JW subtitle extractor

Miomàna Tsara Aloha dia Hendre Tsara Koa!

Video Other languages Share text Share link Show times

Kaleba a, angaha isika tsy handeha hitory indray?
Ialahy angaha efa vonona?
Aiza kosa e!
Alohan’ny handehanana hitory,
dia misy zavatra telo mila ataontsika.
Samy miantomboka amin’ny M ilay izy: MMM.
MMM a?
Ie!
Manomana, dia manao madio sy maotina, dia mahalala fomba.
Voalohany aloha a, manomana.
Tokony hanomana foana isika alohan’ny handeha hitory.
Tsy maintsy mila fitaovana isika rehefa hiasa.
Fa tsy ireny kosa aloha no ilaintsika rehefa hitory e!
Efa manana an’ilay hoe Fitaovana Fampianarana isika,
dia amin’ireny fotsiny no misafidy!
Mila omanina koa ny fomba fitory,
dia ianarana tsara ilay izy,
amin’izay tsy hoe rehefa eny am-baravarana vao mieritreritra hoe inona no hotenenina.
Dia rehefa vita izay dia inona indray ny manaraka?
Manao madio sy maotina.
Tena zava-dehibe izany satria isika misolo tena an’i Jehovah.
Tokony hoe paozin’olona handeha hitory àry no hanaovantsika fa tsy hoatran’ny hoe
handeha hanao zavatra hafa.
Tian’i Jehovah ho maotina tsara ny akanjontsika.
Isika izany a, mila manao madio,
dia milamina tsara,
dia tsy maimbomaimbo!
Tokony ho antonona tsara koa ny akanjo, fa tsy mifinjifinjy.
Mila bangoina tsara ny volo,
dia tsy atao misarika maso be koa ny paozintsika.
Ao tsara mihitsy izao!
Dia ny farany a, mahalala fomba.
Midera an’i Jehovah ny ankizy raha hendry tsara eny am-pitoriana.
Tandremo àry sao mipelipelika a.
Dia aza mitabataba be na mihomehy mafy loatra.
Tsy mety koa ny milalao
na mikitikitika zavatr’olona na mitsikilokilo tranon’olona.
Dia tsy mihinankinan-javatra koa rehefa mitory.
Tadidio hoe mijery antsika ny olona.
Raha mahalala fomba isika,
dia ho hitany hoe olona mahafinaritra ny Vavolombelon’i Jehovah.
Aleo tsy manao zavatra hafahafa sao izay no hahatonga azy hanaratsy antsika.
Afaka mitory amin’izay aho?
Ie!
Hoatran’ny efa vonona kosa ialahy izao e!
Ndao àry isika hanao fanazaran-tena amin’izay.
Faly mahita anao aho, Kaleba no anarako.
Manahoana i Kaleba.
Izaho indray maman’i Sofia.