JW subtitle extractor

Dale sy Nadja Bode: Nanampy Anay Hitaiza Zaza Sivy i Jehovah

Video Other languages Share text Share link Show times

Nipetraka tany Alberta, any Kanada, izahay mivady.
Nanan-janaka izahay avy eo.
Avy eo izahay nifindra tatỳ Craig, atỳ Alaska.
Efatra ny zanakay tamin’izany, dia sivy ny zanakay izao.
Nanankinan’i Jehovah andraikitra lehibe ny ray aman-dreny,
dia ianao aloha izany no mila mampihatra an’ilay hoe katsaho aloha ilay Fanjakana.
Mila manome modely koa ianao,
mazoto mivory dia mandeha manompo foana.
Fantatray aloha izany hoe izahay no tsy maintsy tia an’i Jehovah voalohany,
amin’izay lasa tia azy koa ny zanakay.
Nampianarin’i Dada sy Neny hoe ny manompo an’i Jehovah ihany no tena mahasambatra.
Rehefa nampianatra anay ry zareo,
dia nasehony tamin’ny nataony mihitsy ilay hoe katsaho aloha ilay Fanjakana.
Enjikenjika be foana ny fiainana miaraka amin’izany zaza sivy izany.
Hoatran’ny misy fialan-tsiny hoe tsy hanaovana zavatra ara-panahy.
Ilay mitaiza zaza sivy aloha tena manahirana tena manahirana e!
Ie, misy fotoana aloha Neny tena mipetraka mihitsy satria reraka be loatra e!
Indray mandeha izay aho vizana be mihitsy,
nefa andro fivoriana tamin’io.
Dia nosaintsainiko ilay ao amin’ny Isaia 40,
ilay hoe ‘izay manantena an’i Jehovah hahazo hery indray.’
Tian’i Jehovah andeha hivory aho izany,
dia tsy maintsy hanome hery ahy izy.
Nivavaka aho, dia avy eo niomana.
Rotoroto foana aloha e!
Ao amin’ny Hebreo isika hampirisihina hoe aza mahafoy “ny fiarahantsika mivory.”
Naverimberin’i Dada foana izany.
Nisy fotoana izahay efa ho adiny roa vao tonga tany am-pivoriana,
nefa ririnina be tamin’izany.
Dia hoatran’izay koa rehefa nody,
alina be izay voa tonga,
dia reraka be daholo ny ankizy,
ary na izahay koa aza.
Naverimberin’i Dada sy Neny hoe tena ilaina ny mivory,
dia lasa hitako hoe zava-dehibe ilay izy.
Hoatran’izany koa ny fanompoana.
Nampianarin-dry zareo hoe tokony hanompo foana fa tsy tokony ho tapatapaka izany.
Tsy misy manontany izany hoe handeha sa tsy handeha isika androany,
satria izahay tsy maintsy manompo foana.
Isaky ny sabotsy maraina izahay tonga dia miomana dia lasa manompo.
Rehefa teny amin’ny fanompoana izahay tsy hoe nijanona fotsiny tao anaty aotomobilina,
fa niresaka tamin’ny olona, dia nitory momba an’i Jehovah.
Mbola kely izahay dia efa nampianarin’i Dada sy Neny hoe
mila miezaka ho tia manampy olona.
Lasa tianay ilay izy, dia falifaly foana izahay rehefa manompo.
Tena nataoko tsara ny fitoriana, dia nahazo fiverenana mitsidika aho.
Dia nomaniko tsara hoe inona no tenenina rehefa hiverina any amin’ilay olona.
Matetika izahay no maka aina kely rehefa manompo,
amin’izay tsy reraka loatra ny ankizy, ary na izahay koa aza.
Miezaka mandanjalanja izahay fa tsy hentitra be loatra,
dia mba tsapan’ny ankizy hoe zavatra mahafinaritra ny fanompoana
fa tsy hoe mankaleo be.
Tadidiko ilay ao amin’ny Ohabolana 22:6, hoe:
“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza.”
Izany mihitsy no nataon’i Dada sy Neny satria
tsy hitady vola sy ny sisa no zava-dehibe taminy
fa ny fanompoana an’i Jehovah.
I Jehovah no nanampy anay mba hitaiza tsara ny zanakay araka izay azonay natao.
Nisy zavatra tsy vitanay ihany aloha e!
I Jehovah anefa no tena mahay mitaiza,
ka raha ampianarinay ho tia azy ny zanakay,
dia i Jehovah indray no hanarina an’izay tsy vitanay.
Nahavita nitaiza tsara ny zanakay izahay satria niantehitra tamin’i Jehovah foana.
Samy manompo tsara an’i Jehovah daholo ny zanakay,
dia faly be mihitsy izahay,
ary mino izahay hoe faly koa i Jehovah.