00:00:01
Izao no loha hevitra amin’ity volana ity:00:00:04
00:00:04
“Ahoana Izany hoe Tsy Manohana An’ity Tontolo Ity?”00:00:06
00:00:07
Ianao ve tena manaiky hoe tsy tokony hanohana an’ity tontolo ity isika?00:00:11
00:00:11
Be dia be ny tsy rariny mahazo ny olombelona.00:00:14
00:00:14
Misy olona afaka hanafoana an’izany ve anefa?00:00:17
00:00:17
Miady hevitra momba an’izany matetika ny manodidina antsika,00:00:21
00:00:21
dia mety hoe tsy miraharaha an’izany isika00:00:23
00:00:23
satria hoatran’ny hoe tsy mahakasika antsika ilay izy.00:00:26
00:00:26
Rehefa ny fianakaviantsika anefa no iharan’ny tsy rariny,00:00:29
00:00:29
dia mety lasa hitovy hevitra amin-dry zareo isika.00:00:32
00:00:32
Tsy mahagaga antsika aloha hoe samy manana ny heviny momba ny politika ny olona e!00:00:36
00:00:37
Efa noresahin’ny Apokalypsy 8-13 hoe00:00:41
00:00:41
ho lasa ambentin-dresaky ny olona ny politika sy ny fitondrana,00:00:44
00:00:45
dia tsy maintsy hiandany amin’olona foana izy ireo.00:00:47
00:00:49
Mila mieritreritra izany isika tsirairay hoe:00:00:51
00:00:51
Inona no hataoko raha misy olona miady hevitra00:00:53
00:00:53
momba an’izay tokony hataon’ny fanjakana mba hanalana ny tsy rariny?00:00:57
00:00:57
Kristianina isika, dia tokony hahafantatra hoe00:01:00
00:01:00
ahoana ny hevitr’i Jesosy momba ny politika.00:01:03
00:01:05
Afaka nanafoana ny tsy rariny rehetra i Jesosy tamin’izy teto an-tany.00:01:09
00:01:10
Tena nangoraka izy,00:01:11
00:01:11
dia vitany koa ny nanome sakafo ho an’olona be dia be,00:01:14
00:01:14
nanasitrana ny marary, nanangana ny maty.00:01:18
00:01:18
Nahay nandresy lahatra sy nanohina ny fon’ny olona koa izy.00:01:21
00:01:22
Dia raha ireo rehetra ireo no jerena,
dia tena nahafeno fepetra ho mpitondra izy.00:01:26
00:01:27
Mety ho azony natao izany00:01:29
00:01:29
satria niteny taminy, ohatra, i Satana indray mandeha hoe00:01:31
00:01:31
homeny azy ‘ny fanjakana rehetra eran-tany’00:01:34
00:01:34
raha manaiky hiankohoka indray mandeha eo anatrehany i Jesosy.00:01:37
00:01:38
Tsy nanaiky anefa i Jesosy.00:01:40
00:01:40
Tsy nanda koa anefa izy hoe manana an’izany fahefana izany i Satana.00:01:44
00:01:44
Tatỳ aoriana a, nisy mpiray tanindrazana taminy00:01:47
00:01:47
nitady hanery azy hatao mpanjaka, fa tsy nanaiky izy.00:01:50
00:01:50
Nisy olona koa nanontany azy00:01:51
00:01:51
raha tokony handoa hetra tamin’ny Fanjakana Romanina ny Jiosy na tsia.00:01:54
00:01:54
Tsy nanohana an’iza na iza mihitsy anefa izy.00:01:57
00:01:57
Tsy nanaiky ho lasa mpitondra an’izao tontolo izao izy,00:02:00
00:02:00
na ho lasa mpitondra firenena, na ho mpanohana antoko politika.00:02:04
00:02:06
Dia midika ve izany hoe tsy niraharaha ny manodidina azy izy00:02:09
00:02:09
na hoe tsy nanan-kevitra mihitsy?00:02:10
00:02:10
Aaa! Tsy izany mihitsy!00:02:13
00:02:14
Nanao ny rariny foana izy,00:02:16
00:02:16
dia nasehony tamin’ny fomba nitondrany ny olona izany.00:02:19
00:02:21
Fantany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no hanafoana ny tsy rariny rehetra.00:02:25
00:02:25
Dia niezaka nampianatra ny olona momba an’izany foana izy.00:02:28
00:02:29
Dia ahoana no tian’i Jesosy hiheverantsika
ny fitondram-panjakan’olombelona?00:02:33
00:02:33
Andao hojerentsika izay nolazainy ao amin’ny Marka 12:15-17.00:02:39
00:02:39
Nisy nanontany izy hoe tokony handoa hetra
amin’ny Fanjakana Romanina ve ry zareo sa tsia?00:02:44
00:02:44
Dia hoy izy hoe:00:02:46
00:03:05
Inona avy no tafiditra amin’ilay hoe “an’i Kaisara”?00:03:07
00:03:08
Resahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 13:1-7 hoe00:03:12
00:03:12
tafiditra amin’izany ny hetra, ny haba, ny tahotra ary ny haja.00:03:17
00:03:17
Dia hoy koa i Jesosy hoe:00:03:19
00:03:19
“Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.”00:03:21
00:03:21
Ahoana izany?00:03:22
00:03:23
I Kaisara no manam-pahefana ambony indrindra tamin’izany.00:03:26
00:03:26
Dia nanome zava-tsarobidy be dia be izy,
anisan’izany ny vola madinika.00:03:30
00:03:31
Dia rariny raha mitaky izy hoe ‘aloa’ na haverina any aminy izany.00:03:35
00:03:35
Amin’izay koa ny fanjakana afaka nampiasa an’ilay vola00:03:38
00:03:38
mba hikarakarana ny zavatra ilain’ny vahoaka.00:03:40
00:03:40
Tsy nanda an’izany i Jesosy.00:03:42
00:03:44
Tsara lavitra noho izany anefa ny zava-tsarobidy nomen’i Jehovah antsika,00:03:48
00:03:48
anisan’izany ny fontsika, ny saintsika,
ny herintsika ary ny fiainantsika.00:03:53
00:03:53
Tsy azontsika ‘aloa’ na haverina any amin’i Kaisara mihitsy anefa ireo00:03:57
00:03:57
satria tsy izy no nanome an’ireo zavatra ireo.00:03:59
00:04:00
Tokony hoe any amin’i Jehovah kosa ireo no ‘aloantsika.’00:04:03
00:04:03
Dia manao an’izany isika rehefa tia azy sy manokan-tena ho azy.00:04:07
00:04:08
Miresaka momba an’izany fitiavana an’Andriamanitra izany i Jesosy ao amin’ny Marka 12:30:00:04:14
00:04:26
Raha tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika, dia hanompo azy.00:04:30
00:04:30
Dia rehefa manompo azy isika,00:04:31
00:04:31
dia omentsika azy daholo ny tenantsika sy ny herintsika manontolo,00:04:34
00:04:34
ary ny fahaizantsika sy ny faniriantsika rehetra.00:04:37
00:04:37
Dia miandany amin’i Jesosy koa isika00:04:39
00:04:39
raha tena tia an’i Jehovah satria izy no notendreny ho Mpanjaka.00:04:43
00:04:45
Fa rehefa nisy nanohitra ny Fanjakan’i Jesosy,00:04:48
00:04:48
dia ahoana no nataon’ny mpianany?00:04:50
00:04:50
Andao hojerentsika izay nitranga,00:04:52
00:04:52
ny alina farany talohan’ny nahafatesan’i Jesosy.00:04:55
00:04:56
Milaza ny Matio 26 hoe00:04:58
00:04:58
“nisy vahoaka be ... nitondra sabatra sy kibay”
tonga hisambotra an’i Jesosy.00:05:03
00:05:03
Dia inona no nataon’i Petera?00:05:04
00:05:05
‘Nanatsoaka ny sabany izy,00:05:06
00:05:06
ary namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofiny.’00:05:11
00:05:11
Hoy i Jaona hoe Malko no anaran’io mpanompo io.00:05:14
00:05:14
Dia nilaza i Lioka hoe nokasihin’i Jesosy ny sofin’ilay lehilahy,
dia nositraniny.00:05:18
00:05:20
Eritrereto ange izany e!00:05:22
00:05:22
Tsy tezitra tamin’ireo olona nisambotra azy i Jesosy.00:05:24
00:05:25
Izao kosa aza ny teniny tamin’i Petera, ao amin’ny Matio 26:52:00:05:30
00:05:39
Be herim-po i Petera,00:05:41
00:05:41
nefa tsy nankasitrahan’i Jesosy ny zavatra nataony.00:05:43
00:05:44
Fa nahoana?00:05:45
00:05:47
Nohazavainy izany rehefa niresaka tamin’i Pontio Pilato izy, tamin’iny alina iny.00:05:52
00:05:53
Hoy izy ao amin’ny Jaona 18:36 hoe:00:05:57
00:06:02
Tsy anisan’ny fanjakan’olombelona ny Fanjakany, dia tsy mila arovana.00:06:06
00:06:06
Dia mazava loatra fa tsy mila ampiasana herisetra00:06:09
00:06:09
na fitaovam-piadiana izany ny Fanjakany.00:06:11
00:06:12
Nahoana isika no milaza hoe izay no tian’i Jesosy holazaina?00:06:16
00:06:16
Jereo ange ny tohin’ilay Jaona 18:36 teo e!00:06:20
00:06:20
Hoy izy hoe:00:06:21
00:06:33
Ahoana izany no tokony hiheverantsika Kristianina ny politika?00:06:36
00:06:38
Tsy manohana an’iza na iza isika.00:06:40
00:06:41
Indraindray aloha tena tsy azon’ny olona izany e!00:06:44
00:06:45
Misy mieritreritra hoe raha tsy manohana fitondrana anankiray isika,00:06:48
00:06:48
dia tsy maintsy hoe manohana fitondrana anankiray hafa.00:06:50
00:06:51
Nanendrikendrika antsika ho Kominista, ohatra,00:06:54
00:06:54
ny fitondrana tany Congo tamin’ny 1950.00:06:57
00:06:57
Rehefa lasa Kominista indray anefa ilay fitondrana,00:06:59
00:06:59
nanomboka tamin’ny taona 1970,00:07:02
00:07:02
dia tezitra tamintsika ny manam-pahefana vaovao00:07:04
00:07:04
satria hoe tsy nanohana ny Kominisma, hono, isika.00:07:06
00:07:07
Fa soa ihany aloha fa efa neken’ny fitondrana ho ara-dalàna00:07:10
00:07:10
ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblikan’i Congo,00:07:12
00:07:12
efa ho 30 taona izay.00:07:14
00:07:16
Fa samy manana ny heviny ny olona momba an’ilay hoe
tsy manohana an’iza na iza isika.00:07:20
00:07:20
Misy mieritreritra hoe tsy miraharaha an’izay zava-mitranga maneran-tany isika00:07:23
00:07:23
matoa tsy manohana an’iza na iza.00:07:25
00:07:25
Misy indray miteny hoe manohitra ny fitondrana isika, dia mampidi-doza.00:07:29
00:07:29
Andao hodinihintsika ireo.00:07:31
00:07:31
Voalohany: Tena tsy miraharaha ve isika?00:07:34
00:07:34
Tsy mitovy mihitsy ilay hoe tsy manohana sy ilay hoe tsy miraharaha.00:07:38
00:07:38
Milaza ny boky iray hoe ny olona tsy miraharaha,00:07:40
00:07:40
dia tsy liana na tsy mivaky loha amin’izay mahazo ny hafa.00:07:43
00:07:43
Tsy hoatr’izany mihitsy anefa isika, fa manahaka an’i Jesosy,00:07:46
00:07:46
dia miezaka mafy manampy ny olona mba tsy ho kivy be.00:07:49
00:07:49
Izany no mahatonga antsika hampianatra
momba ny Fanjakan’Andriamanitra,00:07:52
00:07:52
satria io ihany no hanafoana tanteraka ny tsy rariny eran-tany.00:07:56
00:07:56
Tsy ny hanova ny fitondrana izany no tanjontsika00:07:58
00:07:58
satria fantatsika fa tsy hahavita hanafoana ny tsy rariny ny fanjakan’olombelona.00:08:02
00:08:02
Mampiasa ny Baiboly kosa isika,00:08:04
00:08:04
amin’izay ny toetran’ny olona sy ny fomba fisainany mihitsy no miova,00:08:07
00:08:07
dia ho mora aminy avy eo ny hanao ny rariny.00:08:09
00:08:11
Andao indray àry horesahintsika ilay faharoa:00:08:14
00:08:14
Nahoana no tsy mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah?00:08:16
00:08:17
Mankatò ny lalàna sy mandoa hetra isika.00:08:19
00:08:19
Dia rehefa misy asa mila atao, ohatra, eny amin’ny fiaraha-monina,00:08:22
00:08:22
na asaina manao fanompoana sivily isika,00:08:24
00:08:24
dia mandray anjara amin’izany isika.00:08:26
00:08:26
Marina aloha hoe tsy manohana an’iza na iza isika
rehefa misy fifidianana e!00:08:29
00:08:29
Isika anefa tsy hoe manakorontana ny fizotrany00:08:32
00:08:32
na koa hoe manakantsakana an’izay mifidy.00:08:34
00:08:36
Marina fa tsy mandresy lahatra ny mpitondra fanjakana koa isika00:08:39
00:08:39
mba hanaraka foto-kevitra sasany.00:08:41
00:08:42
Dia tsy manao propagandy isika00:08:44
00:08:44
sady tsy mirotsaka hofidina na mandray anjara amin’ny hetsika politika.00:08:47
00:08:49
Tsy manangan-tsaina koa isika,00:08:51
00:08:51
nefa tsy hoe hodorantsika ilay izy na hororantsika.00:08:54
00:08:54
Dia rehefa misy firenena na olona mafana fo be manindrahindra azy io,00:08:58
00:08:58
dia tsy hoe haneso na tsy hanaja an-dry zareo isika.00:09:01
00:09:05
Tsy manao hiram-pirenena koa isika,00:09:07
00:09:07
nefa tsy hanakana ny hafa tsy hihira an’ilay izy.00:09:09
00:09:12
Dia tsy ataontsika hita be hoe tsy mihira isika.00:09:15
00:09:15
Tsy mandray anjara fotsiny isika.00:09:17
00:09:17
Isika koa izao tsy mandray anjara amin’ny ady mihitsy ka hoe hamono olona.00:09:20
00:09:21
Fa isika anefa tsy hoe mahery setra
amin’ny olona mpiray tanindrazana amintsika.00:09:24
00:09:25
Raha tsorina izany,00:09:26
00:09:26
dia tsy miandany na manakiana fitondrana mihitsy isika,00:09:29
00:09:29
na dia any an-tsaintsika fotsiny aza.00:09:31
00:09:31
Dia izay ilay hoe tsy manohana an’iza na iza.00:09:34
00:09:35
Dia ahoana indray anefa raha mitaky zavatra00:09:37
00:09:37
mifanohitra amin’ny didin’i Jesosy ny manam-pahefana?00:09:40
00:09:41
Ity misy toro lalana afaka manampy antsika.00:09:43
00:09:43
Tadidinareo ve ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 5:28, 29 hoe:00:09:49
00:09:49
“Andriamanitra no mpitondra anay00:09:50
00:09:50
ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona”?00:09:53
00:09:54
Tsy hoe tsy manaja ny fitondram-panjakana akory isika
raha manao an’izany,00:09:57
00:09:57
fa manaja lalina an’i Jehovah kosa.00:09:59
00:10:01
Mety hoe asain’ny manam-pahefana00:10:02
00:10:02
hanao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah, ohatra, isika.00:10:05
00:10:06
Mety hoe sakanany tsy hanao an’izay zavatra takin’i Jehovah koa, ohatra, isika.00:10:10
00:10:11
Dia raha izay no mitranga,00:10:12
00:10:12
dia azo antoka hoe tsy tian’i Jehovah hankatò an-dry zareo isika.00:10:15
00:10:16
Azo antoka aloha hoe hampahatezitra ny mpitondra izany e!00:10:19
00:10:21
Efa nampiomana antsika i Jesosy ao amin’ny Matio 24:9, hoe:00:10:26
00:10:30
Nohazavainy ao amin’ny Apokalypsy 2:10 koa hoe00:10:33
00:10:33
tsy maintsy hatao am-ponja ny sasany amin’ny mpianany.00:10:36
00:10:37
Tsy izy rehetra, fa hoy izy hoe ny sasany ihany.00:10:40
00:10:40
Efa nampiomana antsika mialoha izany i Jesosy,00:10:43
00:10:43
dia tsy tokony ho kivy isika na migadra na tsia.00:10:46
00:10:47
An’arivony izao ny rahalahy sy anabavintsika no voaheloka higadra00:10:51
00:10:51
satria tsy manohana an’iza na iza.00:10:53
00:10:53
Dia mivavaka ho an-dry zareo isika.00:10:55
00:10:55
Fantatsika fa tena faly i Jehovah manana an-dry zareo,00:10:58
00:10:58
dia faly hoatr’azy koa isika.00:11:00
00:11:01
Nahavita niaritra ry zareo rehefa nandalo fitsapana.00:11:04
00:11:05
Dia midika ho fandresena ho antsika rehetra izany.00:11:08
00:11:08
Nahoana isika no milaza an’izany?00:11:10
00:11:10
Izao, ohatra, no nolazain’i Paoly ho an’ny fiangonana tany Efesosy, hoe:00:11:13
00:11:23
Nigadra tany Roma i Paoly tamin’izy nanoratra an’ireo teny ireo.00:11:27
00:11:27
Fa nahoana moa no hoe “voninahitra” ho an’ireo Efesianina
ilay fahorian’i Paoly?00:11:31
00:11:32
Raha ohatra tokoa mantsy ka tsy niaritra i Paoly,00:11:35
00:11:35
dia hoatran’ny hoe tsisy dikany ny finoan-dry zareo, ny fanompoany,00:11:38
00:11:38
na ny fanantenany momba ny Fanjakan’Andriamanitra.00:11:41
00:11:41
Tena niaritra anefa izy,00:11:43
00:11:43
dia lasa takatry ny hafa hoe tena sarobidy be ny hoe Kristianina.00:11:47
00:11:48
Dia nampiseho koa izany hoe tena zava-dehibe ny tsy fivadihana,00:11:52
00:11:52
na inona na inona zavatra afoin-dry zareo.00:11:54
00:11:55
Dia hoatr’izay koa ny amin’izao.00:11:57
00:11:57
Miaritra be ireo rahalahy sy anabavintsika any am-ponja00:12:00
00:12:00
satria matoky ry zareo hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra.00:12:03
00:12:05
Dia matoky koa ry zareo hoe hanao zavatra tsara be izy io amin’ny hoavy.00:12:10
00:12:10
Dia izany foana no saintsaininy.00:12:12
00:12:14
Tena faly sady mirehareha ry zareo manohana ny Fanjakan’Andriamanitra,00:12:18
00:12:18
fa tsy ny fanjakan’olombelona.00:12:21
00:12:22
Io ihany mantsy no hahavita hampiadana an-dry zareo mandrakizay.00:12:25
David Schafer: Ahoana Izany hoe Tsy Manohana An’ity Tontolo Ity?
Izao no loha hevitra amin’ity volana ity:
“Ahoana Izany hoe Tsy Manohana An’ity Tontolo Ity?”
Ianao ve tena manaiky hoe tsy tokony hanohana an’ity tontolo ity isika?
Be dia be ny tsy rariny mahazo ny olombelona.
Misy olona afaka hanafoana an’izany ve anefa?
Miady hevitra momba an’izany matetika ny manodidina antsika,
dia mety hoe tsy miraharaha an’izany isika
satria hoatran’ny hoe tsy mahakasika antsika ilay izy.
Rehefa ny fianakaviantsika anefa no iharan’ny tsy rariny,
dia mety lasa hitovy hevitra amin-dry zareo isika.
Tsy mahagaga antsika aloha hoe samy manana ny heviny momba ny politika ny olona e!
Efa noresahin’ny Apokalypsy 8-13 hoe
ho lasa ambentin-dresaky ny olona ny politika sy ny fitondrana,
dia tsy maintsy hiandany amin’olona foana izy ireo.
Mila mieritreritra izany isika tsirairay hoe:
Inona no hataoko raha misy olona miady hevitra
momba an’izay tokony hataon’ny fanjakana mba hanalana ny tsy rariny?
Kristianina isika, dia tokony hahafantatra hoe
ahoana ny hevitr’i Jesosy momba ny politika.
Afaka nanafoana ny tsy rariny rehetra i Jesosy tamin’izy teto an-tany.
Tena nangoraka izy,
dia vitany koa ny nanome sakafo ho an’olona be dia be,
nanasitrana ny marary, nanangana ny maty.
Nahay nandresy lahatra sy nanohina ny fon’ny olona koa izy.
Dia raha ireo rehetra ireo no jerena,
dia tena nahafeno fepetra ho mpitondra izy.
Mety ho azony natao izany
satria niteny taminy, ohatra, i Satana indray mandeha hoe
homeny azy ‘ny fanjakana rehetra eran-tany’
raha manaiky hiankohoka indray mandeha eo anatrehany i Jesosy.
Tsy nanaiky anefa i Jesosy.
Tsy nanda koa anefa izy hoe manana an’izany fahefana izany i Satana.
Tatỳ aoriana a, nisy mpiray tanindrazana taminy
nitady hanery azy hatao mpanjaka, fa tsy nanaiky izy.
Nisy olona koa nanontany azy
raha tokony handoa hetra tamin’ny Fanjakana Romanina ny Jiosy na tsia.
Tsy nanohana an’iza na iza mihitsy anefa izy.
Tsy nanaiky ho lasa mpitondra an’izao tontolo izao izy,
na ho lasa mpitondra firenena, na ho mpanohana antoko politika.
Dia midika ve izany hoe tsy niraharaha ny manodidina azy izy
na hoe tsy nanan-kevitra mihitsy?
Aaa! Tsy izany mihitsy!
Nanao ny rariny foana izy,
dia nasehony tamin’ny fomba nitondrany ny olona izany.
Fantany hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no hanafoana ny tsy rariny rehetra.
Dia niezaka nampianatra ny olona momba an’izany foana izy.
Dia ahoana no tian’i Jesosy hiheverantsika
ny fitondram-panjakan’olombelona?
Andao hojerentsika izay nolazainy ao amin’ny Marka 12:15-17.
Nisy nanontany izy hoe tokony handoa hetra
amin’ny Fanjakana Romanina ve ry zareo sa tsia?
Dia hoy izy hoe:
Inona avy no tafiditra amin’ilay hoe “an’i Kaisara”?
Resahin’i Paoly ao amin’ny Romanina 13:1-7 hoe
tafiditra amin’izany ny hetra, ny haba, ny tahotra ary ny haja.
Dia hoy koa i Jesosy hoe:
“Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara.”
Ahoana izany?
I Kaisara no manam-pahefana ambony indrindra tamin’izany.
Dia nanome zava-tsarobidy be dia be izy,
anisan’izany ny vola madinika.
Dia rariny raha mitaky izy hoe ‘aloa’ na haverina any aminy izany.
Amin’izay koa ny fanjakana afaka nampiasa an’ilay vola
mba hikarakarana ny zavatra ilain’ny vahoaka.
Tsy nanda an’izany i Jesosy.
Tsara lavitra noho izany anefa ny zava-tsarobidy nomen’i Jehovah antsika,
anisan’izany ny fontsika, ny saintsika,
ny herintsika ary ny fiainantsika.
Tsy azontsika ‘aloa’ na haverina any amin’i Kaisara mihitsy anefa ireo
satria tsy izy no nanome an’ireo zavatra ireo.
Tokony hoe any amin’i Jehovah kosa ireo no ‘aloantsika.’
Dia manao an’izany isika rehefa tia azy sy manokan-tena ho azy.
Miresaka momba an’izany fitiavana an’Andriamanitra izany i Jesosy ao amin’ny Marka 12:30:
Raha tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo isika, dia hanompo azy.
Dia rehefa manompo azy isika,
dia omentsika azy daholo ny tenantsika sy ny herintsika manontolo,
ary ny fahaizantsika sy ny faniriantsika rehetra.
Dia miandany amin’i Jesosy koa isika
raha tena tia an’i Jehovah satria izy no notendreny ho Mpanjaka.
Fa rehefa nisy nanohitra ny Fanjakan’i Jesosy,
dia ahoana no nataon’ny mpianany?
Andao hojerentsika izay nitranga,
ny alina farany talohan’ny nahafatesan’i Jesosy.
Milaza ny Matio 26 hoe
“nisy vahoaka be ... nitondra sabatra sy kibay”
tonga hisambotra an’i Jesosy.
Dia inona no nataon’i Petera?
‘Nanatsoaka ny sabany izy,
ary namely an’ilay mpanompon’ny mpisoronabe, ka nahafaka ny sofiny.’
Hoy i Jaona hoe Malko no anaran’io mpanompo io.
Dia nilaza i Lioka hoe nokasihin’i Jesosy ny sofin’ilay lehilahy,
dia nositraniny.
Eritrereto ange izany e!
Tsy tezitra tamin’ireo olona nisambotra azy i Jesosy.
Izao kosa aza ny teniny tamin’i Petera, ao amin’ny Matio 26:52:
Be herim-po i Petera,
nefa tsy nankasitrahan’i Jesosy ny zavatra nataony.
Fa nahoana?
Nohazavainy izany rehefa niresaka tamin’i Pontio Pilato izy, tamin’iny alina iny.
Hoy izy ao amin’ny Jaona 18:36 hoe:
Tsy anisan’ny fanjakan’olombelona ny Fanjakany, dia tsy mila arovana.
Dia mazava loatra fa tsy mila ampiasana herisetra
na fitaovam-piadiana izany ny Fanjakany.
Nahoana isika no milaza hoe izay no tian’i Jesosy holazaina?
Jereo ange ny tohin’ilay Jaona 18:36 teo e!
Hoy izy hoe:
Ahoana izany no tokony hiheverantsika Kristianina ny politika?
Tsy manohana an’iza na iza isika.
Indraindray aloha tena tsy azon’ny olona izany e!
Misy mieritreritra hoe raha tsy manohana fitondrana anankiray isika,
dia tsy maintsy hoe manohana fitondrana anankiray hafa.
Nanendrikendrika antsika ho Kominista, ohatra,
ny fitondrana tany Congo tamin’ny 1950.
Rehefa lasa Kominista indray anefa ilay fitondrana,
nanomboka tamin’ny taona 1970,
dia tezitra tamintsika ny manam-pahefana vaovao
satria hoe tsy nanohana ny Kominisma, hono, isika.
Fa soa ihany aloha fa efa neken’ny fitondrana ho ara-dalàna
ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblikan’i Congo,
efa ho 30 taona izay.
Fa samy manana ny heviny ny olona momba an’ilay hoe
tsy manohana an’iza na iza isika.
Misy mieritreritra hoe tsy miraharaha an’izay zava-mitranga maneran-tany isika
matoa tsy manohana an’iza na iza.
Misy indray miteny hoe manohitra ny fitondrana isika, dia mampidi-doza.
Andao hodinihintsika ireo.
Voalohany: Tena tsy miraharaha ve isika?
Tsy mitovy mihitsy ilay hoe tsy manohana sy ilay hoe tsy miraharaha.
Milaza ny boky iray hoe ny olona tsy miraharaha,
dia tsy liana na tsy mivaky loha amin’izay mahazo ny hafa.
Tsy hoatr’izany mihitsy anefa isika, fa manahaka an’i Jesosy,
dia miezaka mafy manampy ny olona mba tsy ho kivy be.
Izany no mahatonga antsika hampianatra
momba ny Fanjakan’Andriamanitra,
satria io ihany no hanafoana tanteraka ny tsy rariny eran-tany.
Tsy ny hanova ny fitondrana izany no tanjontsika
satria fantatsika fa tsy hahavita hanafoana ny tsy rariny ny fanjakan’olombelona.
Mampiasa ny Baiboly kosa isika,
amin’izay ny toetran’ny olona sy ny fomba fisainany mihitsy no miova,
dia ho mora aminy avy eo ny hanao ny rariny.
Andao indray àry horesahintsika ilay faharoa:
Nahoana no tsy mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah?
Mankatò ny lalàna sy mandoa hetra isika.
Dia rehefa misy asa mila atao, ohatra, eny amin’ny fiaraha-monina,
na asaina manao fanompoana sivily isika,
dia mandray anjara amin’izany isika.
Marina aloha hoe tsy manohana an’iza na iza isika
rehefa misy fifidianana e!
Isika anefa tsy hoe manakorontana ny fizotrany
na koa hoe manakantsakana an’izay mifidy.
Marina fa tsy mandresy lahatra ny mpitondra fanjakana koa isika
mba hanaraka foto-kevitra sasany.
Dia tsy manao propagandy isika
sady tsy mirotsaka hofidina na mandray anjara amin’ny hetsika politika.
Tsy manangan-tsaina koa isika,
nefa tsy hoe hodorantsika ilay izy na hororantsika.
Dia rehefa misy firenena na olona mafana fo be manindrahindra azy io,
dia tsy hoe haneso na tsy hanaja an-dry zareo isika.
Tsy manao hiram-pirenena koa isika,
nefa tsy hanakana ny hafa tsy hihira an’ilay izy.
Dia tsy ataontsika hita be hoe tsy mihira isika.
Tsy mandray anjara fotsiny isika.
Isika koa izao tsy mandray anjara amin’ny ady mihitsy ka hoe hamono olona.
Fa isika anefa tsy hoe mahery setra
amin’ny olona mpiray tanindrazana amintsika.
Raha tsorina izany,
dia tsy miandany na manakiana fitondrana mihitsy isika,
na dia any an-tsaintsika fotsiny aza.
Dia izay ilay hoe tsy manohana an’iza na iza.
Dia ahoana indray anefa raha mitaky zavatra
mifanohitra amin’ny didin’i Jesosy ny manam-pahefana?
Ity misy toro lalana afaka manampy antsika.
Tadidinareo ve ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 5:28, 29 hoe:
“Andriamanitra no mpitondra anay
ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona”?
Tsy hoe tsy manaja ny fitondram-panjakana akory isika
raha manao an’izany,
fa manaja lalina an’i Jehovah kosa.
Mety hoe asain’ny manam-pahefana
hanao zavatra mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah, ohatra, isika.
Mety hoe sakanany tsy hanao an’izay zavatra takin’i Jehovah koa, ohatra, isika.
Dia raha izay no mitranga,
dia azo antoka hoe tsy tian’i Jehovah hankatò an-dry zareo isika.
Azo antoka aloha hoe hampahatezitra ny mpitondra izany e!
Efa nampiomana antsika i Jesosy ao amin’ny Matio 24:9, hoe:
Nohazavainy ao amin’ny Apokalypsy 2:10 koa hoe
tsy maintsy hatao am-ponja ny sasany amin’ny mpianany.
Tsy izy rehetra, fa hoy izy hoe ny sasany ihany.
Efa nampiomana antsika mialoha izany i Jesosy,
dia tsy tokony ho kivy isika na migadra na tsia.
An’arivony izao ny rahalahy sy anabavintsika no voaheloka higadra
satria tsy manohana an’iza na iza.
Dia mivavaka ho an-dry zareo isika.
Fantatsika fa tena faly i Jehovah manana an-dry zareo,
dia faly hoatr’azy koa isika.
Nahavita niaritra ry zareo rehefa nandalo fitsapana.
Dia midika ho fandresena ho antsika rehetra izany.
Nahoana isika no milaza an’izany?
Izao, ohatra, no nolazain’i Paoly ho an’ny fiangonana tany Efesosy, hoe:
Nigadra tany Roma i Paoly tamin’izy nanoratra an’ireo teny ireo.
Fa nahoana moa no hoe “voninahitra” ho an’ireo Efesianina
ilay fahorian’i Paoly?
Raha ohatra tokoa mantsy ka tsy niaritra i Paoly,
dia hoatran’ny hoe tsisy dikany ny finoan-dry zareo, ny fanompoany,
na ny fanantenany momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tena niaritra anefa izy,
dia lasa takatry ny hafa hoe tena sarobidy be ny hoe Kristianina.
Dia nampiseho koa izany hoe tena zava-dehibe ny tsy fivadihana,
na inona na inona zavatra afoin-dry zareo.
Dia hoatr’izay koa ny amin’izao.
Miaritra be ireo rahalahy sy anabavintsika any am-ponja
satria matoky ry zareo hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra.
Dia matoky koa ry zareo hoe hanao zavatra tsara be izy io amin’ny hoavy.
Dia izany foana no saintsaininy.
Tena faly sady mirehareha ry zareo manohana ny Fanjakan’Andriamanitra,
fa tsy ny fanjakan’olombelona.
Io ihany mantsy no hahavita hampiadana an-dry zareo mandrakizay.
-