JW subtitle extractor

Ilay Tontolo Vaovao

Video Other languages Share text Share link Show times

♪ Alefaso kely ange ny sainao: ♪
♪ Feno ankizy ao andrefana ao milalao, ♪
♪ Tsisy tahotra intsony. ♪
♪ Ny alahelo izany, tsisy tsaroany. ♪
♪ Mamboly indray no asan’ny olon-drehetra. ♪
♪ Olo-marina ireo sady tsara toetra. ♪
♪ Dia ho fiadanana foana, ♪
♪ Ny andro sy ny volana ary ny taona. ♪
♪ Tena tiany ianao, ♪
♪ Tiany ho hitanao dieny ’zao ♪
♪ Ilay tontolo vaovao. ♪
♪ Ho feno fanantenana ♪
♪ Miredareda ao anatinao. ♪
♪ Hitsiky indray ’lay fo mitalaho, ♪
♪ Ka saintsaino, andrandrao ♪
♪ Ilay tontolo vaovao. ♪
♪ Iny lalan-kely amoron-drano iny, ♪
♪ Ao ’lay tranonareo ao, ’lay toerana kanto. ♪
♪ Iny misy vahiny, ♪
♪ ’Lay tsaroanao foana tato ho ato. ♪
♪ Ny fidoboky ny fony, ♪
♪ Maika ny hofihininao indray, ♪
♪ Dia tsy hisaraka intsony. ♪
♪ Ho ranomasom-pifaliana anie izay. ♪
♪ Na ny fasana aza ♪
♪ Ho foana ary ho lao, ♪
♪ Satria tontolo vaovao. ♪
♪ Ho feno fanantenana ♪
♪ Miredareda ao anatinao. ♪
♪ Hitsiky indray ’lay fo mitalaho, ♪
♪ Ka saintsaino, andrandrao ♪
♪ Ilay tontolo vaovao. ♪
♪ Jehovah efa niteny, ♪
♪ Ireny rehetra ireny mbola homeny. ♪
♪ Hotanterahiny koa ♪
♪ ’Zay nofinofy mba nirin’ny fo. ♪
♪ Ho feno fanantenana ♪
♪ Miredareda ao anatinao. ♪
♪ Hitsiky indray ’lay fo mitalaho, ♪
♪ Ka saintsaino, andrandrao ♪
♪ Ilay tontolo vaovao, ♪
♪ Ilay tontolo vaovao, ♪
♪ Ilay tontolo vaovao, ♪
♪ Ilay tontolo vaovao. ♪