JW subtitle extractor

Nisy Namorona Ve? Ny Oron’ny Elefanta

Video Other languages Share text Share link Show times

Mahavita zavatra samihafa
ny oron’ny elefanta any Afrika.
Matanjaka be izy io
nefa koa afaka miolanolana.
Afaka manongotra bozaka
na hazo amin’ny fakany izy io.
Mampiasa ny orony ny elefanta rehefa misakafo,
ary mahalany zavamaniry 270 kilao eo ho eo
isan’andro ny sasany aminy.
Ny orony no ahafahany misotro rano,
mampifantsitsitra rano,
ary milomano nefa tsy sempotra.
Afaka manafosafo izy io,
manosika mafy,
nefa koa afaka maneno mafy rehefa misy loza.
Tena kinga ny oron’ny elefanta nefa tsy misy taolana,
ka mampiaiky ny manam-pahaizana.
Hozatra miisa 150 000 eo ho eo no ao anatin’izy io,
ary matanjaka sy milamina tsara izy ireo.
Maka tahaka ny oron’ny elefanta izao ny mpikaroka
mba hanamboarana karazana fitaovana kinga kokoa.
Mahavita manatsara ny zava-bitany koa matetika
ny orinasa sasany,
rehefa maka tahaka ny zavaboary.
Ahoana ny hevitrao?
Nivoatra miandalana ve ny oron’ny elefanta?
Sa...