00:00:03
Izao no lohatenin’ny fandaharantsika:00:00:06
00:00:06
“Ny Vehivavy Manambara ny Vaovao Tsara.”00:00:09
00:00:10
Mampalahelo fa efa hatramin’ny ela ny vehivavy
no iharan’ny herisetra sy tsy rariny,00:00:14
00:00:14
sady nampijaliana foana.00:00:16
00:00:18
Hazavain’ny Baiboly ny antony.00:00:21
00:00:21
Jereo izay lazain’Andriamanitra,00:00:23
00:00:23
eo amin’ny tapany farany amin’ny Genesisy 3:16:00:00:27
00:00:35
Milaza Andriamanitra eto hoe
“hanjaka” amin’ny vadiny i Adama.00:00:40
00:00:40
Tsy te hilaza akory izy
fa mahazo manjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy.00:00:45
00:00:46
Nilaza mialoha fotsiny izy hoe inona no
ho voka-dratsin’ny fahotana eo amin’izy mivady.00:00:51
00:00:53
Tsy sitrapon’Andriamanitra mihitsy
no mahatonga ny olona hampijaly vehivavy,00:00:57
00:00:57
fa vokatry ny fahotan’ny olombelona.00:01:00
00:01:01
Tsy dia misy manaja araka ny itiavan’Andriamanitra azy
ny vehivavy nanomboka teo.00:01:06
00:01:08
Nasehon’i Jehovah mazava tsara
ao amin’ny Baiboly anefa hoe00:01:11
00:01:11
mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy eo imasony.00:01:14
00:01:15
Resahiny ao mihitsy aza fa hampiasainy
mba hanatanterahana ny fikasany ny vehivavy.00:01:21
00:01:23
Miorina amin’ny Salamo 68:11
ny foto-kevitsika androany.00:01:29
00:01:29
Andao hovakintsika ilay izy:00:01:32
00:01:37
Avy amin’ny fanahy masina ireo teny ireo.00:01:40
00:01:40
Fa inona moa no tao an-tsain’ilay mpanao salamo
tamin’izy nanoratra an’ireo?00:01:44
00:01:47
Hita avy amin’ireo teny manodidina
hoe nidera an’i Jehovah i Davida,00:01:51
00:01:51
satria Andriamanitry ny famonjena Izy.00:01:54
00:01:54
Matetika mantsy ny Israelita
no niady tamin’ny firenena fahavalo,00:01:57
00:01:57
hatramin’ny nivoahan-dry zareo avy any Ejipta.00:02:00
00:02:00
Naharesy foana anefa izy ireo,
satria nampian’i Jehovah.00:02:04
00:02:04
Niara-nankalaza an’izany fandresena izany
daholo avy eo ny Israelita rehetra.00:02:09
00:02:13
Nanenjika ny vahoakan’i Jehovah, ohatra,
i Farao sy ny Ejipsianina.00:02:17
00:02:17
Tsy navelan’i Jehovah handresy ny vahoakany
anefa izy ireo.00:02:21
00:02:21
Izany no fandresena voalohany resahin’ny Baiboly.00:02:24
00:02:25
Inona no nitranga avy eo?00:02:27
00:02:27
Izao no lazain’ny Eksodosy 15:20, 21:00:02:32
00:02:58
Alao sary an-tsaina anie e!00:03:00
00:03:02
Telo tapitrisa teo ho eo ny isan’ny vahoakan’Israely,00:03:05
00:03:05
dia nandihy sy nihira mba hidera an’i Jehovah
“ny vehivavy rehetra.”00:03:09
00:03:09
Tafika lehibe mihitsy izany!00:03:11
00:03:13
Azo antoka hoe tena nanakoako izao
ny fiderana an’i Jehovah tamin’izany!00:03:18
00:03:21
Ity indray misy tantara hafa.00:03:23
00:03:23
Tamin’i Saoly mpanjaka sy Davida mpitari-tafiny
niverina avy any an’ady ilay izy.00:03:27
00:03:27
Nandresy ny Filistinina ry zareo tamin’izay.00:03:30
00:03:31
Andao hovakintsika ilay tantara,
ao amin’ny 1 Samoela 18:6:00:03:36
00:03:53
Voamarikareo ve hoe00:03:55
00:03:55
“nivoaka avy any amin’ny tanàna rehetra” ny vehivavy,00:03:57
00:03:57
mba hitsena azy ireo amin’ny mozika sy hira ary dihy?00:04:00
00:04:01
Tsy hoe hafaliana00:04:02
00:04:02
vokatry ny fihetseham-pon’olombelona fotsiny
anefa ny zavatra hoatr’ireny.00:04:06
00:04:08
Tadidio fa nilaza i Davida hoe:00:04:10
00:04:10
“Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,00:04:12
00:04:12
ary tafika lehibe ny vehivavy
manambara ny vaovao tsara.”00:04:16
00:04:17
Sarobidy tamin’i Jehovah ny lehilahy nandeha niady,00:04:20
00:04:20
fa sarobidy taminy hoatr’izany koa
ny fiderana nataon’ny vehivavy.00:04:24
00:04:29
Ary ahoana ny amin’ny androntsika?00:04:31
00:04:31
Asehon’ny tatitra ho an’ny taom-panompoana 2017,00:04:35
00:04:35
fa maherin’ny valo arivo tapitrisa ny isan’ny
mpitory ny vaovao tsara maneran-tany.00:04:39
00:04:39
Any amin’ny tany maro anefa,00:04:42
00:04:42
dia efa ho antsasany mahery amin’ny anabavy
no mpisava lalana manokana.00:04:46
00:04:46
Anabavy ny telo ampahefatry ny mpisava lalana
any amin’ireny tany ireny!00:04:51
00:04:51
Be dia be koa ny anabavy mazoto mitory
ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana,00:04:55
00:04:55
sady manao izay fara heriny,
na inona na inona toe-javatra misy azy.00:05:00
00:05:00
Betsaka, ohatra, ny fianakaviana tsy misy afa-tsy reny,00:05:03
00:05:03
dia miezaka be ireny anabavintsika ireny
mba hanome izay ilain’ny zanany,00:05:07
00:05:07
na ara-nofo izany, na ara-panahy.00:05:10
00:05:11
Tsy vitsy koa ny anabavy mpitovo
miezaka mafy amin’ny fanompoana an’i Jehovah,00:05:15
00:05:15
ka mandray anjara amin’ny fanorenana
na amin’ny asan’ny Betela.00:05:19
00:05:19
Misy indray manompo
any amin’izay ilana mpitory maro kokoa,00:05:22
00:05:22
na mianatra fiteny vahiny.00:05:24
00:05:28
Maro koa ny vehivavy tsy mivadika
fa mitory sy mampianatra foana,00:05:31
00:05:31
ary manohana tsara ny vadiny.00:05:33
00:05:37
Tena faly i Jehovah mahita anareo manompo azy
amin’ny fomba samihafa hoatr’izany!00:05:42
00:05:42
Izahay koa tena mankasitraka
anareo anabavy malalanay!00:05:45
00:05:45
Tsy be fitiavana fotsiny mantsy ianareo,00:05:48
00:05:48
fa mampiray saina ny fiangonana koa.00:05:51
00:05:58
Tena sarobidy amin’i Jehovah àry
ilay ‘tafika lehiben’ny anabavy.’00:06:02
00:06:02
Fa tsikaritr’i Jehovah marina ve ny toe-javatra
misy ny tsirairay aminy sy ny sorona ataony?00:06:07
00:06:08
Mazava be ny valin’izany.00:06:11
00:06:11
Efa asongadin’i Jehovah
ao amin’ny Teniny mantsy hoe00:06:14
00:06:14
mahita sy mankasitraka
ny ataon’ny mpanompony tsirairay izy.00:06:18
00:06:21
Voamarikao ve, ohatra,
tamin’isika namaky an’ilay Eksodosy 15:20 teo,00:06:26
00:06:26
fa nantsoina hoe “mpaminanivavy” i Miriama?00:06:30
00:06:31
Azo antoka fa tombontsoa be ny azy,00:06:33
00:06:33
satria izy mihitsy no nampiasaina
mba hifandraisana tamin’Andriamanitra.00:06:38
00:06:38
Nasain’i Jehovah nihira, ohatra, izy.00:06:41
00:06:41
Tsy i Miriama irery anefa no nantsoina hoatr’izany
ao amin’ny Soratra Masina.00:06:45
00:06:46
Misy vehivavy hafa koa antsoin’ny Baiboly
hoe mpaminanivavy,00:06:49
00:06:49
ohatra hoe i Ana, na koa ny vadin’i Isaia.00:06:53
00:06:58
Misy mpanompo tsy mivadika koa
resahina ao amin’ny bokin’ny Mpitsara.00:07:02
00:07:03
I Debora ilay izy. 00:07:05
00:07:05
Andeha hovakintsika ny Mpitsara 4:4, 5.00:07:09
00:07:10
Izao no lazainy ao:00:07:12
00:07:31
Izy izany no nasaina nandamina ny adin’ny Israelita,00:07:34
00:07:34
dia nampita an’izay vahaolana
avy amin’i Jehovah tamin’izy ireo.00:07:38
00:07:43
Nisy mpaminanivavy atao hoe Holda koa
teo amin’ny Israely tatỳ aoriana,00:07:47
00:07:47
tamin’ny andro nanjakan’i Josia.00:07:50
00:07:52
Resahin’ny 2 Mpanjaka 22:8
hoe rehefa namboarina ny tempoly,00:07:57
00:07:57
dia hita tao koa ilay boky misy ny lalàna.00:08:00
00:08:00
Kivy be i Josia rehefa avy novakina taminy ilay izy,00:08:03
00:08:03
satria hitany hoe nanalavitra be
ny Lalàn’i Jehovah ny vahoaka.00:08:07
00:08:10
Nanome toromarika ny mpisorona sy ny mpitan-tsoratra
ary lehilahy ambony hafa àry izy,00:08:15
00:08:15
ao amin’ny andininy 13 hoe:00:08:18
00:08:31
Ahoana no nataon-dry zareo?00:08:33
00:08:33
Izao no tohiny eo amin’ny andininy 14:00:08:36
00:08:46
Jereo fa io vehivavy io no nampiasain’i Jehovah
mba hampitana ny tari-dalany.00:08:51
00:08:51
Na ny lehilahy nanana andraikitra lehibe aza
nitady ny tari-dalan’i Jehovah tany aminy.00:08:56
00:09:00
Marina fa tsy afaka manao karazam-panompoana
hoatran’ny an’i Debora00:09:04
00:09:04
sy ny mpaminanivavy hafa
teo amin’ny Israely intsony ny anabavy amin’izao,00:09:08
00:09:08
raha jerena ny Soratra Grika Kristianina.00:09:11
00:09:12
Na izany aza, dia mampirisika ny
“vehivavy zokiolona” ny Titosy 2:3, 400:09:17
00:09:17
mba haneho toetra tsara,
amin’izay afaka ‘hanampy ny vehivavy tanora’00:09:21
00:09:21
amin’ny zavatra mifandray
amin’ny fanompoana an’i Jehovah.00:09:24
00:09:25
Andao hovakintsika mihitsy ireo andininy ireo:00:09:28
00:09:45
Tena faly isika manana an’ireo anabavy matotra ireo,00:09:49
00:09:49
satria manampy ny anabavy tanora ry zareo,
no sady manampy ny vaovao koa.00:09:54
00:09:59
Ny lehilahy anefa izao no omen’i Jehovah fahefana.00:10:02
00:10:03
Izy ireo no afaka mahafeno fepetra ho lasa anti-panahy
sy mpanampy amin’ny fanompoana,00:10:07
00:10:07
ka tokony hanompo sy hitarika
ary hiaro ny vahoakan’i Jehovah.00:10:12
00:10:12
Tsy midika ho tsy fanajana an’ireo anabavintsika
eo anivon’ny fiangonana akory izany.00:10:17
00:10:17
Betsaka aza ny rahalahy manana andraikitra00:10:19
00:10:19
no nandray soa tamin’izay niainan’ireny
anabavy matotra sy manetry tena ireny.00:10:25
00:10:34
Andeha hojerentsika farany
ny lazain’ny Baiboly momba an’i Maria.00:10:38
00:10:42
Tena miavaka ny finoany,
dia nomen’i Jehovah andraikitra ngezabe izy.00:10:47
00:10:49
Nasain’i Jehovah nitondra
sy nitaiza ny Zanany mantsy izy.00:10:53
00:10:54
Azo inoana fa niady saina be i Maria
rehefa nahazo an’izany andraikitra izany.00:10:59
00:11:01
Hitantsika ao amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka toko 1
fa tena nanam-pinoana izy.00:11:06
00:11:08
Izao fotsiny no navaliny, eo amin’ny andininy 38,00:11:11
00:11:11
rehefa avy niresaka taminy ny anjely Gabriela:00:11:14
00:11:24
Mety ho nanontany tena izy hoe00:11:25
00:11:25
ahoana koa àry no hanaovan’i Jehovah
an’izany rehetra izany.00:11:28
00:11:28
Nanetry tena foana anefa izy, dia nankatò.00:11:31
00:11:31
Lehilahy nanam-pinoana be
hoatran-dry Mosesy sy Jeremia aza00:11:34
00:11:34
nisalasala ihany rehefa nomen’i
Jehovah andraikitra sarotsarotra.00:11:38
00:11:38
Fa tsy hoatr’izany mihitsy i Maria!00:11:39
00:11:39
Tena modely tsara ho antsika rehetra izy.00:11:42
00:11:46
Hita avy amin’izany àry
hoe sarobidy amin’i Jehovah ny vehivavy.00:11:50
00:11:51
Tombontsoa be ny miara-miasa
amin’ireo anabavy an-tapitrisany,00:11:54
00:11:54
izay samy miezaka mafy amin’ny fanompoana!00:11:57
00:11:58
Faly be koa izao i Jehovah
mahita an’ireo anabavy tsy mivadika mihitsy00:12:01
00:12:01
sady manetry tena foana!00:12:04
00:12:05
Tohizo foana ny asa tsara sy ny ezaka ataonareo00:12:08
00:12:08
mba hampiray saina ny fiangonana.00:12:11
00:12:11
Nomen’Andriamanitra tombontsoa tokoa
ianareo ry vehivavy tsy mivadika,00:12:15
00:12:15
satria manatanteraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe:00:12:18
00:12:18
“Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,00:12:21
00:12:21
ary tafika lehibe ny vehivavy
manambara ny vaovao tsara.”00:12:31
Ralph Walls: “Ny Vehivavy Manambara ny Vaovao Tsara”
-
Ralph Walls: “Ny Vehivavy Manambara ny Vaovao Tsara”
Izao no lohatenin’ny fandaharantsika:
“Ny Vehivavy Manambara ny Vaovao Tsara.”
Mampalahelo fa efa hatramin’ny ela ny vehivavy
no iharan’ny herisetra sy tsy rariny,
sady nampijaliana foana.
Hazavain’ny Baiboly ny antony.
Jereo izay lazain’Andriamanitra,
eo amin’ny tapany farany amin’ny Genesisy 3:16:
Milaza Andriamanitra eto hoe
“hanjaka” amin’ny vadiny i Adama.
Tsy te hilaza akory izy
fa mahazo manjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy.
Nilaza mialoha fotsiny izy hoe inona no
ho voka-dratsin’ny fahotana eo amin’izy mivady.
Tsy sitrapon’Andriamanitra mihitsy
no mahatonga ny olona hampijaly vehivavy,
fa vokatry ny fahotan’ny olombelona.
Tsy dia misy manaja araka ny itiavan’Andriamanitra azy
ny vehivavy nanomboka teo.
Nasehon’i Jehovah mazava tsara
ao amin’ny Baiboly anefa hoe
mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy eo imasony.
Resahiny ao mihitsy aza fa hampiasainy
mba hanatanterahana ny fikasany ny vehivavy.
Miorina amin’ny Salamo 68:11
ny foto-kevitsika androany.
Andao hovakintsika ilay izy:
Avy amin’ny fanahy masina ireo teny ireo.
Fa inona moa no tao an-tsain’ilay mpanao salamo
tamin’izy nanoratra an’ireo?
Hita avy amin’ireo teny manodidina
hoe nidera an’i Jehovah i Davida,
satria Andriamanitry ny famonjena Izy.
Matetika mantsy ny Israelita
no niady tamin’ny firenena fahavalo,
hatramin’ny nivoahan-dry zareo avy any Ejipta.
Naharesy foana anefa izy ireo,
satria nampian’i Jehovah.
Niara-nankalaza an’izany fandresena izany
daholo avy eo ny Israelita rehetra.
Nanenjika ny vahoakan’i Jehovah, ohatra,
i Farao sy ny Ejipsianina.
Tsy navelan’i Jehovah handresy ny vahoakany
anefa izy ireo.
Izany no fandresena voalohany resahin’ny Baiboly.
Inona no nitranga avy eo?
Izao no lazain’ny Eksodosy 15:20, 21:
Alao sary an-tsaina anie e!
Telo tapitrisa teo ho eo ny isan’ny vahoakan’Israely,
dia nandihy sy nihira mba hidera an’i Jehovah
“ny vehivavy rehetra.”
Tafika lehibe mihitsy izany!
Azo antoka hoe tena nanakoako izao
ny fiderana an’i Jehovah tamin’izany!
Ity indray misy tantara hafa.
Tamin’i Saoly mpanjaka sy Davida mpitari-tafiny
niverina avy any an’ady ilay izy.
Nandresy ny Filistinina ry zareo tamin’izay.
Andao hovakintsika ilay tantara,
ao amin’ny 1 Samoela 18:6:
Voamarikareo ve hoe
“nivoaka avy any amin’ny tanàna rehetra” ny vehivavy,
mba hitsena azy ireo amin’ny mozika sy hira ary dihy?
Tsy hoe hafaliana
vokatry ny fihetseham-pon’olombelona fotsiny
anefa ny zavatra hoatr’ireny.
Tadidio fa nilaza i Davida hoe:
“Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,
ary tafika lehibe ny vehivavy
manambara ny vaovao tsara.”
Sarobidy tamin’i Jehovah ny lehilahy nandeha niady,
fa sarobidy taminy hoatr’izany koa
ny fiderana nataon’ny vehivavy.
Ary ahoana ny amin’ny androntsika?
Asehon’ny tatitra ho an’ny taom-panompoana 2017,
fa maherin’ny valo arivo tapitrisa ny isan’ny
mpitory ny vaovao tsara maneran-tany.
Any amin’ny tany maro anefa,
dia efa ho antsasany mahery amin’ny anabavy
no mpisava lalana manokana.
Anabavy ny telo ampahefatry ny mpisava lalana
any amin’ireny tany ireny!
Be dia be koa ny anabavy mazoto mitory
ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana,
sady manao izay fara heriny,
na inona na inona toe-javatra misy azy.
Betsaka, ohatra, ny fianakaviana tsy misy afa-tsy reny,
dia miezaka be ireny anabavintsika ireny
mba hanome izay ilain’ny zanany,
na ara-nofo izany, na ara-panahy.
Tsy vitsy koa ny anabavy mpitovo
miezaka mafy amin’ny fanompoana an’i Jehovah,
ka mandray anjara amin’ny fanorenana
na amin’ny asan’ny Betela.
Misy indray manompo
any amin’izay ilana mpitory maro kokoa,
na mianatra fiteny vahiny.
Maro koa ny vehivavy tsy mivadika
fa mitory sy mampianatra foana,
ary manohana tsara ny vadiny.
Tena faly i Jehovah mahita anareo manompo azy
amin’ny fomba samihafa hoatr’izany!
Izahay koa tena mankasitraka
anareo anabavy malalanay!
Tsy be fitiavana fotsiny mantsy ianareo,
fa mampiray saina ny fiangonana koa.
Tena sarobidy amin’i Jehovah àry
ilay ‘tafika lehiben’ny anabavy.’
Fa tsikaritr’i Jehovah marina ve ny toe-javatra
misy ny tsirairay aminy sy ny sorona ataony?
Mazava be ny valin’izany.
Efa asongadin’i Jehovah
ao amin’ny Teniny mantsy hoe
mahita sy mankasitraka
ny ataon’ny mpanompony tsirairay izy.
Voamarikao ve, ohatra,
tamin’isika namaky an’ilay Eksodosy 15:20 teo,
fa nantsoina hoe “mpaminanivavy” i Miriama?
Azo antoka fa tombontsoa be ny azy,
satria izy mihitsy no nampiasaina
mba hifandraisana tamin’Andriamanitra.
Nasain’i Jehovah nihira, ohatra, izy.
Tsy i Miriama irery anefa no nantsoina hoatr’izany
ao amin’ny Soratra Masina.
Misy vehivavy hafa koa antsoin’ny Baiboly
hoe mpaminanivavy,
ohatra hoe i Ana, na koa ny vadin’i Isaia.
Misy mpanompo tsy mivadika koa
resahina ao amin’ny bokin’ny Mpitsara.
I Debora ilay izy.
Andeha hovakintsika ny Mpitsara 4:4, 5.
Izao no lazainy ao:
Izy izany no nasaina nandamina ny adin’ny Israelita,
dia nampita an’izay vahaolana
avy amin’i Jehovah tamin’izy ireo.
Nisy mpaminanivavy atao hoe Holda koa
teo amin’ny Israely tatỳ aoriana,
tamin’ny andro nanjakan’i Josia.
Resahin’ny 2 Mpanjaka 22:8
hoe rehefa namboarina ny tempoly,
dia hita tao koa ilay boky misy ny lalàna.
Kivy be i Josia rehefa avy novakina taminy ilay izy,
satria hitany hoe nanalavitra be
ny Lalàn’i Jehovah ny vahoaka.
Nanome toromarika ny mpisorona sy ny mpitan-tsoratra
ary lehilahy ambony hafa àry izy,
ao amin’ny andininy 13 hoe:
Ahoana no nataon-dry zareo?
Izao no tohiny eo amin’ny andininy 14:
Jereo fa io vehivavy io no nampiasain’i Jehovah
mba hampitana ny tari-dalany.
Na ny lehilahy nanana andraikitra lehibe aza
nitady ny tari-dalan’i Jehovah tany aminy.
Marina fa tsy afaka manao karazam-panompoana
hoatran’ny an’i Debora
sy ny mpaminanivavy hafa
teo amin’ny Israely intsony ny anabavy amin’izao,
raha jerena ny Soratra Grika Kristianina.
Na izany aza, dia mampirisika ny
“vehivavy zokiolona” ny Titosy 2:3, 4
mba haneho toetra tsara,
amin’izay afaka ‘hanampy ny vehivavy tanora’
amin’ny zavatra mifandray
amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Andao hovakintsika mihitsy ireo andininy ireo:
Tena faly isika manana an’ireo anabavy matotra ireo,
satria manampy ny anabavy tanora ry zareo,
no sady manampy ny vaovao koa.
Ny lehilahy anefa izao no omen’i Jehovah fahefana.
Izy ireo no afaka mahafeno fepetra ho lasa anti-panahy
sy mpanampy amin’ny fanompoana,
ka tokony hanompo sy hitarika
ary hiaro ny vahoakan’i Jehovah.
Tsy midika ho tsy fanajana an’ireo anabavintsika
eo anivon’ny fiangonana akory izany.
Betsaka aza ny rahalahy manana andraikitra
no nandray soa tamin’izay niainan’ireny
anabavy matotra sy manetry tena ireny.
Andeha hojerentsika farany
ny lazain’ny Baiboly momba an’i Maria.
Tena miavaka ny finoany,
dia nomen’i Jehovah andraikitra ngezabe izy.
Nasain’i Jehovah nitondra
sy nitaiza ny Zanany mantsy izy.
Azo inoana fa niady saina be i Maria
rehefa nahazo an’izany andraikitra izany.
Hitantsika ao amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka toko 1
fa tena nanam-pinoana izy.
Izao fotsiny no navaliny, eo amin’ny andininy 38,
rehefa avy niresaka taminy ny anjely Gabriela:
Mety ho nanontany tena izy hoe
ahoana koa àry no hanaovan’i Jehovah
an’izany rehetra izany.
Nanetry tena foana anefa izy, dia nankatò.
Lehilahy nanam-pinoana be
hoatran-dry Mosesy sy Jeremia aza
nisalasala ihany rehefa nomen’i
Jehovah andraikitra sarotsarotra.
Fa tsy hoatr’izany mihitsy i Maria!
Tena modely tsara ho antsika rehetra izy.
Hita avy amin’izany àry
hoe sarobidy amin’i Jehovah ny vehivavy.
Tombontsoa be ny miara-miasa
amin’ireo anabavy an-tapitrisany,
izay samy miezaka mafy amin’ny fanompoana!
Faly be koa izao i Jehovah
mahita an’ireo anabavy tsy mivadika mihitsy
sady manetry tena foana!
Tohizo foana ny asa tsara sy ny ezaka ataonareo
mba hampiray saina ny fiangonana.
Nomen’Andriamanitra tombontsoa tokoa
ianareo ry vehivavy tsy mivadika,
satria manatanteraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe:
“Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,
ary tafika lehibe ny vehivavy
manambara ny vaovao tsara.”
-