JW subtitle extractor

Nampihariko Ilay Tilikambo Fiambenana: Aza Manohana An’ity Tontolo ity Mihitsy

Video Other languages Share text Share link Show times

Mila mahafantatra tsara momba ny fitantanam-bola aho
satria mampianatra an’izany taranja izany.
Mila mahafantatra tsara an’izay tokony hataon’ny Kristianina koa aho satria Kristianina.
Sarotra aloha ilay hoe tsy hiandany amin’ny antoko politika anankiray e!
Be dia be mantsy ny olana mitranga eo anivon’ny fiaraha-monina.
Mbola kely aho dia efa tia baolina kitra.
Tanàna mahantra no nisy anay taloha,
dia nilalao baolina no tena fialambolinay.
Misy mpilaza vaovao anankiray izay,
tena tiako rehefa izy no milaza vaovao.
Ny azy mantsy resahiny daholo ny zavatra tsara sy ratsy ataon’ny antoko politika rehetra.
Tena tsy tiako anefa rehefa milaza ny heviny izy na manaratsy antoko anankiray.
Any an-drenivohitra aho no mipetraka,
dia any no tena ahitana hetsika politika indrindra.
Tena mafana fo amin’ny resaka politika koa ny olona any.
Fantatro hoe tsy tokony hanohana an’iza na iza aho.
Rehefa manao hetsika anefa ry zareo,
dia nankasitraka an’ilay izy ihany aho tany an-tsaiko tany.
Izaho aloha tsy nihorakoraka be rehefa nijery baolina e!
Fa hozy aho tany an-tsaiko tany hoe:
“Vonoy ry zalahy a! Tsy maintsy mandresy isika!”
Tena tiako raha mandresy ny ekipa fidiko.
Faly erỳ aho nahita ny olona nihorakoraka rehefa nandresy ry zareo.
Nanamarin-tena foana aho taloha hoe: “Manao ny rariny Andriamanitra,
dia noforonina araka ny endriny aho.”
Hoy aho hoe te hitaky ny rariny ireo olona ireo matoa midina an-dalambe,
dia mety ny ataony.
Efa nanohana ihany kay aho na dia tsy nandray anjara aza.
Misy hevitra hafa koa resahin’ilay Tilikambo Fiambenana 2016.
Rehefa tsy manohana an’ity tontolo ity mihitsy isika, dia tsy manambony tena.
“Mitovy daholo mantsy ny olona amin’i Jehovah,
fa tsy misy ambony sy ambany.”
Rehefa avy nianatra an’ilay lahatsoratra aho, dia tonga saina hoe
hay kay izaho mbola nanohana an’ity tontolo ity.
Dia tsapako hoe nila niova aho.
Novakiko indray ilay lahatsoratra avy eo,
dia hoy aho tamin’i Jehovah hoe:
“Hoatran’ny natao ho an’ahy mihitsy ity.”
Tiako be ilay lahatsoratra, dia naveriko novakina intelo mihitsy ilay izy.
Gaga be mihitsy aho hoe hay kay tsy nety ny nataoko hatramin’izay.
Dia nila niova aho raha te hampifaly an’i Jehovah.
Nilaza ilay lahatsoratra hoe tsy tokony ho liana be loatra amin’ny vaovao resahin’ny tele sy ny radio isika,
raha efa hitantsika hoe manohana firehan-kevitra politika iray ilay izy.
Nisy fehezanteny anankiray izay tena nahakasika ahy.
Izao ilay izy: ‘Marina fa tsy hidina an-dalambe ianao.
Manohana azy ireo ihany ve anefa ianao any an-tsainao any?’
Tsoriko aloha fa tena nanohana an-dry zareo aho e!
Be dia be mihitsy ny fehezanteny natao ho ahy tao amin’ilay lahatsoratra.
Tsy dia nijery vaovao intsony aho.
Dia tena nanampy an’ahy izany
satria lasa nahay nifehy tena aho rehefa niresaka tamin’ny mpiara-miasa tamiko.
Rehefa niresaka zavatra nandeha tamin’ny vaovao, ohatra, ry zareo,
dia tsy nanan-kolazaina aho, satria tsy nijery an’ilay izy akory.
Raha nanontany ry zareo hoe:
“Hitanao ve ilay hoatr’izao iny?”
na hoe “Henonao ve ilay notenenin’i anona iny?”
Dia hoy fotsiny aho hoe: “Aaa, tsy nahita an’izany aho.”
Dia tapitra hatreo ny resaka.
Niresaka momba ny Romanina 10:12 ilay lahatsoratra, hoe:
“Tsy misy fahasamihafana ny Jiosy sy ny Grika”
satria ‘iray ihany ny Tompo izay ambonin’izy rehetra.’
Na mandresy im-be dia be eo aza ny firenenao,
na koa hoe nibata ny amboara tamin’ny baolina kitra,
dia tsy zava-dehibe amin’i Jehovah akory izany.
Mitovy daholo ny olona rehetra aminy.
Nosoratako tao anaty taratasy kely ireo hevi-dehibe efatra.
Ireo hevitra ireo no hanampy an’ahy tsy hanohana an’iza na iza.
Ataoko ao anatin’ny kitapoko foana ilay izy,
amin’izay azoko vakina rehefa any am-piasana.
Izaho aloha mbola mijery baolina amin’ny tele foana e!
Milalao baolina miaraka amin’ny namako ato amin’ny Betela koa aho.
Niezaka anefa aho,
dia lasa niova tsikelikely ny fomba fahitako ny baolina kitra.
Tsy manindrahindra firenena intsony aho izao, na manambony tena.
Hitako tamin’iny lahatsoratra iny hoe
raha resy lahatra aho fa ny Fanjakan’Andriamanitra no fitondrana tsara indrindra,
dia tsy hanohana an’iza na iza mihitsy aho amin’ny resaka politika,
na dia ao an-tsaiko fotsiny aza.
Mila mitandrina foana anefa aho.
Tiako be ireny lahatsoratra anaty Tilikambo Fiambenana ireny,
indrindra raha mahakasika ahy ilay izy.
Tsapako hoe hoatran’ny fitaratra ny Baiboly.
Dia lasa hitako hoe inona no tokony hahitsy.
Rehefa nampihatra ny torohevitra tao amin’iny lahatsoratra iny aho,
dia lasa sahy milaza aho hoe
tsy misy afa-tsy ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hamaha ny olana mahazo ny olombelona.