JW subtitle extractor

"Iza no Momba An’i Jehovah?"

Video Other languages Share text Share link Show times

Tena sarobidy amin’i Jehovah ny hoe
tsy mivadika ny mpanompony,
indrindra rehefa ao anatin’ny sarotra.
Inona no ataon’i Jehovah
rehefa tsy mivadika aminy isika?
Tsy mivadika amintsika koa izy,
ary tena mahafaly azy izany.
Hoy ny Salamo 145:17:
‘Tsy mivadika i Jehovah amin’izay rehetra ataony.’
Azo itokisana foana àry izy.
Tsy hahafoy ny namany mihitsy izy.
Inona no tsapanao rehefa mieritreritra hoe
momba anao i Jehovah?
Tsy misy zavatra tsara noho izany!
Tsy misy fetrany ny herin’i Jehovah.
Vonona hanampy ny vahoakany izy,
ary tena vitany izany.
Tena mety àry raha miandany aminy isika.
Tapa-kevitra ny tsy hivadika aminy
ny mpanompony rehetra,
na ny ankamaroany, amin’ny voalohany.
Samy hafa anefa ny hoe maniry
na milaza fa tsy hivadika amin’Andriamanitra,
sy ny hoe tena tsy mivadika aminy.
Tsy maintsy hiatrika fitsapana isika rehetra,
ka ho hita raha tena tsy mivadika amin’i Jehovah.
Hiandany tanteraka amin’i Jehovah ve ianao amin’izay?
Andao hodinihintsika izay nitranga
tany an-tany efitr’i Sinay,
taoriana kelin’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta.
Tapa-kevitra ny tsy hivadika tamin’i Jehovah
io vahoakany io, tamin’ny voalohany.
Nanao fifanekena taminy izy ireo,
ary nivoady fa tsy hivadika aminy.
Nampanantena koa i Jehovah fa
tsy hivadika amin’​izy ireo mihitsy.
Inona no ianarantsika avy amin’ilay tantara?
Andao hovakintsika ny Eksodosy 20:1-7.
Ary nilaza ireto teny rehetra ireto Andriamanitra:
[Misy feona kotroka.
Misy feon-drivotra mitsoka]
Izaho no Jehovah Andriamanitrao
izay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta,
avy tany amin’ny trano fanandevozana
Aza manana andriamani-kafa hifandrafy amiko.
[Feona kotroka]
Aza manao sary sokitra ho anao,
na bikabikan-javatra mitovy amin’izay
eny amin’ny lanitra ambony,
na izay etỳ amin’ny tany ambany,
na izay any anaty rano ambanin’ny tany.
Aza miankohoka eo anatrehan’​ireny,
na manaiky ho voatarika hanompo azy,
[Feona kotroka]
fa izaho Jehovah Andriamanitrao
dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana ahy irery ihany.
Raha misy raim-pianakaviana mankahala ahy,
dia hosaziko noho ny fahadisoany ny zanany
sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.
Fa izay tia ahy sy mitandrina ny didiko kosa
hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana,
na dia hatramin’ny taranaka faharivo aza.
Aza manao tsinontsinona
ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao,
[Feona kotroka]
fa tsy havelan’i Jehovah ho afa-maina
izay manao tsinontsinona ny anarany.
Eo anoloan’ny Tendrombohitra Sinay
izao ny vahoakan’Andriamanitra.
Nahita ny Loza Folo namelezan’i Jehovah
an’i Ejipta izy ireo,
ary nampiany hiampita ny Ranomasina Mena,
telo volana fotsiny talohan’izay.
Mihovotrovotra mafy ilay tendrombohitra
sady midona-tsetroka.
Misy kotroka sy tselatra
ary rahona matevina koa eo amboniny,
ary misy hoatran’ny feon’anjombona
manako mafy sy tsy mety mijanona.
Nilaza i Jehovah tamin’izay fa
raha ‘manompo azy irery ihany’ ny vahoakany,
dia haneho “hatsaram-panahy feno fitiavana”
amin’izy ireo izy, na tsy hivadika aminy.
Hoatran’ny nianiana izy hoe:
‘Homba anareo aho raha momba ahy ianareo.’
Inona no navalin’ny Israelita an’izany?
Araho ny tantara ao amin’ny Eksodosy 24:3-18.
Dia tonga i Mosesy,
ka nolazainy tamin’ny vahoaka
ny tenin’i Jehovah rehetra
sy ny didy rehetra havoaka amin’ny fitsarana.
[Feon’olona]
Ary niara-niredona ny olona hoe:
Vonona hanao izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.
Dia nosoratan’i Mosesy
ny teny rehetra nolazain’i Jehovah.
[Mifarana ny mozika]
[Feona vato atao miavosa]
Ary nifoha maraina izy
ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra,
sady nanao tsangambato 12 mba hoenti-manondro
ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.
[Feona vahoaka]
Taorian’izay,
dia naniraka zatovolahy maromaro
avy teo amin’ny zanak’Israely izy,
[Feona kitay sy tavin-kena dorana ao anaty afo]
ary nanolotra fanatitra dorana ireo
sady namono omby
ho sorona iombonana ho an’​i Jehovah.
Ary nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ra
ka nataony tao anaty vilia baolina,
[Feona ra araraka]
ary ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.
[Feona ra afafy]
Farany,
dia noraisiny ny bokin’ny fifanekena
ka novakiny teo anatrehan’ny vahoaka.
Dia hoy izy ireo:
Vonona hanao sy hankatò
izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.
Dia noraisin’i Mosesy ny ra
[Feona ra afafy sy vahoaka taitra]
ary nafafiny teny amin’ny vahoaka sady hoy izy:
Ity no ran’ny fifanekena nataon’i Jehovah taminareo,
momba izany teny rehetra izany.
Ary niakatra i Mosesy sy Arona,
Nadaba sy Abiho,
ary ny 70 lahy tamin’ireo anti-panahin’ny Israely.
Dia hitan’izy ireo ny Andriamanitry ny Israely:
[Feona tongotra mamindra]
Teo ambanin’ny tongony
dia nisy zavatra toy ny safira fisaka natao rarivato,
sy toy ny lanitra madio.
Ary tsy naninjitra ny tanany hamely
an’ireo lehilahy nanan-kaja teo amin’ny zanak’Israely Izy.
[Feon’olona gaga sy feo mikorintsana]
Nahazo fahitana an’Andriamanitra kosa anefa izy ireo,
ary nihinana sy nisotro.
[Manomboka ny feona kotroka]
Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:
Miakara atỳ amiko, atỳ an-tendrombohitra
ary mijanòna atỳ,
fa tiako homena anao ireo takela-bato
mbamin’ny lalàna sy ny didy hosoratako,
mba hampianarina azy ireo.
[Mifarana ny feona kotroka]
Dia nitsangana i Mosesy sy Josoa mpanompony,
[Feona tongotra mamindra]
ary i Mosesy no niakatra nankao an-tendrombohitr’Andriamanitra.
Hoy anefa izy tamin’ireo anti-panahy:
Andraso eto izahay, mandra-piverinay eto aminareo.
Ary ireo i Arona sy Hora miaraka aminareo.
Izay manana raharaha hotsaraina,
dia afaka manatona azy roa lahy.
[Manomboka ny mozika]
Dia niakatra nankao an-tendrombohitra i Mosesy,
raha mbola nanarona an’​ilay tendrombohitra ny rahona.
Nitoetra teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitr’i Jehovah.
Ary nanarona an’ilay tendrombohitra ny rahona
nandritra ny enina andro.
[Misy feona kotroka sy rivotra mitsoka]
Farany, tamin’ny andro fahafito,
dia niantso an’i Mosesy avy tao afovoan’ny rahona i Jehovah.
Toy ny afo mandevona teo an-tampon-tendrombohitra
[Feon’olona mikiakiaka]
no fahitan’ny zanak’Israely ny voninahiny.
Dia niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy
ary mbola niakatra an’ilay tendrombohitra ihany.
Ary nijanona 40 andro sy 40 alina
tany an-tendrombohitra i Mosesy.
Faly be mihitsy izao ny Israelita!
Eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra izy ireo,
ary manao fifanekena aminy.
Henon’izy ireo koa i Jehovah mampanantena hoe
tsy hivadika amin’izy ireo.
Hoy izy ao amin’ny Eksodosy 19:5:
“Raha mankatò an-tsakany sy an-davany ny teniko ianareo
ka tena manaja ny fifanekena hataoko aminareo,
dia ho fananako manokana
fidiko avy amin’ny firenena hafa rehetra tokoa ianareo,
satria ahy ny tany manontolo.”
Tsy mahagaga raha tena tapa-kevitra
ny hankatò an’i Jehovah
sy tsy hivadika aminy ny Israelita.
Niara-niteny izy ireo hoe:
“Vonona hanao sy hankatò
izay rehetra nolazain’i Jehovah izahay.”
Efa noresahintsika teo aloha anefa fa
samy hafa ny hoe maniry
na milaza ho tsy mivadika amin’Andriamanitra,
sy ny hoe tena tsy mivadika aminy.
Hitantsika teo fa tena tapa-kevitra
ny tsy hivadika amin’i Jehovah ny Israelita.
Tena tsy nivadika ve anefa izy ireo
rehefa nisy fitsapana tsy nampoizina?
Araho indray ny tohin’ny tantara
ao amin’ny Eksodosy 32:1-35.
[Mifarana ny mozika]
Nandritra izany fotoana izany,
rehefa hitan’ny olona fa naharitra ela i Mosesy
nefa mbola tsy nidina
avy tany an-tendrombohitra ihany,
[Feona vahoaka mivorivory. Matahotra izy ireo fa tsy eo i Mosesy]
dia nitangorona teo amin’i Arona izy ireo, ka niteny hoe:
Manamboara andriamanitra ho antsika
hialoha lalana antsika,
fa tsy fantatra mihitsy izay nanjo an’ilay Mosesy
nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.
Dia hoy i Arona:
Esory àry ny kavina volamena
eny an-tsofin’ny vadinareo
sy ny zanakareo lahy ary ny zanakareo vavy,
dia ento etỳ amiko.
Ary nesorin’ny olona rehetra
ny kavina volamena teny an-tsofiny,
ka nentiny tany amin’i Arona.
[Feona vahoaka manipy ny firavany]
Dia noraisin’i Arona avy teny an-tanan’izy ireo ny volamena
[Feona fandraka]
ka namboariny tamin’ny fandraka.
Ary nanao sarivongana zanak’omby
tamin’ireo volamena narendrika izy.
Dia hoy ny olona:
Io ny Andriamanitrao,
izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!
[Feona vahoaka gaga]
Ary nanorina alitara teo anoloan’ilay zanak’omby i Arona
rehefa nahita izany.
[Feona vato atao miavosa]
Farany, dia niantsoantso izy hoe:
Hisy fety ho an’i Jehovah rahampitso.
Dia nifoha maraina izy ireo ny ampitson’iny,
ary nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana.
[Feona vahoaka. Feona kitay
sy tavin-kena dorana ao anaty afo]
[Feon’ny vahoaka mihinana sy misotro ary mifalifaly]
Nipetraka hihinana sy hisotro ny olona,
[Mozika misy feon-tsodina sy ampongatapaka ary lokanga]
ary avy eo dia nitsangana hifalifaly.
Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:
[Manomboka ny feona kotroka
sy mozika mampahatahotra]
Mandehana midina, fa manao ratsy ny olonao,
izay nentinao niakatra avy tany Ejipta.
Nalaky niala tamin’ny lalana nasaiko nalehany izy.
Nanao sarivongana zanak’omby
tamin’ny volamena narendrika izy,
ary miankohoka eo anatrehany
sy manao sorona ho azy,
sady miteny hoe:
“Io ny Andriamanitrao,
izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”
Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy:
Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io.
Avelao hirehitra aminy ny fahatezerako
ka haringako izy.
Dia hataoko ho firenena lehibe ianao.
[Mifarana ny feona kotroka sy mozika mampahatahotra.
Manomboka ny feona rivotra sy mozika malefaka]
Ary nampitony an’i Jehovah Andriamaniny i Mosesy,
ka niteny hoe:
Jehovah ô, nahoana ianao no tezitra be amin’ny olonao,
izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta tamin-kery lehibe
sy tamin’ny tanana mahery?
Nahoana ny Ejipsianina no dia avela hiteny hoe:
“Nitetika ny hanao ratsy izy
ka namoaka azy ireo niala teto amintsika,
mba hamonoana azy any an-tendrombohitra
sy handringanana azy tsy ho etỳ ambonin’ny tany”?
Aoka re mba tsy ho tezitra be intsony ianao e,
ary aoka ianao hanenina ny amin’ny ratsy
saika hataonao amin’ny olonao.
Tsarovy i Abrahama sy Isaka ary Israely mpanomponao,
izay nianiananao tamin’ny tenanao,
ka nilazanao hoe:
“Hataoko maro tahaka
ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakareo.
Ary io tany manontolo io izay efa nolazaiko taminareo,
dia homeko ny taranakareo
ho lovany mandritra ny fotoana tsy voafetra.”
Dia nanenenan’i Jehovah ny ratsy rehetra
nolazainy fa hataony amin’ny olony.
[Mifarana ny feona rivotra sy mozika malefaka]
Ary nihodina i Mosesy
ka nidina avy tany an-tendrombohitra,
ary teny an-tanany ny takela-bato roa
misy ny Tenin’ny Vavolombelona.
[Feona tongotra mamindra
sy takela-bato mifampikasoka]
Nisy soratra ny lafiny roa tamin’ireo takela-bato ireo,
izany hoe, ny ambadika sy ambadika.
Asa tanan’Andriamanitra ireo takela-bato ireo,
ary soratr’Andriamanitra ny soratra voasokitra teo aminy.
[Feona vahoaka mitabataba
sy mozika ary feon’olona mihira]
Ary henon’i Josoa ny tabataban’ny olona nihorakoraka,
[Feona mozika mampahatahotra]
ka hoy izy tamin’i Mosesy:
Tabataban’ady izany ao an-toby izany!
Fa hoy i Mosesy:
Tsy hiran’olona nahazo fandresena miezinezina izany,
ary tsy hiran’olona resy tany an’ady koa.
Tena hira hafa mihitsy izany henoko izany an!
[Feona vehivavy mihirahira]
Raha vao tonga teo akaikin’ny toby i Mosesy,
ka nahita an’ilay zanak’omby sy ny olona nandihy,
dia nirehitra ny fahatezerany.
[Mifarana ny mozika
sy ny feon’ny vehivavy mihirahira]
[Feona takela-bato potipotika. Feon’olona mihorakoraka]
Avy hatrany dia nazerany ireo takela-bato teny an-tanany,
ka novakivakiny teo am-pototry ny tendrombohitra.
[Feona afo mirehitra]
Dia nalainy ilay zanak’omby nataon’ireo,
[Feon’olona gaga]
ka nodorany ary notorotoroiny ho vovoka.
[Feon’ny fitaovana manapotipotika an’ilay sarivongana metaly]
Ary nafafiny teny amin’ny rano izany,
ka nampisotroiny ny zanak’Israely.
[Feona rano mikoriana sy olona mitelina rano]
Dia hoy i Mosesy tamin’i Arona:
Fa nataon’ity vahoaka ity inona ianao
no dia nahatonga azy hanao an’izao fahotana lehibe izao?
Ary hoy i Arona:
Aza tezitra be hoatr’izao ianao tompoko.
Fantatrao tsara fa mora manao ratsy ity vahoaka ity.
Hoy izy ireo tamiko:
“Manamboara andriamanitra ho antsika
hialoha lalana antsika,
fa tsy fantatra mihitsy hoe
inona no nanjo an’ilay Mosesy
nitondra antsika niakatra avy tany Ejipta iny.”
Dia hoy aho taminy:
“Iza àry no manana volamena?
Esory izany, ka ento etỳ amiko.”
[Feona firavaka atsipin’ny olona
sy ataony miavosa]
[Feona afo midedadeda]
Ary natsipiko tao anaty afo izany,
dia io zanak’ omby io no nivoaka avy tao.
Ary hitan’i Mosesy fa nanaram-po tanteraka ny olona,
[Feona vahoaka misahotaka]
satria efa navelan’i Arona hanaram-po tanteraka
mba hahafa-baraka azy ireo
eo imason’ny fahavalony.
[Feona tongotra mamindra]
Dia nankeo am-bavahadin’ny toby i Mosesy ka niteny hoe:
[Manomboka ny mozika]
Iza no momba an’i Jehovah? Avia etỳ amiko!
Dia niangona teny aminy daholo ny taranak’i Levy.
Ary hoy izy tamin’ireo:
Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely:
“Ataovy eny amin’ny andilanareo ny sabatrareo,
[Feona sabatra tsoahana avy ao anaty tranony]
ary midira hamakivaky ny toby
ka tetezo ny vavahady rehetra.
Dia samia mamono ny rahalahiny
sy ny mpiara-monina aminy ary ny namany akaiky.”
Dia nanao araka izay nolazain’i Mosesy ny taranak’i Levy,
ka lehilahy 3000 teo ho eo tamin’ny vahoaka
no maty ny androtr’iny.
Ary hoy i Mosesy:
Hatanjaho ny tenanareo anio
mba hanompo an’i Jehovah,
satria ianareo efa namono ny zanakareo
sy ny rahalahinareo avy.
Homen’Andriamanitra fitahiana ianareo anio.
Ary ny ampitson’iny, dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka:
Efa nanao fahotana lehibe ianareo.
Hiakatra any amin’i Jehovah aho izao,
ary angamba ho afaka hanao
fandrakofam-pahotana ho anareo.
[Feona tongotra mamindra]
Dia niverina nankany amin’i Jehovah i Mosesy,
ka niteny hoe:
Indrisy!
Efa nanao fahotana lehibe ny vahoaka,
fa nanao andriamanitra volamena ho azy ireo!
Raha mba vonona hamela ny helony mantsy ianao...!
Fa raha tsy izany,
dia vonoy ao amin’ny boky nosoratanao re ny anarako e!
Hoy anefa i Jehovah tamin’i Mosesy:
Ny anaran’izay nanota tamiko ihany
no hovonoiko ao amin’ny bokiko.
[Feona kotroka]
Mandehana, ento ho any amin’ny toerana
efa nolazaiko taminao ny vahoaka.
[Feona sabatra tsoahana avy ao anaty tranony]
Ary handeha eo alohanao ilay anjeliko.
Fa amin’ny andro hanasaziako
[Feona kotroka]
no hanasaziako azy ireo noho ny fahotany.
[Feon’olona mihorakoraka sy mikiakiaka]
Ary namely ny olona i Jehovah,
noho ilay zanak’omby nasain’izy ireo nataon’i Arona.
Hoatran’ny hoe tapa-kevitra ny tsy hivadika
amin’​i Jehovah mihitsy ny Israelita!
Nihena anefa ny finoan’izy ireo,
rehefa tsy hitany i Mosesy.
Nitebiteby izy ireo rehefa nijanona ela kokoa
tany an-tendrombohitra Sinay izy.
Natahotra angamba izy ireo hoe
nandao azy i Mosesy,
na hoe maty tany an-tendrombohitra.
Nieritreritra ny Israelita hoe very tany an-tany efitra,
fa tsy teo intsony ilay mpitarika nitokisany.
Mbola tsy hivadika amin’i Jehovah ve izy ireo?
Marina fa nanahiran-tsaina ilay zava-nitranga.
Raha tena tsy nivadika tamin’i Jehovah ny Israelita,
dia tokony ho vonona hanaporofo hoe
i Jehovah irery no tompoiny na dia misy olana aza.
Nifalifaly anefa izy ireo, nihinana sy nisotro,
ary nanao ny fombafomban’ny mpanompo sampy,
mba hampisinda ny tebitebiny.
Sahy nilaza mihitsy aza izy ireo hoe
“fety ho an’i Jehovah” ilay izy!
Namita-tena koa izy ireo ka nihevitra fa
ilay zanak’omby volamena, hono, no Jehovah.
Nieritreritra izy ireo hoe tsy mivadika amin’i Jehovah
na dia manompo sampy aza.
Naniry ny tsy hivadika amin’i Jehovah izy ireo,
ary nilaza hoe tsy hivadika.
Nivavaka tamin’ilay zanak’omby volamena anefa izy ireo.
Ahoana no niheveran’i Jehovah azy ireo sy ny fanompoany?
‘Nanao ratsy’ izy ireo, hoy i Jehovah, ary “niala” taminy
ka tsy nanao ny sitrapony intsony.
Tezitra be izy
ka nanapa-kevitra fa haringany io firenena vao niforona io,
satria nivadika.
Tsy ny Israelita rehetra anefa
no nivadika tamin’i Jehovah.
Tsy nilefitra tamin’ireo nanompo sampy mihitsy,
ohatra, i Mosesy.
“Nalainy ilay zanak’omby nataon’ireo,
ka nodorany ary notorotoroiny ho vovoka.”
Nankeo am-bavahadin’ny toby izy avy eo,
ka niteny hoe: “Iza no momba an’i Jehovah?
Avia etỳ amiko!”
Dia nanatona azy ny Levita rehetra.
Tsy nivadika tamin’i Jehovah koa izy ireo.
Novonoiny tamin’ny sabatra mihitsy ireo nanompo sampy,
na dia havany sy mpiara-monina taminy aza.
Tena niandany tamin’i Jehovah i Mosesy sy ny Levita.
Tsy nivadika tamin’izy ireo àry i Jehovah.
Tsy nivadika tamin’i Abrahama sy Isaka
ary Jakoba namany koa izy,
ka notadidiny izay nampanantenainy azy ireo
ary tsy nofongorany ny firenen’Israely.
Tena momba an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah!
Andao isika hamaky ny tapany farany amin’ilay tantara,
ao amin’ny Eksodosy 34:1-14.
[Mifarana ny mozika]
Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy:
[Manomboka ny feona kotroka]
Manamboara takela-bato roa
mitovy amin’ireo voalohany,
fa hosoratako eo amin’ireo ny teny
teo amin’ireo takela-bato voalohany nopotipotehinao.
Ary miomàna ho amin’ny rahampitso maraina,
fa hiakatra ho any an-tampon’ny
Tendrombohitra Sinay ianao amin’ny maraina,
ka hiaraka amiko eo.
Tsy misy mahazo miara-miakatra aminao anefa.
Aza avela hisy olon-kafa ho hita
na aiza na aiza eo amin’ilay tendrombohitra.
Tsy tokony hisy andian’ondry na andian’omby koa
hiraoka ahitra eo anoloan’io tendrombohitra io.
[Mifarana ny feona kotroka]
[Feona vato atao sokitra]
Dia nanamboatra takela-bato roa
nitovy tamin’ireo voalohany i Mosesy.
[Feona akoholahy maneno]
Ary nifoha maraina izy,
ka niakatra tany an-tendrombohitra Sinay,
araka izay nandidian’i Jehovah azy.
[Feon-drivotra mitsoka sy tongotra mamindra miadana]
Dia nentiny ny takela-bato roa.
Dia nidina i Jehovah,
ary tao anaty rahona izy tamin’izay.
Niaraka tamin’i Mosesy teo izy
ka nanambara ny anaran’i Jehovah.
[Feona kotroka. Feon-javatra mitselatra]
Ary nandalo teo anatrehan’i Mosesy i Jehovah
ka niteny hoe:
[Feon-drivotra mitsoka. Feona kotroka]
Jehovah, Jehovah,
Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy,
tsy mora tezitra,
be hatsaram-panahy feno fitiavana
sady tena tia fahamarinana,
mitahiry hatsaram-panahy feno fitiavana
ho an’ny taranaka an’arivony,
mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana,
kanefa sanatria azy ny tsy hanasazy
izay tokony hosazina,
fa hosaziny noho ny fahadisoan’ny ray ny zanany
sy ny zafikeliny ary ny zafiafiny.
[Feona tongotra mamindra malaky]
Avy hatrany dia niondrika haingana tamin’ny tany i Mosesy
[Re fa miankohoka i Mosesy]
ka niankohoka.
Avy eo dia hoy izy:
Jehovah Andriamanitra ô,
raha mba mahazo sitraka aminao aho,
dia henoy re ny fiangaviako e!
Aoka ianao mba hiaraka aminay, Jehovah ô,
fa mafy hatoka ity vahoaka ity!
Ary mamelà ny fahadisoanay sy ny fahotanay,
ka raiso ho fanananao izahay.
Dia namaly i Jehovah hoe:
[Manomboka ny feona kotroka]
Manao fifanekena aminareo aho
fa eo anatrehan’ny olonao rehetra
no hanaovako zava-mahagaga,
izay mbola tsy natao tany amin’ny tany rehetra
na teo amin’ny firenena rehetra.
Ary hahita ny asan’i Jehovah
ny olona rehetra manodidina anareo,
fa zavatra mampahatahotra
no hataoko eo anatrehanareo.
Tandremo izay zavatra andidiako anao anio.
Horoahiko tsy ho eo anatrehanao ny Amorita
sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita
sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Mitandrema àry mba tsy hanao fifanekena
amin’ny mponina ao amin’ilay tany halehanao,
sao ho fandrika ho anao izany.
[Feona vato arodana]
Fa arodano ny alitarany,
[Feona tsangambato torotoroina]
torotoroy ny tsangambatony masina,
[Feona tsato-kazo kapaina]
ary kapao ny tsato-kazony masina.
[Manomboka ny mozika]
Aza miankohoka eo anatrehan’ny andriamani-kafa,
satria Andriamanitra saro-piaro i Jehovah,
ilay antsoina hoe Saro-piaro.
[Mifarana ny feona kotroka]
Inona no ianarantsika avy amin’iny tantara iny?
Tsy ampy ny hoe maniry ny tsy hivadika amin’i Jehovah.
Mety ho voafitak’ity tontolo ity isika
ka hieritreritra hoe mbola tsy mivadika amin’i Jehovah,
na dia tsy manaraka ny toro lalany aza.
Tian’i Jehovah anefa
raha ‘izy irery ihany no tompointsika.’
Marina fa tsy maintsy hiatrika zava-tsarotra isika.
Mety hisy olana tampoka, ohatra,
ao amin’ny fianakaviantsika,
na ho sahirana ara-bola isika.
Mety hisy hampahatezitra antsika koa
eo anivon’ny fiangonana,
na harary mafy isika.
Tadidio foana anefa fa
tsy ho voavaha mihitsy ilay olana
raha mandika ny toro lalan’i Jehovah isika.
Handray soa foana kosa isika
raha miandany tanteraka aminy.
Azo itokisana foana mantsy i Jehovah
ary tsy mivadika mihitsy.
Manome toky izy fa
haneho “hatsaram-panahy feno fitiavana”,
izany hoe tsy hivadika amintsika,
raha ‘izy irery ihany no tompointsika.’
Toy ny milaza izy hoe:
‘Homba anareo aho raha momba ahy ianareo.’
Vao avy novakintsika teo hoe
‘hanao zava-mahagaga’
ho an’ny vahoakany i Jehovah.
Tena “Andriamanitra mamindra fo
sy tsara fanahy” izy.
“Tsy mora tezitra” koa izy
ary “be hatsaram-panahy feno fitiavana”,
izany hoe tsy mivadika.