiananao an’ireny voromailala ireny.00:11:22
00:11:22
Avia ange jereo e!00:11:24
00:11:25
Jamba àry ilay ondry!00:11:27
00:11:27
Sady jereo ilay izy mandringa.00:11:29
00:11:29
Ô ry zandry a!00:11:30
00:11:30
Efa karazan’ilay ondry mihitsy io.00:11:32
00:11:33
Ny Lalàn’Andriamanitra aza miteny hoe00:11:35
00:11:35
aza manolotra biby jamba, na mandringa, na marary.00:11:38
00:11:38
Raha manam-bola aho dia ondry salama tsara no hovidiko.00:11:40
00:11:41
Matiantoka amin’izany ianao.00:11:42
00:11:42
- Ondry tsara anie io sady mora e!
- Aoka izao.00:11:45
00:11:45
Hanenenanao izany. Sady fombafomba fotsiny ange ny fanatitra e!00:11:49
00:11:49
Mandehana koa rehefa tsy hividy.00:11:51
00:11:52
Tsy hoatran’ny taloha intsony ny fanompoana ao amin’ny tempoly.00:11:55
00:11:55
Hoatran’ny tsy miraharaha an’i Jehovah intsony ny olona.00:11:58
00:11:58
**[Misy mandondòna]**00:12:00
00:12:03
Azoba!00:12:04
00:12:05
Fa maninona ianao?00:12:07
00:12:09
Fa misy inona?00:12:10
00:12:10
**[Mitomany foana]**00:12:12
00:12:12
Salama i Rahama?00:12:15
00:12:23
Nisarahany ve ianao?00:12:25
00:12:27
**[Mitomany]** Efa tena niezaka aho.00:12:30
00:12:30
Fa tsy ampy anefa ilay izy.00:12:33
00:12:35
Noroahin’i Rahama aho.00:12:37
00:12:37
Aza matahotra Azoba a.00:12:39
00:12:39
Afaka mipetraka ato aminay ianao.00:12:41
00:12:42
Ie. Mety izany.00:12:44
00:12:44
**[Mitomany]** Ka izao anie e:00:12:46
00:12:46
Izaho mihitsy no diso.00:12:48
00:12:48
Aza mieritreritra an’izany.00:12:50
00:12:50
**[Mitomany]** Ka izaho tsinona tsy afaka miteraka.00:12:53
00:12:53
Masina foana ny fanambadiana, na manan-janaka ianareo na tsia.00:12:58
00:12:59
Matokia an’i Jehovah, fa tsy hanary anao izy Azoba a.00:13:03
00:13:07
**[Mitomany]** Misaotra.00:13:11
00:13:36
Rahama!00:13:37
00:13:38
Nisy olona tonga tao aminay tamin’ny alina.00:13:41
00:13:43
Ny vadinao!00:13:46
00:13:47
Sa hoe ilay vadinao taloha?00:13:50
00:13:51
Rahama a!00:13:53
00:13:53
Dia sahinao ve ny mampijaly olona tsy manan-tsiny?00:13:56
00:13:56
Maninona ianao no mafy fo hoatr’izany?00:13:57
00:13:58
Hoy Mosesy hoe raha mahita zavatra manafintohina amin’ny vadiny ny lehilahy iray,00:14:00
00:14:00
dia tokony hanao taratasy fisaraham-panambadiana,00:14:03
00:14:03
dia hanome an’izany azy, dia handroaka azy.00:14:05
00:14:05
Tsy miteraka i Azoba,00:14:07
00:14:07
dia zavatra manafintohina izany amiko.00:14:09
00:14:09
Izaho koa leo be miaraka aminy.00:14:11
00:14:11
Hanambady an’i Gizla aho androany.00:14:13
00:14:13
Iza?00:14:14
00:14:15
Ilay Moabita iny ve?00:14:16
00:14:17
Dia sahinao ve ny manao an’izany?00:14:19
00:14:19
Ianao aza efa nianiana hoe tsy hanambady vehivavy hafa firenena.00:14:22
00:14:22
Milaza ny Lalàna fa ‘hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy izy,00:14:26
00:14:26
fa hanompo andriamani-kafa.’00:14:27
00:14:27
Dia ‘hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah!’00:14:30
00:14:30
Fa iza moa ianao no miseho miteniteny ahy?00:14:32
00:14:32
Izay tiako ihany io.00:14:34
00:14:34
Izay aloha no hitako hoe mahafaly ahy.00:14:36
00:14:37
Rahama!00:14:37
00:14:38
Avy amin’i Jehovah ny tena fifaliana.00:14:41
00:14:41
Tena ho faly ve ianao raha izay tianao fotsiny no ataonao?00:14:44
00:15:06
Jehovah a!00:15:07
00:15:08
Fa maninona izahay no mifamitaka, ka tsy manaja fifanekena?00:15:14
00:15:24
Malakia a!00:15:26
00:15:29
Izao lazaina amin’ireo mpisorona tsy manaja ny anarako ireo:00:15:32
00:15:32
‘Ny zanaka dia manaja ny rainy,00:15:35
00:15:35
ary ny mpanompo manaja ny tompony.00:15:37
00:15:38
Raha ray aho, aiza izay fanajana ahy?00:15:41
00:15:43
Ary raha Tompo aho,00:15:45
00:15:45
aiza izay fahatahorana ahy?’00:15:47
00:15:58
Ahoana zandrilahy a!00:16:00
00:16:00
Angaha tsy hividy biby hatao fanatitra e?00:16:04
00:16:28
Maninona ianareo Levita no tsy manaja ny anaran’i Jehovah?00:16:31
00:16:31
Maninona a?00:16:32
00:16:32
Tsy manaja ahoana?00:16:34
00:16:34
Jereo ange ny biby ataonareo fanatitra e!00:16:37
00:16:37
Biby jamba sy mandringa ary marary.00:16:39
00:16:39
Dia hoy ianareo hoe tsy misy maharatsy an’izany!00:16:41
00:16:41
I Jehovah ve dia hanaiky biby misy kilema?00:16:43
00:16:43
Mitovy ihany io rehefa ao am-bilany.00:16:44
00:16:44
Tsy misy mahafantatra io hoe jamba na mandringa.00:16:47
00:16:47
Ary i Jehovah?00:16:48
00:16:48
Izy ve dia tsy hahafantatra?00:16:50
00:16:50
Ho avy ny andro hidiran’i Jehovah ao amin’ny tempoliny,00:16:53
00:16:53
dia hodioviny amin’ny afo ianareo ry taranak’i Levy.00:16:56
00:16:56
Fa inona ity mahazo anao?00:16:58
00:16:58
Ny olona aza tsy misy maninona izany.00:17:00
00:17:00
Koa maninona ianao no tezitra?00:17:02
00:17:05
Hoy Jehovah hoe ‘raha tsy mandatsaka am-po ny zavatra lazaiko ianareo ry mpisorona,00:17:09
00:17:09
dia hozoniko ianareo,00:17:10
00:17:11
ary hovako ho ozona ny tsodrano omenareo.00:17:13
00:17:14
Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho’, hoy Jehovah.00:17:19
00:17:20
Fa inona moa ny ratsy nataonay?00:17:22
00:17:22
Iza ny olona sahy handroba an’Andriamanitra?00:17:25
00:17:25
Ianareo ireo anefa mandroba ahy, hoy Jehovah.00:17:28
00:17:28
Ahoana no nandrobanay azy?00:17:29
00:17:29
‘Tamin’ny fanomezana,00:17:31
00:17:31
dia tamin’ny ampahafolon-karena ianareo sy ny firenena manontolo no nandroba ahy’, hoy Jehovah.00:17:35
00:17:35
‘Ento ao amin’ny trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena rehetra,00:17:38
00:17:38
mba hisy sakafo ao an-tranoko.00:17:40
00:17:40
Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e,00:17:42
00:17:42
raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra,00:17:44
00:17:44
ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho,00:17:47
00:17:47
mihoatra noho izay ilainareo aza.’00:17:49
00:17:50
Misy zavatra hafa koa ataonareo,00:17:52
00:17:52
mahatonga ny fanatitrareo tsy ankasitrahan’i Jehovah.00:17:55
00:17:55
Inona izany?00:17:56
00:17:56
Nivadika tamin’ny vadin’ny fahatanoranao ianao,00:17:59
00:17:59
na dia namanao sy vady vita fifanekena taminao aza izy.00:18:03
00:18:03
Nisy tsy nanao an’izany anefa,00:18:05
00:18:05
satria mbola nisy fanahy masina ihany tao aminy.00:18:07
00:18:08
Noho izany, dia tandremo ny toe-tsainareo,00:18:11
00:18:13
ary aza misy mivadika amin’ny vadin’ny fahatanoranareo.00:18:16
00:18:16
“Fa halako ny fisaraham-panambadiana”, hoy Jehovah Andriamanitra.00:18:20
00:18:20
Ny molotry ny mpisorona no tokony hitahiry fahalalana,00:18:23
00:18:23
ary ny lalàna no tokony hotadiavin’ny vahoaka avy amin’ny vavany.00:18:27
00:18:27
Ianareo kosa anefa nahatonga ny maro ho tafintohina.00:18:31
00:18:38
Nahariharin’i Jehovah hoe ratsy ny tao am-pon’izy ireo.00:18:42
00:18:44
Hitan’i Malakia anefa hoe nisy ihany ireo faly satria nanao ny tsara.00:18:51
00:19:01
Ebera.00:19:02
00:19:03
- Manahoana.
- Faly mahita anareo.00:19:05
00:19:06
Azoba a, aza kivy.00:19:08
00:19:10
Ho hitanareo ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,00:19:14
00:19:14
ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.00:19:18
00:19:18
Mpaminany ianao e?00:19:19
00:19:19
Mpanompo hoatra anareo ihany aho.00:19:21
00:19:21
Dia izao: Rehefa mifampiresaka momba an’i Jehovah ianareo,00:19:25
00:19:25
dia mihaino tsara izy.00:19:27
00:19:27
Dia misy boky soratany eo anatrehany, ho an’ireo matahotra azy sy misaintsaina ny anarany.00:19:33
00:19:37
Hitahy anareo anie i Jehovah.00:19:39
00:19:51
Aman-taonany aho no tsy tany Jerosalema.00:19:55
00:19:55
Nieritreritra an-dry zareo tany foana anefa aho.00:19:59
00:19:59
Nangataka tamin’ny mpanjaka aho mba hiverina tany.00:20:02
00:20:02
Nahakivy ahy anefa ny zavatra hitako.00:20:05
00:20:07
Eliasiba!00:20:08
00:20:09
Faly aho mahita anao indray.00:20:11
00:20:11
Nehemia! Hay ve ianao tonga e!00:20:15
00:20:15
Aiza daholo ny Levita sy ny mpihira?00:20:17
00:20:17
Tsy eto ny sasany amin-dry zareo izao.00:20:20
00:20:20
Fa aiza? Lasa aiza ry zareo?00:20:23
00:20:23
Mmm. Iny Pedaia.00:20:25
00:20:25
Pedaia a, mba ento mitsidika kely i Nehemia.00:20:30
00:20:33
Aleo aho handeha kely.00:20:36
00:20:36
Eny àry.00:20:37
00:20:42
Pedaia a, manao ahoana ny fanompoana eto?00:20:46
00:20:46
Ampy ve ny sakafonareo Levita?00:20:48
00:20:48
Nehemia a, efa ho lany izao ny tahirin-tsakafonay.00:20:51
00:20:51
Fa misy inona?00:20:52
00:20:53
Efa ela ny mpisorona sy ny Levita no tsy nanao tsara ny andraikiny,00:20:56
00:20:56
dia lasa tsy nitondra ampahafolon-karena intsony ny olona.00:20:59
00:21:00
Dia izao!00:21:02
00:21:02
Niverina any amin’ny sahany ny ankamaroan’ny Levita.00:21:05
00:21:05
Ary ianao?00:21:07
00:21:08
Afa-po amin’izay ananako aho.00:21:10
00:21:10
Mino aho hoe manampy an’izay matoky azy i Jehovah.00:21:13
00:21:14
Fantatro hoe tsy maintsy hahitsiny foana izay tsy mety.00:21:17
00:21:18
Tsy nasain’i Eliasiba nitondra sakafo ho anareo ve ny vahoaka?00:21:21
00:21:21
Efa nampitandreman’i Malakia izy sy ny mpisorona rehetra.00:21:25
00:21:27
Mbola nasainy nalana tato ihany anefa ny entanay.00:21:31
00:21:31
Dia nomeny an’i Tobia ity efitra ity, hataony efitra fisakafoanana.00:21:35
00:21:48
Andao isika hanala an’ireto ato.00:21:51
00:21:56
Fa inona ity ataonareo?00:21:58
00:22:01
Ary ianao? Fa inona ity ataonao?00:22:04
00:22:04
Maninona ianao sy ny solontenam-panjakana no tsy manaja ny tranon’Andriamanitra?00:22:07
00:22:08
- Ianareo an, diovy ity efitra ity, dia soloy ireo fitaovana ireo.
- Eny, tompoko.00:22:12
00:22:12
Dia vorio daholo ny Levita sy ny mpihira ary ny solontenam-panjakana.00:22:15
00:22:15
Asaiko hiverina hanompo eto indray ry zareo.00:22:18
00:22:18
Pedaia a!00:22:19
00:22:19
Ianao sy Selemia sy Zadoka ary Hanany00:22:22
00:22:22
no hiandraikitra ny efitra fampiriman’entana.00:22:24
00:22:24
Ianareo no hizara sakafo ho an’ny rahalahinareo.00:22:27
00:22:27
- Nehemia a... Andraso, izaho mba hanazava kely.
- An an an.00:22:31
00:22:31
Hoteneniko ny Joda rehetra mba hanatitra ny ampahafolon’ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.00:22:37
00:22:38
Aleo aho mba hanazava.00:22:40
00:22:41
Andraso moa e!00:22:44
00:22:54
Mba tsarovy aho ry Andriamanitro ô!00:22:56
00:22:57
Ary aza hadinoina ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehoko ho an’ny tranonao.00:23:02
00:23:08
Tsy niraharaha ny tranon’i Jehovah ny Jiosy sasany.00:23:11
00:23:12
Mbola nivarotra koa izy ireo rehefa Sabata.00:23:15
00:23:16
Masina anefa io andro io tamin’i Jehovah.00:23:18
00:23:22
Inona no nentinao androany?00:23:24
00:23:24
Trondro tsara be, avy any Tyro.00:23:27
00:23:29
Fa inona ity ataonareo?00:23:30
00:23:31
Angaha tsy fantatrareo hoe Sabata androany?00:23:33
00:23:33
Nehemia a.00:23:34
00:23:38
Maninona ianareo no manao izao zava-dratsy izao?00:23:40
00:23:40
Izao ihany no nahatonga an’i Jehovah handrava an’ity toerana ity.00:23:42
00:23:43
- Efa izany foana ange no ataon’ny olona e!
- Dia tian’i Jehovah izany?00:23:46
00:23:48
Tsy navelako nanao raharaham-barotra intsony ny olona.00:23:51
00:23:51
Nasaiko nohidiana ny vavahadin’ny tanàna, mba ho masina foana ny Sabata.00:23:58
00:24:00
Niverina indray anefa ireo mpivarotra ny herinandro nanaraka.00:24:05
00:24:07
Fa maninona no hidianareo ity?00:24:08
00:24:09
Izaho izao tsy maintsy natory tetsy tamin’ny alina!00:24:11
00:24:11
Fantatrareo ny Lalàna.00:24:13
00:24:13
Tsy mahazo mivarotra sady tsy mahazo miasa rehefa Sabata.00:24:16
00:24:16
Mandehana mandeha any!00:24:17
00:24:18
Ambenonao sy ny Levita ny vavahady mba ho masina foana ny Sabata.00:24:21
00:24:21
Aza misy avela hiditra eo.00:24:24
00:24:33
Tsarovy koa ireny zavatra nataoko ireny ry Andriamanitro ô!00:24:37
00:24:39
Ary iantrao aho fa be hatsaram-panahy feno fitiavana ianao.00:24:42
00:24:44
Mbola nisy zavatra hafa nila nalamina koa.00:24:47
00:24:48
Aza maditra!00:24:49
00:24:49
Ana la mitbayen.00:24:51
00:24:51
E! Miverena atỳ.00:24:53
00:24:53
Tsy mety izany tsy mankatò an’i Dada izany an!00:24:56
00:24:56
Fa maninona ny zanakao?00:24:58
00:24:58
**[Misento]** Tsy tian-dry zareo mihitsy ilay mankao amin’ny tempoly.00:25:00
00:25:03
Maninona indrỳ no tsy tia mankany?00:25:05
00:25:05
Shvok Y-ati!00:25:06
00:25:07
E! Miverena atỳ.00:25:09
00:25:13
Azafady tompoko.00:25:14
00:25:15
Tsy mahay miteny hebreo ny vadiko.00:25:17
00:25:18
Tsy efa nianiana ve ianao hoe tsy hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah?00:25:22
00:25:22
Tsy misy manaraka an’izany intsony izao?00:25:24
00:25:25
Tsy efa nianiana ialahy?00:25:27
00:25:27
- Ie! Efa.
- Dia maninona no tsy raharahaina ny didin’i Jehovah00:25:30
00:25:30
sy ny voady nataon’ialahy?00:25:32
00:25:32
Avelao aho.00:25:33
00:25:33
Tsy mahagaga raha tsy tia an’i Jehovah ny zanak’ialahy!00:25:36
00:25:36
Kay!00:25:37
00:25:37
Ialahy ve dia hotahin’i Jehovah raha tsy mankatò?00:25:40
00:25:40
Izaho aza efa nangataka ny fitahiany?00:25:42
00:25:42
Izany? Nefa ialahy tsy mankatò azy.00:25:45
00:25:45
Rahama a. Jehovah ve dia hitahy an’ialahy, nefa ialahy tsy manao ny sitrapony?00:25:50
00:25:53
Tsy mahagaga raha izany ny zava-nitranga.00:25:55
00:25:56
Izay nataon’ny mpitarika no nataon’ny vahoaka.00:25:59
00:25:59
Ny zafikelin’i Eliasiba aza nanambady Horonita,00:26:02
00:26:03
zanakavavin’i Sanbala.00:26:05
00:26:15
Fa maninona ianao tsy nankatò ny Lalàna00:26:18
00:26:18
hoe aza omena ny zanany lahy ny zanakareo vavy,00:26:21
00:26:22
ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy,00:26:25
00:26:25
na ho vadinareo?00:26:27
00:26:28
Tsy izany ve no nahatonga an’i Solomona hanota?00:26:32
00:26:34
Dadabe a, ahoana izany?00:26:36
00:26:36
Mangina aloha ianao.00:26:38
00:26:38
Tsy mampino mihitsy izao zavatra ratsy be nataonareo izao.00:26:41
00:26:41
Nivadika tamin’i Jehovah ianareo, dia nanambady hafa firenena.00:26:44
00:26:48
Lotoinao ny asa fisoronana.00:26:50
00:26:52
Tsy mahazo manao mpisorona intsony ianao, dia tsy mahazo mijanona eto Jerosalema.00:26:56
00:27:00
Hay! Ho any Samaria aho.00:27:04
00:27:04
Tsy dia hentitra loatra ny any.00:27:06
00:27:10
Zafikeliko ange iny e!00:27:12
00:27:13
Maninona àry izy no navelanao handika ny lalàna e!00:27:17
00:27:19
Ny fanompoantsika no mahatonga antsika hifandray tsara amin’Andriamanitra.00:27:25
00:27:26
Vao lasa anefa aho, dia tsy nampianareo hifandray amin’i Jehovah intsony ny olona.00:27:33
00:27:45
Tafaverina tamin’ny laoniny ihany ny fivavahana marina.00:27:49
00:28:04
Tsy nahavita na inona na inona anefa izahay raha tsy nampian’i Jehovah.00:28:08
00:28:13
Nisy nanohitra izahay, ...00:28:15
00:28:16
Maninona raha izy no endrikendrehintsika ho mpikomy?00:28:20
00:28:21
Ho hitantsika izay hataony, rehefa tena manafika azy isika.00:28:25
00:28:25
Nehemia a, avelanao ho faty eto izany izahay?00:28:28
00:28:28
tsy nanaraka ny hafa hanao ratsy, ...00:28:30
00:28:30
Tsy misy azony terena na izaho na ianao.00:28:33
00:28:33
Rehefa voafidy ianao dia izay ataoko arahina.00:28:35
00:28:35
Matiantoka amin’izany ianao.00:28:38
00:28:38
Fombafomba fotsiny ange ny fanatitra e!00:28:40
00:28:41
Mila mamboly sy miompy isika raha te hihinan-kanina. Matiantoka fotsiny isika manompo an’i Jehovah.00:28:45
00:28:45
nisy fotoana izahay niari-tory, ...00:28:47
00:28:47
Andao ho any Jerosalema hanara-maso an’i Nehemia.00:28:50
00:28:50
Mbola tsy hitanao ihany? Tsy tian’ny olona isika manao an’io asa io!00:28:53
00:28:53
Tsy niara-niaina tamin-dry zareo teto ianao!00:28:55
00:28:56
ary niasa mafy.00:28:58
00:28:58
Sady mafy loatra ilay asa. Tena reraka izahay.00:29:00
00:29:01
Inona koa moa no ilantsika manda e!00:29:03
00:29:03
Faly be izahay rehefa nanompo tsara an’i Jehovah.00:29:08
00:29:11
Hay tsy manda fotsiny no naorinay.00:29:15
00:29:17
Nanatanjaka indray ny finoanay koa i Jehovah.00:29:20
00:29:28
Nanampy anay hiray saina i Jehovah,00:29:30
00:29:30
mba hahatonga anay hanatanteraka ny sitrapony.00:29:33
00:29:34
Tsy hadinoko mihitsy izany.00:29:36
00:29:39
Nampianariny hiantehitra taminy izahay, dia nanatanjaka anay izy.00:29:43
00:29:44
Hano ny matavy, sotroy ny mamy, ary anatero anjara izay tsy manana.00:29:50
00:29:50
Aza malahelo àry,00:29:52
00:29:52
fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.00:29:56
00:30:06
Mba tsarovy aho ry Andriamanitro ô,00:30:09
00:30:09
ary aoka aho hahazo sitraka aminao.00:30:11
00:30:23
Lehilahy be herim-po i Nehemia.00:30:25
00:30:26
Afaka nijanona tany Sosana izy,00:30:29
00:30:29
ary nanompo an’i Jehovah tany.00:30:31
00:30:32
Tsy izay anefa no nataony.00:30:33
00:30:34
Rehefa nila fanampiana ny tany Jerosalema,00:30:37
00:30:37
dia vonona hanampy azy ireo izy.00:30:40
00:30:41
Tsy mora taminy anefa ilay izy.00:30:43
00:30:43
Tsy maintsy niera tamin’ny mpanjaka mantsy izy.00:30:47
00:30:48
Nahoana i Nehemia ho be herim-po foana?00:30:52
00:30:52
Noho izy tsara toetra sy tian’ny mpanjaka ve?00:30:55
00:30:56
Andao hiverenantsika jerena ity ampahany ity.00:30:58
00:31:00
Ny tanàna misy ny fasan-drazako simba.00:31:02
00:31:03
Dia kilan’ny afo ny vavahadiny.00:31:05
00:31:05
Hazavao tsara hoe.00:31:07
00:31:08
Lazao amiko izay tianao hatao.00:31:10
00:31:12
Tonga aho dia nivavaka.00:31:15
00:31:19
Raha sitraky ny mpanjaka,00:31:21
00:31:22
ary raha ankasitrahanao ny mpanomponao,00:31:24
00:31:26
dia alefaso any Joda aho, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanorina azy indray.00:31:33
00:31:39
Mandehana àry!00:31:41
00:31:41
Tena nanampy anay i Jehovah.00:31:43
00:31:47
Nanetry tena i Nehemia ka tonga dia nivavaka tamin’i Jehovah.00:31:51
00:31:51
I Jehovah ihany no afaka manampy azy ho be herim-po.00:31:54
00:31:55
Nivavaka foana izy rehefa nanao ny asany,00:31:58
00:31:58
ary nitahy azy i Jehovah.00:32:00
00:32:01
Lesona voalohany:00:32:03
00:32:04
Mivavaka isika rehefa miatrika olana.00:32:07
00:32:08
Ahoana anefa rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra?00:32:10
00:32:11
Mbola miantehitra amin’i Jehovah ihany ve isika?00:32:13
00:32:14
Sa isika efa afa-po amin’ny zava-bitantsika,00:32:17
00:32:17
dia hiteny hoe: “Efa mandeha tsara ny fiainako.00:32:22
00:32:22
Mbola betsaka ny asa mila atao eo amin’ny fanompoana,00:32:25
00:32:26
fa izaho efa nanompo an’i Jehovah an-taonany maro.00:32:29
00:32:30
Efa vita ny anjarako.00:32:32
00:32:32
Anjaran’ny hafa indray izao.”00:32:34
00:32:34
Hotahin’i Jehovah ve ianao raha izany no toe-tsainao?00:32:38
00:32:39
Tsy aleonao ve mivavaka aminy?00:32:41
00:32:43
Angataho i Jehovah mba hanome anao herim-po sy fifaliana,00:32:46
00:32:46
mba hahafahanao manompo azy bebe kokoa.00:32:48
00:32:51
Be dia be ny varavarana hosokafan’i Jehovah ho anao.00:32:55
00:32:59
Tsy nibaikobaiko fotsiny i Nehemia rehefa tonga tany Jerosalema.00:33:04
00:33:05
Niara-niasa tamin’ny Israelita namany izy isan’andro,00:33:09
00:33:10
nanomboka tamin’ny vao mangiran-dratsy00:33:12
00:33:12
ka mandra-pipoitran’ny kintana.00:33:15
00:33:15
Rehefa mahafoy tena hoatr’izany koa isika,00:33:18
00:33:18
dia hanome ny hery ilaina i Jehovah,00:33:21
00:33:21
mba hahavitantsika ny asa tokony hataontsika.00:33:23
00:33:26
Vitan’ny Israelita tao anatin’ny 52 andro ilay manda.00:33:31
00:33:32
Tena niavaka izany.00:33:35
00:33:36
Nisy nanohitra foana mantsy ry zareo.00:33:38
00:33:39
Nanesoeso an-dry zareo ny fahavalony tamin’ny voalohany,00:33:43
00:33:43
fa avy eo nandrahona ny hanafika mihitsy.00:33:46
00:33:47
Ny Samaritanina no tany Avaratra,00:33:49
00:33:49
ny Amonita no tany Atsinanana,00:33:51
00:33:52
ny Arabo no tany Atsimo,00:33:53
00:33:54
ary ny Asdodita no tany Andrefana.00:33:56
00:33:57
Voahodidin’ny fahavalo i Jerosalema.00:33:59
00:34:00
Mety hampahatahotra izany.00:34:04
00:34:04
Inona no nataon’i Nehemia?00:34:06
00:34:07
Hoatran’ny fanaony ihany.00:34:08
00:34:09
Hoy izy: ‘Nivavaka tamin’Andriamanitra izahay.’00:34:12
00:34:16
Nampahery ny olona i Nehemia avy eo dia niteny hoe:00:34:19
00:34:21
‘Aza matahotra an-dry zareo.00:34:23
00:34:23
Tadidio i Jehovah, ilay lehibe sy mendrika hatahorana.’00:34:27
00:34:27
Dia notohizan-dry zareo foana ilay fanorenana.00:34:30
00:34:30
Hitan’ireo fahavalo hoe tsy nahomby ilay fampitahorana.00:34:34
00:34:35
Dia nijanona teo ve ry zareo?00:34:37
00:34:37
Tsia.00:34:38
00:34:39
Nitady tetika hafa indray ry zareo.00:34:41
00:34:43
Nampiasa tetika telo ry zareo, satria00:34:45
00:34:46
tiany ho variana i Nehemia, dia tsy hanohy an’ilay asa.00:34:49
00:34:49
Inona avy izany tetika izany?00:34:51
00:34:51
Andao hojerentsika indray ilay video.00:34:53
00:34:55
Nasainy nihaona taminy tany ivelan’i Jerosalema i Nehemia.00:34:58
00:35:02
Lazao i Nehemia hoe: “Andao isika hifanao fotoana any amin’ny tanàna kelin’ny lemak’i Ono.”00:35:09
00:35:11
Te hanisy ratsy ahy fotsiny ry zareo.00:35:13
00:35:17
Nanely tsaho koa ry zareo.00:35:19
00:35:20
Gasema a, andao harahina amin’izay ny teninao.00:35:23
00:35:24
Tobia, soraty izao:00:35:27
00:35:29
“Malaza any amin’ireo firenena00:35:31
00:35:32
fa miray tetika ny hikomy ianao sy ny Jiosy,00:35:35
00:35:35
ary izany koa no nolazain’i Gasema.00:35:37
00:35:38
Izany no antony anorenanao ny manda.”00:35:41
00:35:45
Nampiasa olona koa ry zareo mba hamitaka an’i Nehemia.00:35:48
00:35:49
Hisy hamono ianao, androany alina.00:35:52
00:35:52
Mila mankao amin’ny tempoly isika, dia mijanona ao.00:35:55
00:35:55
- Semaia a, olona hoatr’ahy ve dia handositra?
- Ka tsy azonao.00:36:01
00:36:01
Ho kivy ny vahoaka raha mahafantatra an’izany.00:36:04
00:36:04
Ka ao ihany ny toerana azo antoka.00:36:06
00:36:06
Tadidio koa fa izaho tsy mpisorona,00:36:08
00:36:09
dia mendrika ny ho faty aho raha miditra ao amin’ny tempoly.00:36:12
00:36:12
- Izaho tsy hiditra ao.
- Hadalana izany ataonao izany.00:36:17
00:36:23
Azoko.00:36:24
00:36:25
Miray tetika amin’i Tobia sy Sanbala ianao. Mpihatsaravelatsihy.00:36:30
00:36:31
Enga anie hosazin’i Jehovah ry zareo00:36:33
00:36:33
sy ianareo mpaminany sandoka mampitahotra ahy ireo.00:36:36
00:36:37
Hanany a, andao isika hiasa.00:36:39
00:36:44
Tsy nisy nahomby ireo tetika telo.00:36:48
00:36:49
Lesona faharoa:00:36:51
00:36:51
Mety hisy hanohitra isika.00:36:54
00:36:54
Mety hampiasa tetika ry zareo amin’izay isika tsy manohy ny fanompoantsika.00:36:59
00:37:00
Hoatran’ny hoe asainy hivoaka kely an’i Jerosalema isika.00:37:03
00:37:04
Reseny lahatra isika mba tsy hafana fo amin’ny fanompoana,00:37:07
00:37:08
fa hanompo kely, sady hanatratra tanjona eto amin’ity tontolo ity.00:37:13
00:37:14
Tsy hanaiky an’izany isika raha manahaka an’i Nehemia.00:37:17
00:37:17
Ny Fanjakan’Andriamanitra no katsahintsika aloha.00:37:21
00:37:22
Fantatsika koa hoe ahoana no hiafaran’ity tontolo ity.00:37:24
00:37:26
Mety hanely lainga momba antsika koa ny mpanohitra.00:37:29
00:37:30
Lazaina fa mitaona ny olona hikomy amin’ny fanjakana, ohatra, isika.00:37:35
00:37:36
Nisy fotoana isika nandresy, rehefa tonga teny amin’ny fitsarana.00:37:40
00:37:41
Na mandresy anefa isika na resy,00:37:43
00:37:44
dia matoky isika fa hanatanteraka ny fikasany foana i Jehovah.00:37:47
00:37:49
Mety hanohitra koa ireo miseho ho manompo an’i Jehovah.00:37:52
00:37:54
Nasain’ny Jiosy iray nandika ny Lalàn’i Jehovah i Nehemia,00:37:57
00:37:57
amin’izay, hono, tsy ho faty.00:37:59
00:38:00
Mety hanao hoatr’izany koa ny mpivadi-pinoana,00:38:04
00:38:04
satria tiany hivadika amin’i Jehovah isika.00:38:06
00:38:07
Tsy manaiky anefa isika.00:38:10
00:38:10
Fantatsika fa izay mankatò ihany no ho voavonjy.00:38:16
00:38:18
Tsy voafitaka mihitsy i Nehemia.00:38:22
00:38:22
Nahoana?00:38:23
00:38:24
Satria ve izy marani-tsaina be?00:38:26
00:38:27
An, an, an.00:38:28
00:38:29
Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy.00:38:31
00:38:32
Nomen’i Jehovah fahendrena àry izy,00:38:34
00:38:34
dia lasa hitany hoe fitaka ilay izy.00:38:36
00:38:38
Niala tao Jerosalema i Nehemia rehefa vita ny manda.00:38:42
00:38:43
Inona anefa no hitany rehefa niverina izy?00:38:45
00:38:47
Nanompo an’i Jehovah daholo ve ny olona tany?00:38:51
00:38:51
Vitsy kely no nanao an’izany.00:38:53
00:38:55
Nanao ahoana ny fihetseham-pony?00:38:57
00:38:57
Nieritreritra ve izy hoe:00:38:59
00:38:59
‘Efa be izay vitako izay, mba hanampiana an’ity vahoaka ity hitoky amin’i Jehovah.00:39:04
00:39:04
Tsy mahavita intsony aho.00:39:07
00:39:07
Aleo olon-kafa indray no hanampy azy ireo.’00:39:10
00:39:10
Izany ve no nataony?00:39:11
00:39:12
Andao hojerentsika indray ilay video.00:39:14
00:39:14
Maninona ianareo no tsy manaja ny tranon’Andriamanitra?00:39:18
00:39:18
Ianareo an, diovy ity efitra ity.00:39:20
00:39:21
Fantatrareo ny Lalàna:00:39:23
00:39:23
Tsy mahazo mivarotra sady tsy mahazo miasa rehefa Sabata.00:39:26
00:39:27
Mandehana mandeha any.00:39:28
00:39:28
Tsy efa nianiana ve ianao hoe tsy hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah?00:39:33
00:39:33
Dia maninona àry no tsy raharahaina ny didin’i Jehovah00:39:36
00:39:36
sy ny voady nataon’ialahy?00:39:38
00:39:38
Ny zafikelin’i Eliasiba aza nanambady Horonita, zanakavavin’i Sanbala.00:39:43
00:39:46
Hoe aza omena ny zanany lahy ny zanakareo vavy,00:39:49
00:39:50
ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy.00:39:52
00:39:53
Lotoinao ny asa fisoronana.00:39:54
00:39:54
Tsy mahazo manao mpisorona intsony ianao, dia tsy mahazo mijanona eto Jerosalema.00:39:58
00:40:00
Tafaverina tamin’ny laoniny ihany ny fivavahana marina.00:40:04
00:40:11
Tsy niala andraikitra i Nehemia.00:40:13
00:40:14
Novitainy hatramin’ny farany ny andraikiny. Nahoana?00:40:17
00:40:18
Satria niezaka ny ho faly foana izy.00:40:21
00:40:22
Inona no tena nahafaly an’i Nehemia?00:40:24
00:40:26
Ny zava-bitany ve?00:40:27
00:40:28
Sa ilay hoe maharo azy ireo tsara izao ny manda?00:40:31
00:40:31
Sa ny zava-bitan’ny hafa?00:40:33
00:40:34
Tsy izany mihitsy.00:40:35
00:40:35
Avy aiza ny fifaliana tsapan’i Nehemia?00:40:38
00:40:38
Izao no lazainy:00:40:40
00:40:40
“Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.”00:40:44
00:40:45
Lesona fahatelo:00:40:47
00:40:49
Na eo aza ny olana,00:40:51
00:40:51
dia afaka manana ny tena fifaliana isika raha mifandray tsara amin’i Jehovah.00:40:56
00:40:57
Olombelona tsy lavorary i Nehemia.00:41:01
00:41:01
Tsy nahazo hery hanaovana fahagagana toa an’i Mosesy sy Josoa izy.00:41:07
00:41:08
Inona kosa no azony natao?00:41:10
00:41:10
Afaka nivavaka izy,00:41:12
00:41:13
naneho finoana,00:41:14
00:41:14
ary nitoky tamin’i Jehovah.00:41:16
00:41:17
Ireo no tena nanampy azy.00:41:19
00:41:19
Azo antoka hoe tena nanampy azy i Jehovah,00:41:23
00:41:23
dia nitari-dalana azy sady nitahy ny ezaka nataony.00:41:26
00:41:27
Afaka manao an’ireo koa isika amin’izao.00:41:30
00:41:30
Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika, maneho finoana azy,00:41:34
00:41:34
ary matoky fa hitahy antsika izy rehefa mahafoy tena ho azy isika.00:41:38
00:41:38
Nanampy an’i Nehemia ho be herim-po i Jehovah,00:41:41
00:41:41
nanatanjaka azy, nanome azy fahendrena,00:41:44
00:41:45
ary nanampy azy hamita ny andraikiny hatramin’ny farany.00:41:47
00:41:48
Afaka manampy antsika hoatr’izany koa izy.00:41:51
Nehemia: “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo”—Fizarana 2
-
Nehemia: “Ny Fifaliana avy Amin’i Jehovah no Fiarovana Mafy ho Anareo”—Fizarana 2
Volana Tisry tamin’izay.
Be dia be ny fety natao tamin’io volana io.
Vao avy nanorina ny manda mihitsy izahay.
Nila nampiana hifandray tsara tamin’i Jehovah indray ny olona.
Betsaka no tsy nahafantatra ny Lalàn’Andriamanitra.
I Ezra no tena afaka nanampy anay.
Efa tany Jerosalema izy talohan’ny nahatongavako.
Izao no fitsipika sy didim-pitsaran’i Jehovah.
Namaky mafy ny Lalàn’i Mosesy izy sy ny Levita.
Sady namaky izy ireo no nanazava.
Hay tena nampalahelo an’i Jehovah ny zavatra nataonay.
Nisy taminay niasa nandritra ny Sabata,
na nanolotra sorona nisy kilema,
na nisaraka tamin’ny vadiny dia nanambady hafa firenena.
Tena nalahelo izahay hoe tsy nankatò ny Lalàna.
Lasa fantatray anefa ny fomba hampifaliana an’i Jehovah.
Aza mitomany na malahelo.
Efa fantatrareo izao ny zavatra tsy tian’Andriamanitra,
dia miezaha hampifaly azy.
Mandehana àry,
hano ny matavy, sotroy ny mamy, ary anatero anjara izay tsy manana.
Aza malahelo àry,
fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
Nanaraka ny tenin’i Jehovah izahay,
dia nankalaza ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.
Tena nifaly izahay nandritra ny andro maromaro,
ary nisaotra an’i Jehovah noho ny fitahiany.
Nivory izahay tamin’ny faha-24-n’ny volana,
mba hamaky ny Lalàn’Andriamanitra,
hiaiky ny fahotanay,
ary hitomany noho ny tsy nety nataonay.
Nanao fianianana an-tsoratra izahay.
Nianiana izahay hoe hankatò ny Lalàn’i Jehovah.
Amena!
Amena!
Vetivety anefa ny sasany dia nanadino ny fianianany.
Ebera!
Ahoana Rahama a!
Intỳ ny hofan-tranonao.
Sarotra ny mitondra an’ity fa ataovy anaty gony.
Henonao ve ny baikon’i Nehemia farany?
Ilay hoe asiana mponina indray ao Jerosalema?
Ilay hoe izay tratran’ny antsapaka dia terena hifindra any Jerosalema.
Ie, henoko.
Izaho anisan’ny voafidy. Tsy azoko.
Tsy raharahainy mihitsy ve ny olona manana tany hoatran’ahy?
Aiza kosa e! Dia rahoviana ianareo no hifindra?
Maninona a? Izaho tsy hifindra izany.
Tsy misy azony terena na izaho na ianao.
Izaho tsy voafidy.
Hatreto aloha!
Fa rehefa voafidy ianao, dia izay ataoko arahina.
Rahama a!
Ny mpanjaka no naniraka an’i Nehemia hanorina ny tanàna.
I Nehemia no governora.
Tsy raharahako izany. Tsy maintsy hiala eo izy.
Hiverina amin’ny laoniny ny zava-drehetra rehefa lasa izy.
Na tsy eo intsony aza i Nehemia, dia i Jehovah mahita antsika.
Sitrapony ilay hoe aorina indray i Jerosalema.
Tsy ekenao ve izany?
Manohana an’i Nehemia izany ianao?
Izaho ange no nanampy anao e!
Rahama!
Ny entanao.
Inona no noresahinareo teo?
Tsy mety mifindra any Jerosalema i Rahama.
Dia tiany hanao hoatran’azy isika.
Dia ahoana hoy ianao?
Hoe manao ny sitrapon’i Jehovah i Nehemia.
Tena ho sambatra anefa i Rahama raha manao ny sitrapon’i Jehovah.
Dia ahoana?
Hifindra isika raha voafidy?
Ie.
Aleoko manahaka an’i Nehemia, toy izay i Rahama.
Ianareo koa ve?
Ie.
Izaho koa.
Notokanana ilay manda.
Nanakoako eran’i Jerosalema ny hira fiderana sy fisaorana.
Heno hatrany amin’ny tanàna lavitra be ilay izy.
Tadidiko foana iny andro iny rehefa niverina teto Persa aho.
Tahaka izay anefa aho tsy niala tany, satria lasa nisy olana be dia be.
Nisy olona nasain’i Jehovah nanoratra ny zava-nitranga tany Jerosalema, tamin’izaho tsy tany.
Malakia no anarany.
Tsy Jiosy i Tobia,
nefa nahita fomba ahazoana efitra tao amin’ny tempoly.
Nanana havana jiosy mantsy izy.
Maninona atỳ ianao? Ela izany a.
Mba te hahita anao aho.
Oay! Intỳ misy zavatra kely ho anao.
**[<i>Misento</i>]<i>**</i> Tobia a, tena tsara fanahy mihitsy ianao.
Zavatra kely fotsiny iny.
Misy zavatra azoko atao ho anao ve?
Misy mihitsy ka.
Misy zavatra kely mba angatahako.
Hay. Inona no azoko atao ho anao?
- Isika moa mpihavana ihany.
- Ie.
Rehefa tonga atỳ ny havantsika avy any Samaria,
dia tsara raha mba misy toerana ahafahantsika miara-misakafo aminy.
Ie.
Ohatra hoe ato amin’ny tempoly.
Ry zareo ange manompo an’i Jehovah e...
matetika...
Eny e, ... indraindray.
Efitra iray ato amin’ny tempoly?
Tsy afaka manome an’izany aho.
Sady... ampiasaina daholo ange ireo efitra ireo e!
Izany ve? Iretsy àry fampirimana entana fotsiny!
Sakafon’ny Levita ireo.
Eo rangahy mba omeo iray a.
Iray fotsiny!
Iray ihany no ilaiko.
Dia ahoana hoy Nehemia amin’izany?
Tsy misy iraharahako an’izany.
Izy aza any Sosana lavitra be any!
Dia ahoana raha fantany ilay izy?
Tsy fantany izany io.
Sa ianao no hiteny aminy?
An an an!
Dia aza matahotra àry.
Nanaiky hotambazan’i Tobia indray ny mpisoronabe.
- Hatao aiza ity vary ity?
- Eto malalaka.
- Moramora an!
- Hay!
Iny Tobia.
Mba haingankaingana ianareo.
Rehefa lasa ireo, dia aleo ny latabatra ataontsika eto
dia ny seza aankintsika amin’ny rindrina.
Tobia! Aiza izany izao no hampirimanay ny entanay?
Tsy haiko! Anareo izany.
Mandehana amin’izay ianareo mandeha.
Mandehana! Mandehana!
Maninona àry i Eliasiba no manao an’izao? Tsy azoko!
Olona hoatran’i Tobia ve no omena efitra ato amin’ny tempoly.
Nehemia aza efa niezaka be mba ho masina foana ny tempoly.
Ny olona koa efa tsy manome ampahafolon-karena intsony!
Mila mamboly sy miompy isika raha te hihinan-kanina.
Matiantoka fotsiny isika manompo an’i Jehovah.
Aiza kosa e! Isika tokony ho faly foana.
Aza atao mahakivy anareo izay zavatra tsy mety ataon’ny hafa.
Nahoana moa izahay no tsy ho kivy.
Inona izao ny tombony azontsika amin’ny fanompoana?
Izany mihitsy!
Ny Soratra Masina koa miteny hoe: ‘Karakarao tsara ny ondrinao’?
Fa resahiny koa hoe: “Hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana.”
Mila miandry an’i Jehovah izany isika.
Tsy maintsy hanitsy an’izay tsy mety izy any aoriana any.
Hitan’i Malakia hoe tsy niraharaha ny lalàn’i Jehovah intsony ny olona.
Nanampy ny olona hanompo an’i Jehovah koa ny Levita taloha,
nefa lasa tsy nihevitra ny fanompoany ho sarobidy intsony.
Ahoana tovolahy!
Tsy aleonao manolotra ondry?
Raha ngeza ange ny fanatitra, dia hoatran’izay koa ny fitahiana e!
Sady mba hitan’ny olona hoe manam-bola e!
Misaotra fa efa manana fanatitra aho.
Ianao anie mbola afaka miady varotra e!
Ao fa tena ataoko mora be.
Mihoatra kely noho ny nividiananao an’ireny voromailala ireny.
Avia ange jereo e!
Jamba àry ilay ondry!
Sady jereo ilay izy mandringa.
Ô ry zandry a!
Efa karazan’ilay ondry mihitsy io.
Ny Lalàn’Andriamanitra aza miteny hoe
aza manolotra biby jamba, na mandringa, na marary.
Raha manam-bola aho dia ondry salama tsara no hovidiko.
Matiantoka amin’izany ianao.
- Ondry tsara anie io sady mora e!
- Aoka izao.
Hanenenanao izany. Sady fombafomba fotsiny ange ny fanatitra e!
Mandehana koa rehefa tsy hividy.
Tsy hoatran’ny taloha intsony ny fanompoana ao amin’ny tempoly.
Hoatran’ny tsy miraharaha an’i Jehovah intsony ny olona.
<i>**</i>[<i>Misy mandond</i><i>òna</i>]**
Azoba!
Fa maninona ianao?
Fa misy inona?
**[<i>Mitomany foana</i>]<i>**</i>
Salama i Rahama?
Nisarahany ve ianao?
**[<i>Mitomany</i>]<i>**</i> Efa tena niezaka aho.
Fa tsy ampy anefa ilay izy.
Noroahin’i Rahama aho.
Aza matahotra Azoba a.
Afaka mipetraka ato aminay ianao.
Ie. Mety izany.
**[<i>Mitomany</i>]<i>**</i> Ka izao anie e:
Izaho mihitsy no diso.
Aza mieritreritra an’izany.
**[<i>Mitomany</i>]<i>**</i> Ka izaho tsinona tsy afaka miteraka.
Masina foana ny fanambadiana, na manan-janaka ianareo na tsia.
Matokia an’i Jehovah, fa tsy hanary anao izy Azoba a.
**[<i>Mitomany</i>]<i>**</i> Misaotra.
Rahama!
Nisy olona tonga tao aminay tamin’ny alina.
Ny vadinao!
Sa hoe ilay vadinao taloha?
Rahama a!
Dia sahinao ve ny mampijaly olona tsy manan-tsiny?
Maninona ianao no mafy fo hoatr’izany?
Hoy Mosesy hoe raha mahita zavatra manafintohina amin’ny vadiny ny lehilahy iray,
dia tokony hanao taratasy fisaraham-panambadiana,
dia hanome an’izany azy, dia handroaka azy.
Tsy miteraka i Azoba,
dia zavatra manafintohina izany amiko.
Izaho koa leo be miaraka aminy.
Hanambady an’i Gizla aho androany.
Iza?
Ilay Moabita iny ve?
Dia sahinao ve ny manao an’izany?
Ianao aza efa nianiana hoe tsy hanambady vehivavy hafa firenena.
Milaza ny Lalàna fa ‘hampiala ny zanakao lahy tsy hanaraka ahy izy,
fa hanompo andriamani-kafa.’
Dia ‘hirehitra aminareo ny fahatezeran’i Jehovah!’
Fa iza moa ianao no miseho miteniteny ahy?
Izay tiako ihany io.
Izay aloha no hitako hoe mahafaly ahy.
Rahama!
Avy amin’i Jehovah ny tena fifaliana.
Tena ho faly ve ianao raha izay tianao fotsiny no ataonao?
Jehovah a!
Fa maninona izahay no mifamitaka, ka tsy manaja fifanekena?
Malakia a!
Izao lazaina amin’ireo mpisorona tsy manaja ny anarako ireo:
‘Ny zanaka dia manaja ny rainy,
ary ny mpanompo manaja ny tompony.
Raha ray aho, aiza izay fanajana ahy?
Ary raha Tompo aho,
aiza izay fahatahorana ahy?’
Ahoana zandrilahy a!
Angaha tsy hividy biby hatao fanatitra e?
Maninona ianareo Levita no tsy manaja ny anaran’i Jehovah?
Maninona a?
Tsy manaja ahoana?
Jereo ange ny biby ataonareo fanatitra e!
Biby jamba sy mandringa ary marary.
Dia hoy ianareo hoe tsy misy maharatsy an’izany!
I Jehovah ve dia hanaiky biby misy kilema?
Mitovy ihany io rehefa ao am-bilany.
Tsy misy mahafantatra io hoe jamba na mandringa.
Ary i Jehovah?
Izy ve dia tsy hahafantatra?
Ho avy ny andro hidiran’i Jehovah ao amin’ny tempoliny,
dia hodioviny amin’ny afo ianareo ry taranak’i Levy.
Fa inona ity mahazo anao?
Ny olona aza tsy misy maninona izany.
Koa maninona ianao no tezitra?
Hoy Jehovah hoe ‘raha tsy mandatsaka am-po ny zavatra lazaiko ianareo ry mpisorona,
dia hozoniko ianareo,
ary hovako ho ozona ny tsodrano omenareo.
Miverena amiko, dia hiverina aminareo aho’, hoy Jehovah.
Fa inona moa ny ratsy nataonay?
Iza ny olona sahy handroba an’Andriamanitra?
Ianareo ireo anefa mandroba ahy, hoy Jehovah.
Ahoana no nandrobanay azy?
‘Tamin’ny fanomezana,
dia tamin’ny ampahafolon-karena ianareo sy ny firenena manontolo no nandroba ahy’, hoy Jehovah.
‘Ento ao amin’ny trano fitehirizana àry ny ampahafolon-karena rehetra,
mba hisy sakafo ao an-tranoko.
Ary tsapao toetra amin’izany ange aho e,
raha tsy hovohako ho anareo ny vavahadin-dranon’ny lanitra,
ary handrotsaka fitahiana be dia be ho anareo aho,
mihoatra noho izay ilainareo aza.’
Misy zavatra hafa koa ataonareo,
mahatonga ny fanatitrareo tsy ankasitrahan’i Jehovah.
Inona izany?
Nivadika tamin’ny vadin’ny fahatanoranao ianao,
na dia namanao sy vady vita fifanekena taminao aza izy.
Nisy tsy nanao an’izany anefa,
satria mbola nisy fanahy masina ihany tao aminy.
Noho izany, dia tandremo ny toe-tsainareo,
ary aza misy mivadika amin’ny vadin’ny fahatanoranareo.
“Fa halako ny fisaraham-panambadiana”, hoy Jehovah Andriamanitra.
Ny molotry ny mpisorona no tokony hitahiry fahalalana,
ary ny lalàna no tokony hotadiavin’ny vahoaka avy amin’ny vavany.
Ianareo kosa anefa nahatonga ny maro ho tafintohina.
Nahariharin’i Jehovah hoe ratsy ny tao am-pon’izy ireo.
Hitan’i Malakia anefa hoe nisy ihany ireo faly satria nanao ny tsara.
Ebera.
- Manahoana.
- Faly mahita anareo.
Azoba a, aza kivy.
Ho hitanareo ny tsy fitovian’ny marina sy ny ratsy fanahy,
ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.
Mpaminany ianao e?
Mpanompo hoatra anareo ihany aho.
Dia izao: Rehefa mifampiresaka momba an’i Jehovah ianareo,
dia mihaino tsara izy.
Dia misy boky soratany eo anatrehany, ho an’ireo matahotra azy sy misaintsaina ny anarany.
Hitahy anareo anie i Jehovah.
Aman-taonany aho no tsy tany Jerosalema.
Nieritreritra an-dry zareo tany foana anefa aho.
Nangataka tamin’ny mpanjaka aho mba hiverina tany.
Nahakivy ahy anefa ny zavatra hitako.
Eliasiba!
Faly aho mahita anao indray.
Nehemia! Hay ve ianao tonga e!
Aiza daholo ny Levita sy ny mpihira?
Tsy eto ny sasany amin-dry zareo izao.
Fa aiza? Lasa aiza ry zareo?
Mmm. Iny Pedaia.
Pedaia a, mba ento mitsidika kely i Nehemia.
Aleo aho handeha kely.
Eny àry.
Pedaia a, manao ahoana ny fanompoana eto?
Ampy ve ny sakafonareo Levita?
Nehemia a, efa ho lany izao ny tahirin-tsakafonay.
Fa misy inona?
Efa ela ny mpisorona sy ny Levita no tsy nanao tsara ny andraikiny,
dia lasa tsy nitondra ampahafolon-karena intsony ny olona.
Dia izao!
Niverina any amin’ny sahany ny ankamaroan’ny Levita.
Ary ianao?
Afa-po amin’izay ananako aho.
Mino aho hoe manampy an’izay matoky azy i Jehovah.
Fantatro hoe tsy maintsy hahitsiny foana izay tsy mety.
Tsy nasain’i Eliasiba nitondra sakafo ho anareo ve ny vahoaka?
Efa nampitandreman’i Malakia izy sy ny mpisorona rehetra.
Mbola nasainy nalana tato ihany anefa ny entanay.
Dia nomeny an’i Tobia ity efitra ity, hataony efitra fisakafoanana.
Andao isika hanala an’ireto ato.
Fa inona ity ataonareo?
Ary ianao? Fa inona ity ataonao?
Maninona ianao sy ny solontenam-panjakana no tsy manaja ny tranon’Andriamanitra?
- Ianareo an, diovy ity efitra ity, dia soloy ireo fitaovana ireo.
- Eny, tompoko.
Dia vorio daholo ny Levita sy ny mpihira ary ny solontenam-panjakana.
Asaiko hiverina hanompo eto indray ry zareo.
Pedaia a!
Ianao sy Selemia sy Zadoka ary Hanany
no hiandraikitra ny efitra fampiriman’entana.
Ianareo no hizara sakafo ho an’ny rahalahinareo.
- Nehemia a... Andraso, izaho mba hanazava kely.
- An an an.
Hoteneniko ny Joda rehetra mba hanatitra ny ampahafolon’ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.
Aleo aho mba hanazava.
Andraso moa e!
Mba tsarovy aho ry Andriamanitro ô!
Ary aza hadinoina ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehoko ho an’ny tranonao.
Tsy niraharaha ny tranon’i Jehovah ny Jiosy sasany.
Mbola nivarotra koa izy ireo rehefa Sabata.
Masina anefa io andro io tamin’i Jehovah.
Inona no nentinao androany?
Trondro tsara be, avy any Tyro.
Fa inona ity ataonareo?
Angaha tsy fantatrareo hoe Sabata androany?
Nehemia a.
Maninona ianareo no manao izao zava-dratsy izao?
Izao ihany no nahatonga an’i Jehovah handrava an’ity toerana ity.
- Efa izany foana ange no ataon’ny olona e!
- Dia tian’i Jehovah izany?
Tsy navelako nanao raharaham-barotra intsony ny olona.
Nasaiko nohidiana ny vavahadin’ny tanàna, mba ho masina foana ny Sabata.
Niverina indray anefa ireo mpivarotra ny herinandro nanaraka.
Fa maninona no hidianareo ity?
Izaho izao tsy maintsy natory tetsy tamin’ny alina!
Fantatrareo ny Lalàna.
Tsy mahazo mivarotra sady tsy mahazo miasa rehefa Sabata.
Mandehana mandeha any!
Ambenonao sy ny Levita ny vavahady mba ho masina foana ny Sabata.
Aza misy avela hiditra eo.
Tsarovy koa ireny zavatra nataoko ireny ry Andriamanitro ô!
Ary iantrao aho fa be hatsaram-panahy feno fitiavana ianao.
Mbola nisy zavatra hafa nila nalamina koa.
Aza maditra!
<i>Ana la mitbayen.</i>
E! Miverena atỳ.
Tsy mety izany tsy mankatò an’i Dada izany an!
Fa maninona ny zanakao?
**[<i>Misento</i>]** Tsy tian-dry zareo mihitsy ilay mankao amin’ny tempoly.
Maninona indrỳ no tsy tia mankany?
<i>Shvok Y-ati!</i>
E! Miverena atỳ.
Azafady tompoko.
Tsy mahay miteny hebreo ny vadiko.
Tsy efa nianiana ve ianao hoe tsy hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah?
Tsy misy manaraka an’izany intsony izao?
Tsy efa nianiana ialahy?
- Ie! Efa.
- Dia maninona no tsy raharahaina ny didin’i Jehovah
sy ny voady nataon’ialahy?
Avelao aho.
Tsy mahagaga raha tsy tia an’i Jehovah ny zanak’ialahy!
Kay!
Ialahy ve dia hotahin’i Jehovah raha tsy mankatò?
Izaho aza efa nangataka ny fitahiany?
Izany? Nefa ialahy tsy mankatò azy.
Rahama a. Jehovah ve dia hitahy an’ialahy, nefa ialahy tsy manao ny sitrapony?
Tsy mahagaga raha izany ny zava-nitranga.
Izay nataon’ny mpitarika no nataon’ny vahoaka.
Ny zafikelin’i Eliasiba aza nanambady Horonita,
zanakavavin’i Sanbala.
Fa maninona ianao tsy nankatò ny Lalàna
hoe aza omena ny zanany lahy ny zanakareo vavy,
ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy,
na ho vadinareo?
Tsy izany ve no nahatonga an’i Solomona hanota?
Dadabe a, ahoana izany?
Mangina aloha ianao.
Tsy mampino mihitsy izao zavatra ratsy be nataonareo izao.
Nivadika tamin’i Jehovah ianareo, dia nanambady hafa firenena.
Lotoinao ny asa fisoronana.
Tsy mahazo manao mpisorona intsony ianao, dia tsy mahazo mijanona eto Jerosalema.
Hay! Ho any Samaria aho.
Tsy dia hentitra loatra ny any.
Zafikeliko ange iny e!
Maninona àry izy no navelanao handika ny lalàna e!
Ny fanompoantsika no mahatonga antsika hifandray tsara amin’Andriamanitra.
Vao lasa anefa aho, dia tsy nampianareo hifandray amin’i Jehovah intsony ny olona.
Tafaverina tamin’ny laoniny ihany ny fivavahana marina.
Tsy nahavita na inona na inona anefa izahay raha tsy nampian’i Jehovah.
Nisy nanohitra izahay, ...
Maninona raha izy no endrikendrehintsika ho mpikomy?
Ho hitantsika izay hataony, rehefa tena manafika azy isika.
Nehemia a, avelanao ho faty eto izany izahay?
tsy nanaraka ny hafa hanao ratsy, ...
Tsy misy azony terena na izaho na ianao.
Rehefa voafidy ianao dia izay ataoko arahina.
Matiantoka amin’izany ianao.
Fombafomba fotsiny ange ny fanatitra e!
Mila mamboly sy miompy isika raha te hihinan-kanina. Matiantoka fotsiny isika manompo an’i Jehovah.
nisy fotoana izahay niari-tory, ...
Andao ho any Jerosalema hanara-maso an’i Nehemia.
Mbola tsy hitanao ihany? Tsy tian’ny olona isika manao an’io asa io!
Tsy niara-niaina tamin-dry zareo teto ianao!
ary niasa mafy.
Sady mafy loatra ilay asa. Tena reraka izahay.
Inona koa moa no ilantsika manda e!
Faly be izahay rehefa nanompo tsara an’i Jehovah.
Hay tsy manda fotsiny no naorinay.
Nanatanjaka indray ny finoanay koa i Jehovah.
Nanampy anay hiray saina i Jehovah,
mba hahatonga anay hanatanteraka ny sitrapony.
Tsy hadinoko mihitsy izany.
Nampianariny hiantehitra taminy izahay, dia nanatanjaka anay izy.
Hano ny matavy, sotroy ny mamy, ary anatero anjara izay tsy manana.
Aza malahelo àry,
fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
Mba tsarovy aho ry Andriamanitro ô,
ary aoka aho hahazo sitraka aminao.
Lehilahy be herim-po i Nehemia.
Afaka nijanona tany Sosana izy,
ary nanompo an’i Jehovah tany.
Tsy izay anefa no nataony.
Rehefa nila fanampiana ny tany Jerosalema,
dia vonona hanampy azy ireo izy.
Tsy mora taminy anefa ilay izy.
Tsy maintsy niera tamin’ny mpanjaka mantsy izy.
Nahoana i Nehemia ho be herim-po foana?
Noho izy tsara toetra sy tian’ny mpanjaka ve?
Andao hiverenantsika jerena ity ampahany ity.
Ny tanàna misy ny fasan-drazako simba.
Dia kilan’ny afo ny vavahadiny.
Hazavao tsara hoe.
Lazao amiko izay tianao hatao.
Tonga aho dia nivavaka.
Raha sitraky ny mpanjaka,
ary raha ankasitrahanao ny mpanomponao,
dia alefaso any Joda aho, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako, mba hanorina azy indray.
Mandehana àry!
Tena nanampy anay i Jehovah.
Nanetry tena i Nehemia ka tonga dia nivavaka tamin’i Jehovah.
I Jehovah ihany no afaka manampy azy ho be herim-po.
Nivavaka foana izy rehefa nanao ny asany,
ary nitahy azy i Jehovah.
Lesona voalohany:
Mivavaka isika rehefa miatrika olana.
Ahoana anefa rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra?
Mbola miantehitra amin’i Jehovah ihany ve isika?
Sa isika efa afa-po amin’ny zava-bitantsika,
dia hiteny hoe: “Efa mandeha tsara ny fiainako.
Mbola betsaka ny asa mila atao eo amin’ny fanompoana,
fa izaho efa nanompo an’i Jehovah an-taonany maro.
Efa vita ny anjarako.
Anjaran’ny hafa indray izao.”
Hotahin’i Jehovah ve ianao raha izany no toe-tsainao?
Tsy aleonao ve mivavaka aminy?
Angataho i Jehovah mba hanome anao herim-po sy fifaliana,
mba hahafahanao manompo azy bebe kokoa.
Be dia be ny varavarana hosokafan’i Jehovah ho anao.
Tsy nibaikobaiko fotsiny i Nehemia rehefa tonga tany Jerosalema.
Niara-niasa tamin’ny Israelita namany izy isan’andro,
nanomboka tamin’ny vao mangiran-dratsy
ka mandra-pipoitran’ny kintana.
Rehefa mahafoy tena hoatr’izany koa isika,
dia hanome ny hery ilaina i Jehovah,
mba hahavitantsika ny asa tokony hataontsika.
Vitan’ny Israelita tao anatin’ny 52 andro ilay manda.
Tena niavaka izany.
Nisy nanohitra foana mantsy ry zareo.
Nanesoeso an-dry zareo ny fahavalony tamin’ny voalohany,
fa avy eo nandrahona ny hanafika mihitsy.
Ny Samaritanina no tany Avaratra,
ny Amonita no tany Atsinanana,
ny Arabo no tany Atsimo,
ary ny Asdodita no tany Andrefana.
Voahodidin’ny fahavalo i Jerosalema.
Mety hampahatahotra izany.
Inona no nataon’i Nehemia?
Hoatran’ny fanaony ihany.
Hoy izy: ‘Nivavaka tamin’Andriamanitra izahay.’
Nampahery ny olona i Nehemia avy eo dia niteny hoe:
‘Aza matahotra an-dry zareo.
Tadidio i Jehovah, ilay lehibe sy mendrika hatahorana.’
Dia notohizan-dry zareo foana ilay fanorenana.
Hitan’ireo fahavalo hoe tsy nahomby ilay fampitahorana.
Dia nijanona teo ve ry zareo?
Tsia.
Nitady tetika hafa indray ry zareo.
Nampiasa tetika telo ry zareo, satria
tiany ho variana i Nehemia, dia tsy hanohy an’ilay asa.
Inona avy izany tetika izany?
Andao hojerentsika indray ilay video.
Nasainy nihaona taminy tany ivelan’i Jerosalema i Nehemia.
Lazao i Nehemia hoe: “Andao isika hifanao fotoana any amin’ny tanàna kelin’ny lemak’i Ono.”
Te hanisy ratsy ahy fotsiny ry zareo.
Nanely tsaho koa ry zareo.
Gasema a, andao harahina amin’izay ny teninao.
Tobia, soraty izao:
“Malaza any amin’ireo firenena
fa miray tetika ny hikomy ianao sy ny Jiosy,
ary izany koa no nolazain’i Gasema.
Izany no antony anorenanao ny manda.”
Nampiasa olona koa ry zareo mba hamitaka an’i Nehemia.
Hisy hamono ianao, androany alina.
Mila mankao amin’ny tempoly isika, dia mijanona ao.
- Semaia a, olona hoatr’ahy ve dia handositra?
- Ka tsy azonao.
Ho kivy ny vahoaka raha mahafantatra an’izany.
Ka ao ihany ny toerana azo antoka.
Tadidio koa fa izaho tsy mpisorona,
dia mendrika ny ho faty aho raha miditra ao amin’ny tempoly.
- Izaho tsy hiditra ao.
- Hadalana izany ataonao izany.
Azoko.
Miray tetika amin’i Tobia sy Sanbala ianao. Mpihatsaravelatsihy.
Enga anie hosazin’i Jehovah ry zareo
sy ianareo mpaminany sandoka mampitahotra ahy ireo.
Hanany a, andao isika hiasa.
Tsy nisy nahomby ireo tetika telo.
Lesona faharoa:
Mety hisy hanohitra isika.
Mety hampiasa tetika ry zareo amin’izay isika tsy manohy ny fanompoantsika.
Hoatran’ny hoe asainy hivoaka kely an’i Jerosalema isika.
Reseny lahatra isika mba tsy hafana fo amin’ny fanompoana,
fa hanompo kely, sady hanatratra tanjona eto amin’ity tontolo ity.
Tsy hanaiky an’izany isika raha manahaka an’i Nehemia.
Ny Fanjakan’Andriamanitra no katsahintsika aloha.
Fantatsika koa hoe ahoana no hiafaran’ity tontolo ity.
Mety hanely lainga momba antsika koa ny mpanohitra.
Lazaina fa mitaona ny olona hikomy amin’ny fanjakana, ohatra, isika.
Nisy fotoana isika nandresy, rehefa tonga teny amin’ny fitsarana.
Na mandresy anefa isika na resy,
dia matoky isika fa hanatanteraka ny fikasany foana i Jehovah.
Mety hanohitra koa ireo miseho ho manompo an’i Jehovah.
Nasain’ny Jiosy iray nandika ny Lalàn’i Jehovah i Nehemia,
amin’izay, hono, tsy ho faty.
Mety hanao hoatr’izany koa ny mpivadi-pinoana,
satria tiany hivadika amin’i Jehovah isika.
Tsy manaiky anefa isika.
Fantatsika fa izay mankatò ihany no ho voavonjy.
Tsy voafitaka mihitsy i Nehemia.
Nahoana?
Satria ve izy marani-tsaina be?
An, an, an.
Niantehitra tamin’i Jehovah kosa izy.
Nomen’i Jehovah fahendrena àry izy,
dia lasa hitany hoe fitaka ilay izy.
Niala tao Jerosalema i Nehemia rehefa vita ny manda.
Inona anefa no hitany rehefa niverina izy?
Nanompo an’i Jehovah daholo ve ny olona tany?
Vitsy kely no nanao an’izany.
Nanao ahoana ny fihetseham-pony?
Nieritreritra ve izy hoe:
‘Efa be izay vitako izay, mba hanampiana an’ity vahoaka ity hitoky amin’i Jehovah.
Tsy mahavita intsony aho.
Aleo olon-kafa indray no hanampy azy ireo.’
Izany ve no nataony?
Andao hojerentsika indray ilay video.
Maninona ianareo no tsy manaja ny tranon’Andriamanitra?
Ianareo an, diovy ity efitra ity.
Fantatrareo ny Lalàna:
Tsy mahazo mivarotra sady tsy mahazo miasa rehefa Sabata.
Mandehana mandeha any.
Tsy efa nianiana ve ianao hoe tsy hanambady olona tsy manompo an’i Jehovah?
Dia maninona àry no tsy raharahaina ny didin’i Jehovah
sy ny voady nataon’ialahy?
Ny zafikelin’i Eliasiba aza nanambady Horonita, zanakavavin’i Sanbala.
Hoe aza omena ny zanany lahy ny zanakareo vavy,
ary aza maka ny zanany vavy ho vadin’ny zanakareo lahy.
Lotoinao ny asa fisoronana.
Tsy mahazo manao mpisorona intsony ianao, dia tsy mahazo mijanona eto Jerosalema.
Tafaverina tamin’ny laoniny ihany ny fivavahana marina.
Tsy niala andraikitra i Nehemia.
Novitainy hatramin’ny farany ny andraikiny. Nahoana?
Satria niezaka ny ho faly foana izy.
Inona no tena nahafaly an’i Nehemia?
Ny zava-bitany ve?
Sa ilay hoe maharo azy ireo tsara izao ny manda?
Sa ny zava-bitan’ny hafa?
Tsy izany mihitsy.
Avy aiza ny fifaliana tsapan’i Nehemia?
Izao no lazainy:
“Ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.”
Lesona fahatelo:
Na eo aza ny olana,
dia afaka manana ny tena fifaliana isika raha mifandray tsara amin’i Jehovah.
Olombelona tsy lavorary i Nehemia.
Tsy nahazo hery hanaovana fahagagana toa an’i Mosesy sy Josoa izy.
Inona kosa no azony natao?
Afaka nivavaka izy,
naneho finoana,
ary nitoky tamin’i Jehovah.
Ireo no tena nanampy azy.
Azo antoka hoe tena nanampy azy i Jehovah,
dia nitari-dalana azy sady nitahy ny ezaka nataony.
Afaka manao an’ireo koa isika amin’izao.
Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika, maneho finoana azy,
ary matoky fa hitahy antsika izy rehefa mahafoy tena ho azy isika.
Nanampy an’i Nehemia ho be herim-po i Jehovah,
nanatanjaka azy, nanome azy fahendrena,
ary nanampy azy hamita ny andraikiny hatramin’ny farany.
Afaka manampy antsika hoatr’izany koa izy.
-