00:00:01
Tena mahafinaritra ny mahita
an’ireo olona an-tapitrisany manompo an’i Jehovah.00:00:06
00:00:06
Dia mbola misy an’arivony koa ny olona vaovao isan-kerinandro.00:00:10
00:00:11
Faly isika hoe ataon’i Jehovah mandroso haingana be ny asa fitoriana.00:00:15
00:00:16
Raha te hanana finoana matanjaka
sy hifandray tsara amin’i Jehovah00:00:19
00:00:19
ary hahavita tsara ny asa fitoriana isika,
dia mila Baiboly, boky sy gazety, ary raki-peo sy video.00:00:27
00:00:28
Aiza anefa no ahazoantsika an’ireo?00:00:30
00:00:32
Any amin’ny Betela.00:00:34
00:00:34
Misy Kristianina matotra manao fanompoana masina
ho an’i Jehovah miaraka amin’ny rahalahin’i Kristy ao.00:00:40
00:00:40
Mikarakara an’izay ilain’ny rahalahy rehetra maneran-tany izy ireo,00:00:44
00:00:44
sady manampy azy ireo hahavita tsara ny asa fitoriana.00:00:47
00:00:49
Mpanompon’i Jehovah vita batisa daholo
no anisan’ny fianakavian’ny Betela.00:00:53
00:00:54
Miara-mipetraka sy miara-miasa akaiky ry zareo,00:00:58
00:00:58
dia tena hain-dry zareo tsara ilay resahin’ny Salamo 133:1 hoe:00:01:04
00:01:13
Tena miavaka ny asa atao any amin’ny Betela,00:01:16
00:01:16
dia faly izahay hoe be dia be mihitsy
no efa niezaka hanompo an’i Jehovah bebe kokoa,00:01:20
00:01:20
amin’izay ho afaka hanao an’io fanompoana io.00:01:23
00:01:23
Efa mba nieritreritra ny hiasa any amin’ny Betela ve ianao?00:01:26
00:01:28
Raha miasa any amin’ny Betela ianao,
dia vao mainka ho afaka manompo bebe kokoa an’i Jehovah.00:01:34
00:01:35
Raha te hiasa any anefa ianao,00:01:37
00:01:37
dia mila mahafoy tena
sady vonona hanao an’izay asa ampanaovina anao.00:01:42
00:01:42
Mila manahaka ny toe-tsain’i Isaia mpaminany ianao.00:01:45
00:01:45
Hoy izy ao amin’ny Isaia 6:8 hoe:00:01:49
00:02:02
Faly be i Isaia rehefa fantany hoe
ho afaka hanompo bebe kokoa an’i Jehovah izy.00:02:07
00:02:07
Na dia mbola tsy hainy tsara akory aza hoe
inona ilay asa hampanaovina azy,00:02:11
00:02:11
dia tonga izy dia nanaiky.00:02:13
00:02:13
Vao fantany hoe i Jehovah no naniraka azy hanao an’ilay asa,00:02:17
00:02:17
sady somary miavaka kely ilay asa asainy ataony,00:02:20
00:02:20
dia tonga izy dia vonona hanao an’ilay asa.00:02:23
00:02:23
Dia hoatr’izany mihitsy koa ny toe-tsain’ny Betelita rehetra maneran-tany.00:02:27
00:02:28
Fa maninona no be dia be mihitsy no te hiasa any amin’ny Betela?00:02:32
00:02:32
Satria tia an’i Jehovah ry zareo,
dia tsy te hanao an’izay mahafinaritra azy fotsiny,00:02:37
00:02:37
fa te hanao an’izay azony atao
mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.00:02:41
00:02:41
Resahina ao amin’ny boky Mpitory, pejy 295 hoe:00:02:46
00:02:46
“Tsy manjary malaza na manankarena noho izany izy ireo,
fa te hanome voninahitra an’i Jehovah kosa,00:02:52
00:02:52
ary afa-po amin’izay sakafo sy fonenana
ary vola fanampiana kely omena azy.”00:02:57
00:02:59
Inona avy ny fitahiana ho azontsika
raha miasa any amin’ny Betela isika?00:03:02
00:03:02
Izay rehetra efa nahafoy tena
ka vonona ny hiasa any amin’ny Betela izao00:03:06
00:03:06
dia nahazo fitahiana be dia be mihitsy.00:03:09
00:03:11
Hitako hoe hafa mihitsy ny miasa eto amin’ny Betela.00:03:14
00:03:14
Tsy hoatran’ny miasa any amin’ny orinasan’ity tontolo ity ilay izy.00:03:17
00:03:17
Olona mahafinaritra sy tia an’i Jehovah daholo
no miara-miasa aminao eto.00:03:21
00:03:22
Mitovy daholo ny toe-tsainay sy ny tanjonay eto amin’ny Betela,00:03:25
00:03:25
dia miara-miasa izahay mba hanatratrarana an’ilay tanjona.00:03:29
00:03:29
Raha asaina manao asa mbola tsy nataonao mihitsy ianao,
dia misy rahalahy sy anabavy efa mahay an’ilay izy eto,00:03:35
00:03:35
dia ampianarin-dry zareo anao ny fanaovana an’ilay izy.00:03:38
00:03:41
Tena mampahery sady azo ampiharina
ny fanazavana sy ny valin-teny omen’ny Betelita00:03:45
00:03:45
mandritra ny fotoam-pivavahana maraina
sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.00:03:49
00:03:50
Hitanao hoe tena tia an’i Jehovah ry zareo,
dia ianao koa te ho lasa hoatr’izany.00:03:55
00:03:56
Izay asa ataonao rehetra eto amin’ny Betela
dia ho an’i Jehovah daholo.00:04:00
00:04:00
Tsy mbola nisy mpampiasa hoatran’i Jehovah izany mihitsy!00:04:03
00:04:03
Izy tsinona sady tsara fanahy
no faly foana amin’izay asa vitanao.00:04:07
00:04:07
Dia tena faly ianao miasa ho azy.00:04:09
00:04:10
Tena be dia be mihitsy ny asa atao eto amin’ny Betela:00:04:12
00:04:12
mamoaka boky sy gazety
dia mandefa an’ilay izy any amin’ny fiangonana,00:04:16
00:04:16
mamoaka video ho an’ny fivoriambe,
dia mandika teny amin’ny fiteny be dia be.00:04:20
00:04:20
Isaky ny mieritreritra an’izany aho
dia faly be hoe mba afaka miasa eto.00:04:24
00:04:25
Na inona na inona asa ataoko eto dia tiako be foana00:04:28
00:04:28
satria fantatro hoe manohana ny rahalahin’i Kristy aho
rehefa manao an’ilay izy.00:04:32
00:04:34
Inona àry no tokony hataon’ny tanora
raha te hiasa any amin’ny Betela izy?00:04:38
00:04:39
Mbola kely aho dia efa hoy foana i Dada sy Neny hoe
tena zava-dehibe ny mifandray tsara amin’i Jehovah.00:04:45
00:04:46
Rehefa vakansy izahay, dia nentin-dry zareo nanompo foana.00:04:50
00:04:51
Lasa akaiky be an’i Jehovah izahay mianakavy,00:04:54
00:04:54
dia izaho koa lasa nanana tanjona ara-panahy00:04:56
00:04:56
sady niezaka nanatratra an’ilay izy
fa tsy variana tamin’ny zavatra hafa.00:05:00
00:05:01
Izaho tena tia mamaky boky.00:05:04
00:05:04
Dia hoy ny Dadanay indray mandeha izay:00:05:07
00:05:07
“Ary maninona moa ialahy raha mba mamaky Baiboly e?”00:05:10
00:05:10
Tena zavatra tokony ho nataoko aloha izany e!00:05:13
00:05:13
Fa izaho anefa hoatran’ny mbola tsy namaky Baiboly
hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.00:05:17
00:05:17
Nanomboka namaky aho, dia rehefa vita ilay izy,
dia niova be ny fomba fisainako.00:05:23
00:05:23
Izay koa aho vao tena niaiky hoe nahita ny fahamarinana.00:05:26
00:05:26
Hitako hoe tokony hifandray tsara amin’i Jehovah foana aho,00:05:29
00:05:29
dia tokony hanana tanjona ara-panahy
sy hiezaka hanatratra an’ilay izy.00:05:34
00:05:35
Nizara boky sy gazety ny asako tao amin’ny fiangonanay,
dia nikarakara fanamafisam-peo sy lampihazo.00:05:42
00:05:42
Nanampy ahy nazoto niasa sady mbola te hanao be
ho an’i Jehovah foana ireny andraikitra ireny.00:05:47
00:05:47
Matetika koa aho no niara-nanompo tamin’ny anti-panahy.00:05:50
00:05:50
Tena nahasoa ahy ilay izy.00:05:52
00:05:52
Izaho mantsy mba te hiasa tany amin’ny Betela tamin’izany,00:05:55
00:05:55
dia nieritreritra aho indraindray hoe:
‘Tena marina izany raha mba ho vitako!’00:05:59
00:05:59
Dia noresahin’ilay anti-panahy iray izay tamiko
hoe nisy fotoana i Jehovah nampahery an’i Josoa.00:06:04
00:06:04
Dia novakiny tamiko ilay zavatra notenenin’i Jehovah tamin’izay.00:06:08
00:06:08
Tena nampahery ahy ilay izy.00:06:10
00:06:11
Tratrako ihany ilay tanjoko,
satria lasa miasa atỳ amin’ny Betela aho izao.00:06:16
00:06:20
Nitsidika Betela aho indray mandeha,
dia hitako hoe hoatran’ny olon-drehetra ihany ny Betelita.00:06:25
00:06:25
Hitako koa hoe tsara toetra be ry zareo.00:06:28
00:06:29
Tia mandray vahiny ry zareo sady sariaka be,
dia mba tiako aho raha hoatr’izany koa.00:06:34
00:06:34
Vao mainka aho lasa te hiasa tany amin’ny Betela.00:06:38
00:06:41
Raha te hiasa any amin’ny Betela ianao,
dia misy zavatra tsy maintsy ataonao.00:06:46
00:06:49
Tokony ho hita amin’ny fiainanao hoe
mankatò an’izay lazain’ny Baiboly ianao.00:06:53
00:06:53
Tokony ho fantatry ny olona koa hoe
olona araka ny fanahy ianao.00:06:57
00:06:58
Tokony hankatò ny fitsipik’i Jehovah
momba ny fitondran-tena koa ianao,00:07:02
00:07:02
izany hoe tsy ratsy fitondran-tena
sy manalavitra ny fahalotoana.00:07:05
00:07:08
Tsy tokony hisy zavatra afenimpeninao amin’ny anti-panahy
ka mety hoe hahatonga anao enjehin’ny eritreritrao.00:07:13
00:07:13
Tokony ho hita foana hoe mpanompon’i Jehovah ianao
fa tsy hoe rehefa mivory sy mitory ihany.00:07:19
00:07:19
Tsy tokony hanafintohina na hisarika maso be
ny akanjo anaovan’ny Betelita.00:07:23
00:07:23
Tsy tokony hanao akanjo fanaovan’ny olona
tsy manompo an’i Jehovah koa izy ireo,00:07:27
00:07:27
ohatra hoe akanjon’olona mpikomy na ratsy fitondran-tena.00:07:30
00:07:38
Ohatra hoe sary vetaveta,
mozika tsy mety amin’ny Kristianina,00:07:42
00:07:42
na fialam-boly misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina,
fitondran-tena ratsy, na misy herisetra.00:07:48
00:07:59
Mety ho afaka hiasa any ihany anefa
ny olona mihoatra ny 35 taona00:08:03
00:08:03
raha manana fahaizana manokana ilaina any izy.00:08:06
00:08:07
Mety hoe manana fahaizana momba ny fitsaboana
na fandikan-teny izy, na fanorenana,00:08:13
00:08:13
ohatra hoe mahay resaka fantson-drano, herinaratra,00:08:17
00:08:17
na koa mahay mampiasa fitaovana lehibe
na mahay mandrafitra.00:08:20
00:08:32
Tokony hahavita miasa mandritra ny ora maromaro ianao.00:08:35
00:08:42
Afaka mifampiresaka tsara
amin’ny mpiara-miasa aminao ianao amin’izay,00:08:46
00:08:46
sady afaka mandray fampiofanana
dia ho voaro amin’ny loza.00:08:50
00:08:57
Hampiofanina ianao mandritra an’ilay herintaona
mba ho afaka hanohy hiasa any foana.00:09:01
00:09:02
Mety hisy mpiara-manompo hieritreritra hoe
hanao fianarana ambony izy,00:09:06
00:09:06
dia amin’izay manana fahaizana manokana,00:09:08
00:09:08
dia tonga dia voaray rehefa manao fangatahana
hiasa any amin’ny Betela.00:09:12
00:09:12
Tsy mampirisika ny rahalahy sy anabavy
hanao an’izany mihitsy anefa izahay.00:09:16
00:09:16
Raha te hiasa any amin’ny Betela ianao,
dia ny manao mpisava lalana no tsara indrindra.00:09:21
00:09:21
Rahalahy mpitovo no tena ilaina any amin’ny Betela.00:09:24
00:09:24
Raha misy olon-kafa mahafeno fepetra anefa,
anisan’izany ny anabavy,00:09:28
00:09:28
dia ampirisihinay izy hameno fangatahana
ho mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra.00:09:32
00:09:32
Rehefa miasa an-tsitrapo any amin’ny Betela mantsy ianao00:09:35
00:09:35
dia ho afaka mianatra zavatra hafa
mety hanampy anao hanompo an’i Jehovah bebe kokoa.00:09:39
00:09:41
Te hiasa any amin’ny Betela ve ianao?00:09:44
00:09:44
Inona no taratasy fangatahana tokony halainao
any amin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana?00:09:48
00:09:49
Tokony hivavaka sy handinika ny toe-javatra misy anao ianao
vao manapa-kevitra.00:09:55
00:09:55
Misy karazany roa ny taratasy fangatahana azonao fenoina.00:09:59
00:09:59
Ny iray dia ny Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo (A-19).00:10:04
00:10:05
Izay te hanao asa an-tsitrapo tsy maharitra
no mameno an’ilay izy,00:10:09
00:10:09
ohatra hoe mandritra ny herinandro fotsiny
na mandritra ny volana maromaro.00:10:13
00:10:16
Ny iray indray dia ny Fangatahana ho Anisan’ny00:10:18
00:10:18
Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro
Manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah (A-8).00:10:23
00:10:24
Izay te hiasa any amin’ny Betela
mandritra ny herintaona na mihoatra an’izay00:10:27
00:10:27
no mameno an’io fangatahana io.00:10:29
00:10:30
Raha hitan’ny Komitin’ny Sampana hoe azo ampiasaina ianao,00:10:33
00:10:34
dia ry zareo no hanapa-kevitra hoe aiza no mety aminao,
hiasa any amin’ny Betela ve sa any amin’ny fanorenana.00:10:42
00:10:44
Raha mameno fangatahana hiasa any amin’ny Betela ianao,00:10:47
00:10:47
dia vao mainka ho afaka manompo bebe kokoa an’i Jehovah.00:10:51
00:10:57
Na dia tena mahafoy tena hoatr’izany aza anefa isika,00:11:00
00:11:00
dia tsy hoe isika rehetra no ho afaka hiasa any amin’ny Betela.00:11:04
00:11:06
Azontsika ampirisihina kosa anefa izay afaka.00:11:09
00:11:10
Ianareo ray aman-dreny izao
afaka manao hoatran’i Elkana sy Hana.00:11:14
00:11:15
Nalefany hanao asa somary miavaka ho an’i Jehovah ny zanany.00:11:20
00:11:20
Resaho amin’ny zanakao foana hoe
afaka miasa any amin’ny Betela ry zareo rehefa lehibe.00:11:26
00:11:26
Ataovy hitany amin’izay lazainao sy ataonao
fa tena tsara ny manompo manontolo andro.00:11:32
00:11:34
Raha azo atao, dia ento mitsidika ny foiben’ny
Vavolombelon’i Jehovah eto New York, Etazonia ry zareo,00:11:40
00:11:40
na ny Betela any amin’ny sampana misy anareo.00:11:43
00:11:45
Amin’izay mantsy hitan-dry zareo ny asa atao
any amin’ny Betela mba hamitana ny asa fitoriana.00:11:51
00:11:58
Ny anti-panahy indray afaka manampy ny tanora
mety hahafeno fepetra hiasa any amin’ny Betela.00:12:06
00:12:07
Mbola mitady an’izay vonona hampitombo
ny fanompoany foana mantsy i Jehovah.00:12:12
00:12:13
Hoatran’ny tamin’ny andron’i Isaia,
dia hoy izy hoe:00:12:17
00:12:17
“Iza no hirahiko?
Iza no hisolo tena anay?”00:12:21
00:12:21
Hanao hoatran’i Isaia koa ve ianao,
dia hamaly hoe: “Intỳ aho iraho!”?00:12:27
00:12:27
Mampirisika anareo tanora izahay
mba ho lasa Kristianina matotra00:12:31
00:12:31
sady hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.00:12:34
00:12:35
Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety
hahafeno fepetra hiasa any amin’ny Betela ianareo,00:12:40
00:12:40
na hanao endri-panompoana hafa.00:12:42
00:12:43
Ho afaka hidera an’i Jehovah ianareo amin’izay,00:12:46
00:12:46
sady hampiasa tsara ny hery
sy ny fahasalamana nomeny anareo.00:12:50
00:12:51
Tadidio fa tena tianay ianareo satria mahafoy tena
dia miezaka hanana tanjona ara-panahy foana.00:12:59
Inona no Tokony Hataonao Raha Te Hiasa any Amin’ny Betela Ianao?
-
Inona no Tokony Hataonao Raha Te Hiasa any Amin’ny Betela Ianao?
Tena mahafinaritra ny mahita
an’ireo olona an-tapitrisany manompo an’i Jehovah.
Dia mbola misy an’arivony koa ny olona vaovao isan-kerinandro.
Faly isika hoe ataon’i Jehovah mandroso haingana be ny asa fitoriana.
Raha te hanana finoana matanjaka
sy hifandray tsara amin’i Jehovah
ary hahavita tsara ny asa fitoriana isika,
dia mila Baiboly, boky sy gazety, ary raki-peo sy video.
Aiza anefa no ahazoantsika an’ireo?
Any amin’ny Betela.
Misy Kristianina matotra manao fanompoana masina
ho an’i Jehovah miaraka amin’ny rahalahin’i Kristy ao.
Mikarakara an’izay ilain’ny rahalahy rehetra maneran-tany izy ireo,
sady manampy azy ireo hahavita tsara ny asa fitoriana.
Mpanompon’i Jehovah vita batisa daholo
no anisan’ny fianakavian’ny Betela.
Miara-mipetraka sy miara-miasa akaiky ry zareo,
dia tena hain-dry zareo tsara ilay resahin’ny Salamo 133:1 hoe:
Tena miavaka ny asa atao any amin’ny Betela,
dia faly izahay hoe be dia be mihitsy
no efa niezaka hanompo an’i Jehovah bebe kokoa,
amin’izay ho afaka hanao an’io fanompoana io.
Efa mba nieritreritra ny hiasa any amin’ny Betela ve ianao?
Raha miasa any amin’ny Betela ianao,
dia vao mainka ho afaka manompo bebe kokoa an’i Jehovah.
Raha te hiasa any anefa ianao,
dia mila mahafoy tena
sady vonona hanao an’izay asa ampanaovina anao.
Mila manahaka ny toe-tsain’i Isaia mpaminany ianao.
Hoy izy ao amin’ny Isaia 6:8 hoe:
Faly be i Isaia rehefa fantany hoe
ho afaka hanompo bebe kokoa an’i Jehovah izy.
Na dia mbola tsy hainy tsara akory aza hoe
inona ilay asa hampanaovina azy,
dia tonga izy dia nanaiky.
Vao fantany hoe i Jehovah no naniraka azy hanao an’ilay asa,
sady somary miavaka kely ilay asa asainy ataony,
dia tonga izy dia vonona hanao an’ilay asa.
Dia hoatr’izany mihitsy koa ny toe-tsain’ny Betelita rehetra maneran-tany.
Fa maninona no be dia be mihitsy no te hiasa any amin’ny Betela?
Satria tia an’i Jehovah ry zareo,
dia tsy te hanao an’izay mahafinaritra azy fotsiny,
fa te hanao an’izay azony atao
mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.
Resahina ao amin’ny boky Mpitory, pejy 295 hoe:
“Tsy manjary malaza na manankarena noho izany izy ireo,
fa te hanome voninahitra an’i Jehovah kosa,
ary afa-po amin’izay sakafo sy fonenana
ary vola fanampiana kely omena azy.”
Inona avy ny fitahiana ho azontsika
raha miasa any amin’ny Betela isika?
Izay rehetra efa nahafoy tena
ka vonona ny hiasa any amin’ny Betela izao
dia nahazo fitahiana be dia be mihitsy.
Hitako hoe hafa mihitsy ny miasa eto amin’ny Betela.
Tsy hoatran’ny miasa any amin’ny orinasan’ity tontolo ity ilay izy.
Olona mahafinaritra sy tia an’i Jehovah daholo
no miara-miasa aminao eto.
Mitovy daholo ny toe-tsainay sy ny tanjonay eto amin’ny Betela,
dia miara-miasa izahay mba hanatratrarana an’ilay tanjona.
Raha asaina manao asa mbola tsy nataonao mihitsy ianao,
dia misy rahalahy sy anabavy efa mahay an’ilay izy eto,
dia ampianarin-dry zareo anao ny fanaovana an’ilay izy.
Tena mampahery sady azo ampiharina
ny fanazavana sy ny valin-teny omen’ny Betelita
mandritra ny fotoam-pivavahana maraina
sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.
Hitanao hoe tena tia an’i Jehovah ry zareo,
dia ianao koa te ho lasa hoatr’izany.
Izay asa ataonao rehetra eto amin’ny Betela
dia ho an’i Jehovah daholo.
Tsy mbola nisy mpampiasa hoatran’i Jehovah izany mihitsy!
Izy tsinona sady tsara fanahy
no faly foana amin’izay asa vitanao.
Dia tena faly ianao miasa ho azy.
Tena be dia be mihitsy ny asa atao eto amin’ny Betela:
mamoaka boky sy gazety
dia mandefa an’ilay izy any amin’ny fiangonana,
mamoaka video ho an’ny fivoriambe,
dia mandika teny amin’ny fiteny be dia be.
Isaky ny mieritreritra an’izany aho
dia faly be hoe mba afaka miasa eto.
Na inona na inona asa ataoko eto dia tiako be foana
satria fantatro hoe manohana ny rahalahin’i Kristy aho
rehefa manao an’ilay izy.
Inona àry no tokony hataon’ny tanora
raha te hiasa any amin’ny Betela izy?
Mbola kely aho dia efa hoy foana i Dada sy Neny hoe
tena zava-dehibe ny mifandray tsara amin’i Jehovah.
Rehefa vakansy izahay, dia nentin-dry zareo nanompo foana.
Lasa akaiky be an’i Jehovah izahay mianakavy,
dia izaho koa lasa nanana tanjona ara-panahy
sady niezaka nanatratra an’ilay izy
fa tsy variana tamin’ny zavatra hafa.
Izaho tena tia mamaky boky.
Dia hoy ny Dadanay indray mandeha izay:
“Ary maninona moa ialahy raha mba mamaky Baiboly e?”
Tena zavatra tokony ho nataoko aloha izany e!
Fa izaho anefa hoatran’ny mbola tsy namaky Baiboly
hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Nanomboka namaky aho, dia rehefa vita ilay izy,
dia niova be ny fomba fisainako.
Izay koa aho vao tena niaiky hoe nahita ny fahamarinana.
Hitako hoe tokony hifandray tsara amin’i Jehovah foana aho,
dia tokony hanana tanjona ara-panahy
sy hiezaka hanatratra an’ilay izy.
Nizara boky sy gazety ny asako tao amin’ny fiangonanay,
dia nikarakara fanamafisam-peo sy lampihazo.
Nanampy ahy nazoto niasa sady mbola te hanao be
ho an’i Jehovah foana ireny andraikitra ireny.
Matetika koa aho no niara-nanompo tamin’ny anti-panahy.
Tena nahasoa ahy ilay izy.
Izaho mantsy mba te hiasa tany amin’ny Betela tamin’izany,
dia nieritreritra aho indraindray hoe:
‘Tena marina izany raha mba ho vitako!’
Dia noresahin’ilay anti-panahy iray izay tamiko
hoe nisy fotoana i Jehovah nampahery an’i Josoa.
Dia novakiny tamiko ilay zavatra notenenin’i Jehovah tamin’izay.
Tena nampahery ahy ilay izy.
Tratrako ihany ilay tanjoko,
satria lasa miasa atỳ amin’ny Betela aho izao.
Nitsidika Betela aho indray mandeha,
dia hitako hoe hoatran’ny olon-drehetra ihany ny Betelita.
Hitako koa hoe tsara toetra be ry zareo.
Tia mandray vahiny ry zareo sady sariaka be,
dia mba tiako aho raha hoatr’izany koa.
Vao mainka aho lasa te hiasa tany amin’ny Betela.
Raha te hiasa any amin’ny Betela ianao,
dia misy zavatra tsy maintsy ataonao.
Tokony ho hita amin’ny fiainanao hoe
mankatò an’izay lazain’ny Baiboly ianao.
Tokony ho fantatry ny olona koa hoe
olona araka ny fanahy ianao.
Tokony hankatò ny fitsipik’i Jehovah
momba ny fitondran-tena koa ianao,
izany hoe tsy ratsy fitondran-tena
sy manalavitra ny fahalotoana.
Tsy tokony hisy zavatra afenimpeninao amin’ny anti-panahy
ka mety hoe hahatonga anao enjehin’ny eritreritrao.
Tokony ho hita foana hoe mpanompon’i Jehovah ianao
fa tsy hoe rehefa mivory sy mitory ihany.
Tsy tokony hanafintohina na hisarika maso be
ny akanjo anaovan’ny Betelita.
Tsy tokony hanao akanjo fanaovan’ny olona
tsy manompo an’i Jehovah koa izy ireo,
ohatra hoe akanjon’olona mpikomy na ratsy fitondran-tena.
Ohatra hoe sary vetaveta,
mozika tsy mety amin’ny Kristianina,
na fialam-boly misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina,
fitondran-tena ratsy, na misy herisetra.
Mety ho afaka hiasa any ihany anefa
ny olona mihoatra ny 35 taona
raha manana fahaizana manokana ilaina any izy.
Mety hoe manana fahaizana momba ny fitsaboana
na fandikan-teny izy, na fanorenana,
ohatra hoe mahay resaka fantson-drano, herinaratra,
na koa mahay mampiasa fitaovana lehibe
na mahay mandrafitra.
Tokony hahavita miasa mandritra ny ora maromaro ianao.
Afaka mifampiresaka tsara
amin’ny mpiara-miasa aminao ianao amin’izay,
sady afaka mandray fampiofanana
dia ho voaro amin’ny loza.
Hampiofanina ianao mandritra an’ilay herintaona
mba ho afaka hanohy hiasa any foana.
Mety hisy mpiara-manompo hieritreritra hoe
hanao fianarana ambony izy,
dia amin’izay manana fahaizana manokana,
dia tonga dia voaray rehefa manao fangatahana
hiasa any amin’ny Betela.
Tsy mampirisika ny rahalahy sy anabavy
hanao an’izany mihitsy anefa izahay.
Raha te hiasa any amin’ny Betela ianao,
dia ny manao mpisava lalana no tsara indrindra.
Rahalahy mpitovo no tena ilaina any amin’ny Betela.
Raha misy olon-kafa mahafeno fepetra anefa,
anisan’izany ny anabavy,
dia ampirisihinay izy hameno fangatahana
ho mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra.
Rehefa miasa an-tsitrapo any amin’ny Betela mantsy ianao
dia ho afaka mianatra zavatra hafa
mety hanampy anao hanompo an’i Jehovah bebe kokoa.
Te hiasa any amin’ny Betela ve ianao?
Inona no taratasy fangatahana tokony halainao
any amin’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana?
Tokony hivavaka sy handinika ny toe-javatra misy anao ianao
vao manapa-kevitra.
Misy karazany roa ny taratasy fangatahana azonao fenoina.
Ny iray dia ny Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo (A-19).
Izay te hanao asa an-tsitrapo tsy maharitra
no mameno an’ilay izy,
ohatra hoe mandritra ny herinandro fotsiny
na mandritra ny volana maromaro.
Ny iray indray dia ny Fangatahana ho Anisan’ny
Vondron’ny Mpanompo Manontolo Andro
Manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah (A-8).
Izay te hiasa any amin’ny Betela
mandritra ny herintaona na mihoatra an’izay
no mameno an’io fangatahana io.
Raha hitan’ny Komitin’ny Sampana hoe azo ampiasaina ianao,
dia ry zareo no hanapa-kevitra hoe aiza no mety aminao,
hiasa any amin’ny Betela ve sa any amin’ny fanorenana.
Raha mameno fangatahana hiasa any amin’ny Betela ianao,
dia vao mainka ho afaka manompo bebe kokoa an’i Jehovah.
Na dia tena mahafoy tena hoatr’izany aza anefa isika,
dia tsy hoe isika rehetra no ho afaka hiasa any amin’ny Betela.
Azontsika ampirisihina kosa anefa izay afaka.
Ianareo ray aman-dreny izao
afaka manao hoatran’i Elkana sy Hana.
Nalefany hanao asa somary miavaka ho an’i Jehovah ny zanany.
Resaho amin’ny zanakao foana hoe
afaka miasa any amin’ny Betela ry zareo rehefa lehibe.
Ataovy hitany amin’izay lazainao sy ataonao
fa tena tsara ny manompo manontolo andro.
Raha azo atao, dia ento mitsidika ny foiben’ny
Vavolombelon’i Jehovah eto New York, Etazonia ry zareo,
na ny Betela any amin’ny sampana misy anareo.
Amin’izay mantsy hitan-dry zareo ny asa atao
any amin’ny Betela mba hamitana ny asa fitoriana.
Ny anti-panahy indray afaka manampy ny tanora
mety hahafeno fepetra hiasa any amin’ny Betela.
Mbola mitady an’izay vonona hampitombo
ny fanompoany foana mantsy i Jehovah.
Hoatran’ny tamin’ny andron’i Isaia,
dia hoy izy hoe:
“Iza no hirahiko?
Iza no hisolo tena anay?”
Hanao hoatran’i Isaia koa ve ianao,
dia hamaly hoe: “Intỳ aho iraho!”?
Mampirisika anareo tanora izahay
mba ho lasa Kristianina matotra
sady hanompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.
Rehefa mandeha ny fotoana, dia mety
hahafeno fepetra hiasa any amin’ny Betela ianareo,
na hanao endri-panompoana hafa.
Ho afaka hidera an’i Jehovah ianareo amin’izay,
sady hampiasa tsara ny hery
sy ny fahasalamana nomeny anareo.
Tadidio fa tena tianay ianareo satria mahafoy tena
dia miezaka hanana tanjona ara-panahy foana.
-