JW subtitle extractor

"Mahasambatra Kokoa ny Manome"

Video Other languages Share text Share link Show times

Tena tiako ny fianakaviako.
Tsy manan-javatra firy izahay, nefa mahafinaritra foana ny fiarahanay.
Miasa mafy i Neny hamelomana anay.
Izahay efa-mianaka ihany moa no eto.
Somary nalahelohelo izahay rehetra tato ho ato.
Hitako hoe tena reraka i Neny sady manahy be.
Miezaka manampy azy aloha aho e.
Dia manampy ny rehetra hiomana handeha hivory.
Mandeha ihany ny fiainanay, fa tena mihasarotra ny fiainana.
Hitan’ny anti-panahy angamba hoe miady mafy izahay.
Tonga nitsidika anay ry zareo, sady tsara fanahy be.
Nohenoin’izy ireo tsara i Neny, dia namakiany andinin-teny.
Nilaza izy ireo hoe mikarakara anay foana i Jehovah, sady tia anay foana ny fiangonana.
Hitako hoe nahazo hery kokoa i Neny taorian’izay.
Nanao fotoam-pivavahan’ny fianakaviana izahay, dia novakin’i Neny ny 2 Korintianina 8:1-4.
Momba ny Makedonianina ilay tantara.
Hoy i Neny: ‘Akimpio ny masonareo, dia eritrereto ilay tantara.’
Tena nahantra ireo Makedonianina ireo. Sambatra anefa izy ireo satria nanome izay azony nomena.
Niangaviany mihitsy aza ny apostoly mba hamela azy ireo hanome.
Novakinay avy eo ny Asan’ny Apostoly 20:35 hoe:
“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”
Hozy ilay rahavaviko: “Isika aza tsy manana na inona na inona homena.”
Dia hozy i Neny: “Manana isika ka. Ny tenantsika.”
Dia lasa saina teo izahay.
Nahita hevitra tsara i Neny.
Nanamboatra fanomezana ho an’ny mpiara-manompo izahay, tamin’ny faran’ilay fotoam-pivavahanay.
Mahagaga ilay izy an!
Tsy dia manan-javatra firy izahay, nefa betsaka ny zavatra azonay omena.
Ohatra hoe vola kely atao fanomezana isan-kerinandro, dia manadio.
Ny fanompoana eny amin’ny saha koa anisan’ny fomba azontsika anampiana olona.
Vao mainka izahay ato an-trano izao mifankatia kokoa.
Hitanay hoe “mahasambatra kokoa ny manome.”