00:00:02
Miatrika fitsapana daholo isika rehetra eto amin’ity tontolo ity.00:00:06
00:00:06
Efa nisy fotoana ve ianao lasa saina hoe
mba hanampy ahy ihany ve i Jehovah?00:00:10
00:00:12
Dia rahoviana izy no hanao an’izany?00:00:13
00:00:15
Afaka matoky isika hoe hanohana antsika i Jehovah
rehefa misy fitsapana.00:00:18
00:00:19
Nahoana?00:00:20
00:00:20
Satria ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra.00:00:23
00:00:24
Andao isika handinika ny tantaran’i Josefa
mba hahalalana bebe kokoa an’io toetra io.00:00:28
00:00:29
Ho hitantsika koa amin’izay hoe
ahoana no azontsika ampisehoana azy io.00:00:32
00:00:36
Teraka tany Mezopotamia i Josefa, 3 700 taona mahery lasa izay.00:00:41
00:00:42
Jakoba na Israely no anaran’ny dadany.00:00:45
00:00:48
Nanana rahalahy folo tsy iray reny taminy i Josefa,
ary nanana zandry iray tam-po taminy.00:00:54
00:00:54
Benjamina no anarany.00:00:56
00:00:57
Mbola kely i Josefa dia efa niatrika fitsapana satria nialona azy ny zokiny.00:01:01
00:01:02
Izany fitsapana nahazo azy izany anefa no nahatonga
ny fianakaviany manontolo ho avotra rehefa nisy mosary.00:01:08
00:01:09
Afaka mahazo fitahiana mandrakizay koa isika vokatr’izany.00:01:13
00:01:14
Asaiko ianareo izao hijery ny Genesisy 37:2-11
ary hanaraka ny famakiana azy io.00:01:22
00:03:18
Tsy tian’ny fianakavian’i Josefa ny hevitry ny nofiny.00:03:21
00:03:22
I Jakoba kosa “nitadidy an’izany teny izany”, izany hoe
nataony an-tsaina foana ilay nofin’i Josefa.00:03:28
00:03:29
Nosaintsaininy foana ilay izy.00:03:30
00:03:32
Fantany angamba hoe avy amin’i Jehovah ilay nofy.00:03:34
00:03:35
Hafa mihitsy anefa ny fihetsiky ny rahalahin’i Josefa.00:03:38
00:03:39
Araho indray ny famakiana ny Genesisy 37:18-36.00:03:45
00:07:12
Niova be ny fiainan’i Josefa.00:07:13
00:07:14
Izy no zanaka tian’ny dadany indrindra nefa izao izy lasa andevo!00:07:18
00:07:19
Tsy i Josefa ihany no tsy tian’ireo rahalahiny fa i Jakoba rainy koa.00:07:23
00:07:24
Ny tena ratsy aza dia hoe i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra, mihitsy
no tsy tian’izy ireo.00:07:28
00:07:31
Mety hiharan’ny tsy rariny koa ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika.00:07:35
00:07:36
Indraindray aza ny mpiara-manompo amintsika mihitsy
no manao ny tsy rariny amintsika.00:07:40
00:07:41
Izany ve izao no mahazo anao?00:07:42
00:07:44
Ao anatin’ny fitsapana hoatr’izany mihitsy ianao no afaka manaporofo hoe tianao i Jehovah.00:07:48
00:07:50
Diniho ange ny zavatra nataon’i Josefa e!00:07:52
00:07:53
Mariho ny voalazan’ny Genesisy 39:1-23.00:07:58
00:12:09
Nokarakarain’i Jehovah foana i Josefa,
ary nataony nahomby daholo izay zavatra nataony.00:12:14
00:12:16
Nahoana i Jehovah no tia be an’i Josefa hoatr’izany?00:12:19
00:12:20
Satria tia an’Andriamanitra foana izy na inona na inona nitranga.00:12:23
00:12:26
Hitantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Josefa hoe
tsy hanary antsika mihitsy i Jehovah raha tia azy foana isika.00:12:32
00:12:34
Izay tena ilaintsika mihitsy no homeny antsika amin’ny fotoana mety, amin’izay isika afaka miaritra.00:12:38
00:12:42
Hiverina amin’ny tantaran’i Josefa isika.00:12:45
00:12:45
Voatendry hikarakara voafonja roa izy:00:12:47
00:12:48
Ny iray lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’i Farao,
dia ny iray lehiben’ny mpanao mofo.00:12:53
00:12:54
Samy nanonofy izy roa lahy ireo, indray alina, dia lasa niady saina be.00:12:58
00:12:58
Nampian’i Jehovah i Josefa ka afaka nilaza ny hevitry ny nofin-dry zareo, dia tanteraka tokoa ilay izy.00:13:04
00:13:06
Resahin’ny Genesisy 40:14 fa niangavy an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro i Josefa hoe:00:13:13
00:13:15
‘Mba tsarovy aho raha vao mandeha tsara indray ny fiainanao.00:13:17
00:13:18
Ary mba anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana aho, ka resaho amin’i Farao, dia avoahy amin’ity trano ity.’00:13:24
00:13:25
Hadinon’ilay mpandroso zava-pisotro anefa i Josefa.00:13:28
00:13:29
Tatỳ aoriana, dia nanonofy indroa i Farao ary niady saina be.00:13:34
00:13:34
Nahita omby matavy nohanin’ny omby mahia aloha izy,00:13:38
00:13:39
dia avy eo nahita salohim-barimbazaha tsara tarehy
natelin’ny salohy mainan’ny rivotra.00:13:43
00:13:44
Tsisy nahalaza ny hevitr’ireo nofy ireo,
na ny mpisorona na ny olon-kendry tao Ejipta.00:13:49
00:13:51
Tamin’ny farany, dia noresahin’ilay mpitondra zava-pisotro tamin’i Farao hoe mahay milaza ny hevitry ny nofy i Josefa.00:13:57
00:13:58
Tonga izy dia nampanantsoina avy any am-ponja.00:14:01
00:14:02
Hovakintsika indray manomboka eo amin’ny andininy faha-25.00:14:06
00:14:07
Efa 30 taona izao i Josefa, ary mijoro eo anatrehan’ny mpanjaka izy.00:14:11
00:15:28
Nolazain’i Josefa tamin’ny an-tsipiriany hoe
ahoana no hiatrehana an’ilay mosary.00:15:33
00:15:34
Faly be i Farao satria hain’i Josefa ny nilaza ny hevitr’ilay nofy
sady tsara be ny soso-keviny.00:15:40
00:15:41
Notendreny ho mpitondra eran’i Ejipta àry izy,
sady nanarakaraka an’i Farao mihitsy!00:15:46
00:15:48
Tonga tokoa ny mosary, valo taona taorian’izay.00:15:52
00:15:53
Tratran’ilay izy koa ny fianakavian’i Josefa.00:15:55
00:15:56
Nirahin’i Jakoba àry ny zanany lahy mba hividy sakafo any Ejipta.00:15:59
00:16:01
Dia lasa izy folo lahy zanak’i Jakoba nankany Ejipta,
fa i Benjamina, ilay faralahy, kosa nijanona.00:16:07
00:16:10
Nihaona tamin’i Josefa ry zareo, dia niankohoka teo anatrehany.00:16:13
00:16:14
Tanteraka tamin’izay ilay nofin’i Josefa taloha ela be.00:16:17
00:16:18
Fantatr’i Josefa ireo rahalahiny, fa ry zareo tsy nahafantatra azy.00:16:22
00:16:23
Niresaka tamin-dry zareo tamin’ny teny ejipsianina izy,
dia nampiasa mpandika teny.00:16:27
00:16:27
Nataony izay tsy ahafantaran-dry zareo azy.00:16:29
00:16:33
Mila manapa-kevitra izao i Josefa.00:16:35
00:16:36
Hanararaotra ny fahefany ve izy mba hampijaliana ny rahalahiny?00:16:39
00:16:41
Horoahiny ve ry zareo satria hoe tsy mendrika ny hampiana?00:16:44
00:16:46
Sa izy hitady fomba hihavanana amin-dry zareo?00:16:49
00:16:50
Haneho fitiavana hoatran’i Jehovah ve izy?00:16:52
00:16:53
Inona no nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany?00:16:55
00:16:58
Tian’i Josefa ho fantatra hoe efa niova ve ny rahalahiny
sa mbola mankahala olona sy be fialonana foana.00:17:06
00:17:07
Nolazainy fa mpitsikilo àry ry zareo, dia noteneniny hoe hogadrainy aloha i Simeona mandra-piverin-dry zareo miaraka amin’i Benjamina.00:17:15
00:17:17
Hovakintsika ny Genesisy 42:21-24.00:17:23
00:18:09
Nanenina i Robena tamin’ny nampijalin-dry zareo an’i Josefa.00:18:13
00:18:14
Fa tena nanenina tamin’ny fony tokoa ve izy sy ny rahalahiny?00:18:17
00:18:18
Tian’i Josefa ho fantatra izany, ka nasainy niverina tany Kanana ry zareo ary nasainy nitondra an’i Benjamina ho any Ejipta, avy eo.00:18:26
00:18:29
Ahoana hozy i Jakoba rehefa hoe hoentina any Ejipta i Benjamina?00:18:32
00:18:34
Mamaly an’izany ny Genesisy 42:36, 37.00:18:39
00:19:07
Hentitra i Jakoba.00:19:08
00:19:09
Tsy hanaiky ny handehanan’ i Benjamina mihitsy izy.00:19:11
00:19:14
Tsy nanana sakafo intsony anefa i Jakoba sy ny fianakaviany,
tamin’ny taona faharoa nisian’ilay mosary.00:19:18
00:19:21
Ahoana amin’izay àry izao no hataon’i Jakoba?00:19:23
00:19:24
Hanaiky handefa an’i Benjamina hiaraka amin’ny rahalahiny
hividy sakafo any Ejipta ve izy?00:19:28
00:19:29
Hovakintsika ny toko faha-43, andininy faha-8 ka hatramin’ny faha-10,
sy faha-13, ary faha-14.00:19:36
00:20:27
Nialona an’i Josefa sy ratsy fanahy taminy i Joda taloha
satria tena tian’ny dadany i Josefa.00:20:32
00:20:33
Izao anefa izy vonona hiaro an’i Benjamina,
ilay zanaka tsy foin’ny dadany.00:20:37
00:20:38
Navelan’i Jakoba niverina tany Ejipta àry ry zareo,
sady nampitondrainy zavatra be dia be homena an’i Josefa.00:20:44
00:20:45
Hovakintsika indray ny Genesisy 43:26-30.00:20:51
00:21:49
Notsapain’i Josefa ny rahalahiny
mba hahalalana ny tao am-pon-dry zareo.00:21:53
00:21:53
Ahoana no nataony?00:21:55
00:21:57
Nasain’i Josefa nofenoina sakafo ny gonin’ireo rahalahiny.00:22:00
00:22:02
Nasainy natao an-tsokosoko tao anatin’ny gonin’i Benjamina koa
ny kaopiny volafotsy.00:22:06
00:22:08
Raha vao lasa kelikely ry zareo,
dia nasain’i Josefa nenjehin’ny mpanompony.00:22:12
00:22:13
Dia rehefa tratra ry zareo, dia nanontanian’ireo mpanompon’i Josefa hoe:00:22:17
00:22:17
‘Maninona no nangalarinareo ny kaopy volafotsin’ny tomponay?’00:22:21
00:22:24
Nanda mafy ireo rahalahin’i Josefa hoe tsy nanao an’izany,
sady niteny hoe:00:22:28
00:22:29
‘Azonareo vonoina ho faty izay olona hahitanareo an’ilay kaopy.’00:22:32
00:22:34
Nokarohin’ireo mpanompo daholo ny gonin-dry zareo,
dia hitany tao anatin’ny gonin’i Benjamina ilay izy.00:22:40
00:22:41
Nalahelo be ireo rahalahin’i Josefa ka nandrovitra ny akanjony.00:22:44
00:22:45
Very hevitra ry zareo, dia niara-niverina tamin’i Benjamina
tany an-tranon’i Josefa.00:22:49
00:22:53
Sady niankohoka teo anatrehan’i Josefa i Joda no niteny hoe:00:22:56
00:22:57
“Efa hitan’Andriamanitra ny fahadisoan’ny mpanomponao.00:23:00
00:23:02
Koa indreto izahay ho mpanompon’ny tompoko.”00:23:04
00:23:06
Mbola nitsapa an-dry zareo ihany i Josefa ka niteny hoe:00:23:09
00:23:09
‘Mahazo mody daholo ianareo,00:23:11
00:23:11
fa i Benjamina ihany no tsy maintsy mijanona mba ho mpanompoko.’00:23:14
00:23:17
Nitalaho i Joda hoe: ‘Raha tsy entiko miverina i Benjamina,00:23:22
00:23:22
dia tena ho faty ny raiko ary ho fahotako amin’ny raiko
mandrakizay izany.’00:23:26
00:23:30
Tsy tian’i Joda raha mbola hamoy zanaka hafa tena tiany indray
ny dadany,00:23:33
00:23:34
ka vonona ny hatao mpanompo hisolo an’i Benjamina izy.00:23:37
00:23:40
Andao hojerentsika ny fihetsik’i Josefa ao amin’ny Genesisy 45:1-15.00:23:47
00:26:36
Nifindra tany Ejipta àry i Jakoba sy ny fianakaviany
izay niisa 70 teo ho eo.00:26:41
00:26:41
Dia nomen’i Farao an-dry zareo ny tany Gosena mba hipetrahany.00:26:45
00:26:47
Nipetraka tany Ejipta ny taranak’i Jakoba nandritra ny 215 taona.00:26:52
00:26:54
Efa lasa telo tapitrisa na mahery izy ireo rehefa niampita
ny Ranomasina Mena mba ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.00:27:00
00:27:01
Nampiasa an’i Josefa àry i Jehovah mba hiarovana
ny razamben’ny Mesia.00:27:05
00:27:07
Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Josefa?00:27:10
00:27:11
Na inona na inona olana natrehin’i Josefa,
dia tsy niova mihitsy ny fitiavany an’i Jehovah.00:27:17
00:27:17
Tsy nitana lolompo izy na dia tratran’ny olana nisesisesy aza
nandritra ny taona maro.00:27:22
00:27:24
Mety ho tsy afa-manoatra isika amin’ny olana mahazo antsika
eto amin’ity tontolo ratsy ity.00:27:28
00:27:29
Anjarantsika anefa ny mifidy an’izay fomba iatrehantsika azy ireny.00:27:33
00:27:34
Tsy tokony ho tezitra amin’i Jehovah isika
rehefa mitranga ireny olana ireny.00:27:38
00:27:39
Tia an’i Jehovah isika, dia tapa-kevitra hoe
tsy hanao zavatra mety hampalahelo azy.00:27:44
00:27:50
Niova ny fiainan’i Josefa, tatỳ aoriana,00:27:52
00:27:52
nefa mbola nasehony foana hoe tiany ny fianakaviany
na dia nampijaly azy aza ny rahalahiny.00:27:57
00:27:59
Nisy faminaniana iray tanteraka àry vokatr’izany.00:28:02
00:28:04
Efa nilaza mantsy i Jehovah tamin’ny andron’i Abrahama,
dadan’ny dadaben’i Josefa,00:28:09
00:28:09
hoe hanafaka ny vahoakany izy rehefa afaka 430 taona katroka.00:28:14
00:28:15
Ahoana moa no hahatanteraka an’io faminaniana io
raha tsy naneho fitiavana tamin’ny fianakaviany i Josefa?00:28:20
00:28:22
Hita avy amin’izany hoe zava-dehibe amin’i Jehovah
ny fitiavana asehontsika amin’ireo rahalahintsika.00:28:26
00:28:29
Raha nanao zavatra nampalahelo anao àry ny mpiara-manompo aminao,00:28:33
00:28:33
dia aza manaratsy azy any amin’ny olon-kafa na mamaly faty,00:28:36
00:28:37
na dia te hanao an’izany aza ianao.00:28:39
00:28:40
Ataovy izay azonao atao mba hihavanana aminy indray.00:28:43
00:28:44
Tadidio hoe tian’i Jehovah ireo rahalahintsika ireo
ka tokony ho tiantsika koa.00:28:47
00:28:52
I Jehovah no tena naneho fitiavana tao amin’ilay tantara teo.00:28:55
00:28:56
I Josefa mantsy izao narian’ny fianakaviany, dia nendrikendrehin’ny vadin’ny mpampiasa azy, dia nogadraina tamin’ny farany.00:29:04
00:29:06
“Nomba an’i Josefa foana anefa” i Jehovah.00:29:08
00:29:10
Nahoana?00:29:11
00:29:11
Hitany hoe tsy nivadika i Josefa, dia tsy nivadika tamin’i Josefa koa izy.00:29:16
00:29:18
Hita amin’ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’i Josefa koa
fa tiany ny firenen’Israely.00:29:22
00:29:24
Nampiasa an’i Josefa i Jehovah mba hiaro ny fianakaviany,
amin’izay ho voaro ny razamben’ny Mesia00:29:31
00:29:31
ary ho tanteraka ara-potoana ilay fampanantenany hoe
hanafaka ny Israelita.00:29:35
00:29:38
Tena mampahery izany!00:29:40
00:29:41
Mety handiso fanantenana anao ny olombelona tsy lavorary,00:29:44
00:29:44
na haneso anao na hanendrikendrika anao mihitsy aza.00:29:47
00:29:47
Mety hiharan’ny tsy rariny koa ianao.00:29:49
00:29:50
Tsy handao anao mihitsy anefa i Jehovah raha tsy mivadika ianao.00:29:54
00:29:54
Tsy nanadino an’i Josefa mihitsy izy, ka tsy ho hadinony koa ny mpanompony rehetra tsy mivadika aminy.00:30:00
00:30:00
Miezaha àry ho akaiky an’i Jehovah foana,
dia haneho fitiavana aminao foana koa izy.00:30:05
Naneho Fitiavana Foana i Jehovah
-
Naneho Fitiavana Foana i Jehovah
Miatrika fitsapana daholo isika rehetra eto amin’ity tontolo ity.
Efa nisy fotoana ve ianao lasa saina hoe
mba hanampy ahy ihany ve i Jehovah?
Dia rahoviana izy no hanao an’izany?
Afaka matoky isika hoe hanohana antsika i Jehovah
rehefa misy fitsapana.
Nahoana?
Satria ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra.
Andao isika handinika ny tantaran’i Josefa
mba hahalalana bebe kokoa an’io toetra io.
Ho hitantsika koa amin’izay hoe
ahoana no azontsika ampisehoana azy io.
Teraka tany Mezopotamia i Josefa, 3 700 taona mahery lasa izay.
Jakoba na Israely no anaran’ny dadany.
Nanana rahalahy folo tsy iray reny taminy i Josefa,
ary nanana zandry iray tam-po taminy.
Benjamina no anarany.
Mbola kely i Josefa dia efa niatrika fitsapana satria nialona azy ny zokiny.
Izany fitsapana nahazo azy izany anefa no nahatonga
ny fianakaviany manontolo ho avotra rehefa nisy mosary.
Afaka mahazo fitahiana mandrakizay koa isika vokatr’izany.
Asaiko ianareo izao hijery ny Genesisy 37:2-11
ary hanaraka ny famakiana azy io.
Tsy tian’ny fianakavian’i Josefa ny hevitry ny nofiny.
I Jakoba kosa “nitadidy an’izany teny izany”, izany hoe
nataony an-tsaina foana ilay nofin’i Josefa.
Nosaintsaininy foana ilay izy.
Fantany angamba hoe avy amin’i Jehovah ilay nofy.
Hafa mihitsy anefa ny fihetsiky ny rahalahin’i Josefa.
Araho indray ny famakiana ny Genesisy 37:18-36.
Niova be ny fiainan’i Josefa.
Izy no zanaka tian’ny dadany indrindra nefa izao izy lasa andevo!
Tsy i Josefa ihany no tsy tian’ireo rahalahiny fa i Jakoba rainy koa.
Ny tena ratsy aza dia hoe i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra, mihitsy
no tsy tian’izy ireo.
Mety hiharan’ny tsy rariny koa ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika.
Indraindray aza ny mpiara-manompo amintsika mihitsy
no manao ny tsy rariny amintsika.
Izany ve izao no mahazo anao?
Ao anatin’ny fitsapana hoatr’izany mihitsy ianao no afaka manaporofo hoe tianao i Jehovah.
Diniho ange ny zavatra nataon’i Josefa e!
Mariho ny voalazan’ny Genesisy 39:1-23.
Nokarakarain’i Jehovah foana i Josefa,
ary nataony nahomby daholo izay zavatra nataony.
Nahoana i Jehovah no tia be an’i Josefa hoatr’izany?
Satria tia an’Andriamanitra foana izy na inona na inona nitranga.
Hitantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Josefa hoe
tsy hanary antsika mihitsy i Jehovah raha tia azy foana isika.
Izay tena ilaintsika mihitsy no homeny antsika amin’ny fotoana mety, amin’izay isika afaka miaritra.
Hiverina amin’ny tantaran’i Josefa isika.
Voatendry hikarakara voafonja roa izy:
Ny iray lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’i Farao,
dia ny iray lehiben’ny mpanao mofo.
Samy nanonofy izy roa lahy ireo, indray alina, dia lasa niady saina be.
Nampian’i Jehovah i Josefa ka afaka nilaza ny hevitry ny nofin-dry zareo, dia tanteraka tokoa ilay izy.
Resahin’ny Genesisy 40:14 fa niangavy an’ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro i Josefa hoe:
‘Mba tsarovy aho raha vao mandeha tsara indray ny fiainanao.
Ary mba anehoy hatsaram-panahy feno fitiavana aho, ka resaho amin’i Farao, dia avoahy amin’ity trano ity.’
Hadinon’ilay mpandroso zava-pisotro anefa i Josefa.
Tatỳ aoriana, dia nanonofy indroa i Farao ary niady saina be.
Nahita omby matavy nohanin’ny omby mahia aloha izy,
dia avy eo nahita salohim-barimbazaha tsara tarehy
natelin’ny salohy mainan’ny rivotra.
Tsisy nahalaza ny hevitr’ireo nofy ireo,
na ny mpisorona na ny olon-kendry tao Ejipta.
Tamin’ny farany, dia noresahin’ilay mpitondra zava-pisotro tamin’i Farao hoe mahay milaza ny hevitry ny nofy i Josefa.
Tonga izy dia nampanantsoina avy any am-ponja.
Hovakintsika indray manomboka eo amin’ny andininy faha-25.
Efa 30 taona izao i Josefa, ary mijoro eo anatrehan’ny mpanjaka izy.
Nolazain’i Josefa tamin’ny an-tsipiriany hoe
ahoana no hiatrehana an’ilay mosary.
Faly be i Farao satria hain’i Josefa ny nilaza ny hevitr’ilay nofy
sady tsara be ny soso-keviny.
Notendreny ho mpitondra eran’i Ejipta àry izy,
sady nanarakaraka an’i Farao mihitsy!
Tonga tokoa ny mosary, valo taona taorian’izay.
Tratran’ilay izy koa ny fianakavian’i Josefa.
Nirahin’i Jakoba àry ny zanany lahy mba hividy sakafo any Ejipta.
Dia lasa izy folo lahy zanak’i Jakoba nankany Ejipta,
fa i Benjamina, ilay faralahy, kosa nijanona.
Nihaona tamin’i Josefa ry zareo, dia niankohoka teo anatrehany.
Tanteraka tamin’izay ilay nofin’i Josefa taloha ela be.
Fantatr’i Josefa ireo rahalahiny, fa ry zareo tsy nahafantatra azy.
Niresaka tamin-dry zareo tamin’ny teny ejipsianina izy,
dia nampiasa mpandika teny.
Nataony izay tsy ahafantaran-dry zareo azy.
Mila manapa-kevitra izao i Josefa.
Hanararaotra ny fahefany ve izy mba hampijaliana ny rahalahiny?
Horoahiny ve ry zareo satria hoe tsy mendrika ny hampiana?
Sa izy hitady fomba hihavanana amin-dry zareo?
Haneho fitiavana hoatran’i Jehovah ve izy?
Inona no nataonao raha ianao no teo amin’ny toerany?
Tian’i Josefa ho fantatra hoe efa niova ve ny rahalahiny
sa mbola mankahala olona sy be fialonana foana.
Nolazainy fa mpitsikilo àry ry zareo, dia noteneniny hoe hogadrainy aloha i Simeona mandra-piverin-dry zareo miaraka amin’i Benjamina.
Hovakintsika ny Genesisy 42:21-24.
Nanenina i Robena tamin’ny nampijalin-dry zareo an’i Josefa.
Fa tena nanenina tamin’ny fony tokoa ve izy sy ny rahalahiny?
Tian’i Josefa ho fantatra izany, ka nasainy niverina tany Kanana ry zareo ary nasainy nitondra an’i Benjamina ho any Ejipta, avy eo.
Ahoana hozy i Jakoba rehefa hoe hoentina any Ejipta i Benjamina?
Mamaly an’izany ny Genesisy 42:36, 37.
Hentitra i Jakoba.
Tsy hanaiky ny handehanan’ i Benjamina mihitsy izy.
Tsy nanana sakafo intsony anefa i Jakoba sy ny fianakaviany,
tamin’ny taona faharoa nisian’ilay mosary.
Ahoana amin’izay àry izao no hataon’i Jakoba?
Hanaiky handefa an’i Benjamina hiaraka amin’ny rahalahiny
hividy sakafo any Ejipta ve izy?
Hovakintsika ny toko faha-43, andininy faha-8 ka hatramin’ny faha-10,
sy faha-13, ary faha-14.
Nialona an’i Josefa sy ratsy fanahy taminy i Joda taloha
satria tena tian’ny dadany i Josefa.
Izao anefa izy vonona hiaro an’i Benjamina,
ilay zanaka tsy foin’ny dadany.
Navelan’i Jakoba niverina tany Ejipta àry ry zareo,
sady nampitondrainy zavatra be dia be homena an’i Josefa.
Hovakintsika indray ny Genesisy 43:26-30.
Notsapain’i Josefa ny rahalahiny
mba hahalalana ny tao am-pon-dry zareo.
Ahoana no nataony?
Nasain’i Josefa nofenoina sakafo ny gonin’ireo rahalahiny.
Nasainy natao an-tsokosoko tao anatin’ny gonin’i Benjamina koa
ny kaopiny volafotsy.
Raha vao lasa kelikely ry zareo,
dia nasain’i Josefa nenjehin’ny mpanompony.
Dia rehefa tratra ry zareo, dia nanontanian’ireo mpanompon’i Josefa hoe:
‘Maninona no nangalarinareo ny kaopy volafotsin’ny tomponay?’
Nanda mafy ireo rahalahin’i Josefa hoe tsy nanao an’izany,
sady niteny hoe:
‘Azonareo vonoina ho faty izay olona hahitanareo an’ilay kaopy.’
Nokarohin’ireo mpanompo daholo ny gonin-dry zareo,
dia hitany tao anatin’ny gonin’i Benjamina ilay izy.
Nalahelo be ireo rahalahin’i Josefa ka nandrovitra ny akanjony.
Very hevitra ry zareo, dia niara-niverina tamin’i Benjamina
tany an-tranon’i Josefa.
Sady niankohoka teo anatrehan’i Josefa i Joda no niteny hoe:
“Efa hitan’Andriamanitra ny fahadisoan’ny mpanomponao.
Koa indreto izahay ho mpanompon’ny tompoko.”
Mbola nitsapa an-dry zareo ihany i Josefa ka niteny hoe:
‘Mahazo mody daholo ianareo,
fa i Benjamina ihany no tsy maintsy mijanona mba ho mpanompoko.’
Nitalaho i Joda hoe: ‘Raha tsy entiko miverina i Benjamina,
dia tena ho faty ny raiko ary ho fahotako amin’ny raiko
mandrakizay izany.’
Tsy tian’i Joda raha mbola hamoy zanaka hafa tena tiany indray
ny dadany,
ka vonona ny hatao mpanompo hisolo an’i Benjamina izy.
Andao hojerentsika ny fihetsik’i Josefa ao amin’ny Genesisy 45:1-15.
Nifindra tany Ejipta àry i Jakoba sy ny fianakaviany
izay niisa 70 teo ho eo.
Dia nomen’i Farao an-dry zareo ny tany Gosena mba hipetrahany.
Nipetraka tany Ejipta ny taranak’i Jakoba nandritra ny 215 taona.
Efa lasa telo tapitrisa na mahery izy ireo rehefa niampita
ny Ranomasina Mena mba ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.
Nampiasa an’i Josefa àry i Jehovah mba hiarovana
ny razamben’ny Mesia.
Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Josefa?
Na inona na inona olana natrehin’i Josefa,
dia tsy niova mihitsy ny fitiavany an’i Jehovah.
Tsy nitana lolompo izy na dia tratran’ny olana nisesisesy aza
nandritra ny taona maro.
Mety ho tsy afa-manoatra isika amin’ny olana mahazo antsika
eto amin’ity tontolo ratsy ity.
Anjarantsika anefa ny mifidy an’izay fomba iatrehantsika azy ireny.
Tsy tokony ho tezitra amin’i Jehovah isika
rehefa mitranga ireny olana ireny.
Tia an’i Jehovah isika, dia tapa-kevitra hoe
tsy hanao zavatra mety hampalahelo azy.
Niova ny fiainan’i Josefa, tatỳ aoriana,
nefa mbola nasehony foana hoe tiany ny fianakaviany
na dia nampijaly azy aza ny rahalahiny.
Nisy faminaniana iray tanteraka àry vokatr’izany.
Efa nilaza mantsy i Jehovah tamin’ny andron’i Abrahama,
dadan’ny dadaben’i Josefa,
hoe hanafaka ny vahoakany izy rehefa afaka 430 taona katroka.
Ahoana moa no hahatanteraka an’io faminaniana io
raha tsy naneho fitiavana tamin’ny fianakaviany i Josefa?
Hita avy amin’izany hoe zava-dehibe amin’i Jehovah
ny fitiavana asehontsika amin’ireo rahalahintsika.
Raha nanao zavatra nampalahelo anao àry ny mpiara-manompo aminao,
dia aza manaratsy azy any amin’ny olon-kafa na mamaly faty,
na dia te hanao an’izany aza ianao.
Ataovy izay azonao atao mba hihavanana aminy indray.
Tadidio hoe tian’i Jehovah ireo rahalahintsika ireo
ka tokony ho tiantsika koa.
I Jehovah no tena naneho fitiavana tao amin’ilay tantara teo.
I Josefa mantsy izao narian’ny fianakaviany, dia nendrikendrehin’ny vadin’ny mpampiasa azy, dia nogadraina tamin’ny farany.
“Nomba an’i Josefa foana anefa” i Jehovah.
Nahoana?
Hitany hoe tsy nivadika i Josefa, dia tsy nivadika tamin’i Josefa koa izy.
Hita amin’ny zavatra nataon’i Jehovah tamin’i Josefa koa
fa tiany ny firenen’Israely.
Nampiasa an’i Josefa i Jehovah mba hiaro ny fianakaviany,
amin’izay ho voaro ny razamben’ny Mesia
ary ho tanteraka ara-potoana ilay fampanantenany hoe
hanafaka ny Israelita.
Tena mampahery izany!
Mety handiso fanantenana anao ny olombelona tsy lavorary,
na haneso anao na hanendrikendrika anao mihitsy aza.
Mety hiharan’ny tsy rariny koa ianao.
Tsy handao anao mihitsy anefa i Jehovah raha tsy mivadika ianao.
Tsy nanadino an’i Josefa mihitsy izy, ka tsy ho hadinony koa ny mpanompony rehetra tsy mivadika aminy.
Miezaha àry ho akaiky an’i Jehovah foana,
dia haneho fitiavana aminao foana koa izy.
-