00:00:04
Efa ela be no nisy ny areti-mifindra.00:00:08
00:00:10
Tany an-toeran-kafa fotsiny angamba ianao no naheno an’izany.00:00:15
00:00:15
Ahoana anefa raha any amin’ny faritra misy anareo no miparitaka ilay aretina?00:00:19
00:00:20
Be dia be ny zavatra tsy azonao fehezina,00:00:23
00:00:23
dia mety hatahotra ianao.00:00:25
00:00:25
Betsaka koa anefa ny zavatra azonao atao,00:00:28
00:00:28
mba hiarovana ny tenanao.00:00:30
00:00:30
Tsotra kely ilay izy,00:00:32
00:00:32
nefa tena mandaitra.00:00:34
00:00:34
Anisan’izany ilay hoe manasa tanana matetika.00:00:37
00:00:37
Raha manasa tanana amin’ny savony sy rano00:00:39
00:00:39
mandritra ny 20 segondra ianao,00:00:41
00:00:41
dia ho faty ny bakteria na ny virosy.00:00:44
00:00:44
Kobano ny tananao avy eo.00:00:46
00:00:47
Azonao atao koa ny mampiasa fanadiovana tanana misy alkaola.00:00:51
00:00:51
Raha mikohaka na mievina ianao00:00:54
00:00:54
dia tampeno amin’ny lamba na amin’ny sandry ny vavanao.00:00:57
00:00:57
Aza mikitikitika tarehy koa00:00:59
00:00:59
indrindra rehefa avy nikasika zavatra hafa ianao.00:01:03
00:01:03
Araho ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana,00:01:06
00:01:06
ohatra hoe mijanona ao an-trano,00:01:09
00:01:09
manao aro tava rehefa mivoaka ny trano,00:01:12
00:01:12
ary manaja ny elanelana.00:01:14
00:01:17
Raha marary ianao,00:01:19
00:01:19
dia tonga dia miantsoa dokotera.00:01:21
00:01:21
Arovy koa ny fihetseham-ponao.00:01:24
00:01:24
Vao mainka ianao hiady saina,00:01:26
00:01:26
raha be loatra ny vaovao ratsy henonao,00:01:28
00:01:28
na tsy marina, na mifanipaka.00:01:32
00:01:32
Manaraha vaovao, nefa asio fetrany ihany izany.00:01:35
00:01:35
Raha tsy izany mantsy,00:01:36
00:01:36
dia mety ho izay foana no hoeritreretinao.00:01:39
00:01:39
Mitadiava foana zavatra hatao,00:01:41
00:01:41
ary mifandraisa tsy tapaka amin’ny fianakavianao sy ny namanao.00:01:44
00:01:44
Hampahery azy ireo ianao raha manao an’izany00:01:47
00:01:47
sady ho faly kokoa.00:01:48
00:01:49
Misy zava-dehibe hafa koa anefa.00:01:52
00:01:53
Milaza ny Baiboly fa nisy fotoana i Jesosy nitokana00:01:56
00:01:56
mba hivavaka sy hisaintsaina.00:01:58
00:01:59
Manokàna àry fotoana00:02:01
00:02:01
mba hanatsarana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.00:02:04
00:02:04
Hahavita hiatrika ny olana amin’izao ianao00:02:06
00:02:07
raha mifantoka amin’ny zavatra tsara hoavy.00:02:09
00:02:09
Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah00:02:11
00:02:11
hiresaka ny zavatra inoany amin’ny hafa,00:02:13
00:02:13
nefa koa manaja ny fepetra momba ny fahasalamana.00:02:17
00:02:17
Asehon’izy ireo amin’ny olona izay resahin’ny Baiboly.00:02:21
00:02:22
Manasa ny olona hivory hiaraka aminy koa izy ireo.00:02:25
00:02:25
Raha mbola tsy azo atao ny mihaona mivantana,00:02:28
00:02:28
dia ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny vidéoconférence izany.00:02:31
00:02:31
Milaza ny Baiboly ao amin’ny Isaia 33:24 fa any aoriana any,00:02:36
00:02:36
dia tsy hisy olona hiteny hoe: “Marary aho.”00:02:39
00:02:40
Mandra-pahatongan’izay anefa,00:02:42
00:02:42
dia milaza ny Isaia 30:15 fa hatanjaka isika00:02:46
00:02:46
raha tony foana sy feno toky.00:02:48
00:02:48
Rehefa misy virosy miparitaka àry,00:02:51
00:02:51
dia ataovy izay azonao atao mba ho tony,00:02:53
00:02:53
haharaka vaovao, ary ho salama foana.00:02:57
Inona no Tokony Hataonao Rehefa Misy Virosy Miparitaka?
-
Inona no Tokony Hataonao Rehefa Misy Virosy Miparitaka?
Efa ela be no nisy ny areti-mifindra.
Tany an-toeran-kafa fotsiny angamba ianao no naheno an’izany.
Ahoana anefa raha any amin’ny faritra misy anareo no miparitaka ilay aretina?
Be dia be ny zavatra tsy azonao fehezina,
dia mety hatahotra ianao.
Betsaka koa anefa ny zavatra azonao atao,
mba hiarovana ny tenanao.
Tsotra kely ilay izy,
nefa tena mandaitra.
Anisan’izany ilay hoe manasa tanana matetika.
Raha manasa tanana amin’ny savony sy rano
mandritra ny 20 segondra ianao,
dia ho faty ny bakteria na ny virosy.
Kobano ny tananao avy eo.
Azonao atao koa ny mampiasa fanadiovana tanana misy alkaola.
Raha mikohaka na mievina ianao
dia tampeno amin’ny lamba na amin’ny sandry ny vavanao.
Aza mikitikitika tarehy koa
indrindra rehefa avy nikasika zavatra hafa ianao.
Araho ny toromarika avy amin’ny manam-pahefana,
ohatra hoe mijanona ao an-trano,
manao aro tava rehefa mivoaka ny trano,
ary manaja ny elanelana.
Raha marary ianao,
dia tonga dia miantsoa dokotera.
Arovy koa ny fihetseham-ponao.
Vao mainka ianao hiady saina,
raha be loatra ny vaovao ratsy henonao,
na tsy marina, na mifanipaka.
Manaraha vaovao, nefa asio fetrany ihany izany.
Raha tsy izany mantsy,
dia mety ho izay foana no hoeritreretinao.
Mitadiava foana zavatra hatao,
ary mifandraisa tsy tapaka amin’ny fianakavianao sy ny namanao.
Hampahery azy ireo ianao raha manao an’izany
sady ho faly kokoa.
Misy zava-dehibe hafa koa anefa.
Milaza ny Baiboly fa nisy fotoana i Jesosy nitokana
mba hivavaka sy hisaintsaina.
Manokàna àry fotoana
mba hanatsarana ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.
Hahavita hiatrika ny olana amin’izao ianao
raha mifantoka amin’ny zavatra tsara hoavy.
Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah
hiresaka ny zavatra inoany amin’ny hafa,
nefa koa manaja ny fepetra momba ny fahasalamana.
Asehon’izy ireo amin’ny olona izay resahin’ny Baiboly.
Manasa ny olona hivory hiaraka aminy koa izy ireo.
Raha mbola tsy azo atao ny mihaona mivantana,
dia ataon’izy ireo amin’ny alalan’ny <i>vidéoconférence</i> izany.
Milaza ny Baiboly ao amin’ny Isaia 33:24 fa any aoriana any,
dia tsy hisy olona hiteny hoe: “Marary aho.”
Mandra-pahatongan’izay anefa,
dia milaza ny Isaia 30:15 fa hatanjaka isika
raha tony foana sy feno toky.
Rehefa misy virosy miparitaka àry,
dia ataovy izay azonao atao mba ho tony,
haharaka vaovao, ary ho salama foana.
-